Filôzôfian' ny saina

Ny filôzôfian' ny saina dia sampan' ny filôzôfia izay mikendry ny handalina ny toetry ny saina sy ny fifandraisany amin' ny vatana (na tena) sy amin' ny amin' ny tontolo ivelany. Amin' ny teny anglisy izany dia atao hoe philosophy of mind.

Ny olan' ny fifandraisana eo amin' ny vatana sy ny saina, izay takatra amin' ny heviny malalaka, dia heverina ho lohahevi-dehibe dinihina ao amin' ny filôzôfian' ny saina, na dia misy ny fanontaniana hafa momba ny toetry saina izay tsy mifandray amin' ny vatana, na manondro mivantana ny tontolo iainan' ny olona tsirairay (ara-batana na ara-piarahamonina).

Ny filôzôfian' ny saina koa dia afaka manontany ny maha tena zava-misy marina ny zava-mitranga ao amin' ny saina, ka manaiky ny mety ho tsy fisian' ny saina araka ny ieritreretantsika azy na araka fiaintsika izany "avy ao anaty". Ara-tantara, ny doalisma saina-vatana sy ny materialisma no sekolim-pisainana roa lehibe izay nanome valiny ny fanontaniana momba ny toetry ny saina sy ny fifandraisany amin' ny tontolo azo tsapain-tanana.