Ny platônisma na ny realisman' ny hevitra dia fitambarana rijan-kevitra ara-pilôzôfia ahitana ny tsangan-kevitra momba ny "endrika" nataon' i Platôna sy ireo tsangan-kevitra nentanin' ny aingam-panahy avy amin' izany. Ny tsangan-kevitra iraisan' ny platônisma samihafa dia ny fisian' ny zavatra azon' ny saina takarina tsy miankina amin' ny fisainan' olombelona izay azo idirana amin' ny alalan' ny saina irery tsy misy filana fanampiana amin' ny traikefan' ny taovam-pandrenesana.

Sarivongan' ny lohan' i Platôna

Ireo zavatra azon' ny saina takarina ireo, arakaraka ny sampan' ny platônisma resahina, dia mety ho foto-kevitra (hevitra ankapobeny, tahaka ny an' i Plôtinôsy na i Aogostino), ny isa (platônisma matematika an' ny aingam-panahy pitagôrisiana, toy ny an' i Iamblikôsy na ny an' i Lautman), na koa ny sanda ara-drijan-kevitra (lôjika) (ny lôjisisman' i Frege ohatra).

Ny platônisma dia iray amin' ireo valinteny azo omena, miaraka amin' ny nôminalisma (William of Ockham) sy ny kônseptoalisma (Pierre Abélard), momba ny fifandirana ny amin' ny zavatra na toetra mety ho hita ao amin' ny zavatra maro (atao hoe "universaux") izay mahakasika ny sata ôntôlôjikan' ny foto-kevitra (hevitra, isa na vontoatin' ny fehezan-kevitra).

Jereo koa hanova