Fanahy
Ny fanahy, araka ny karazam-pinoana sy fivavahana maro, dia zavatra manan-tsitrapo nefa tsy azo tsapain-tanana, izay mety ho hitan'ny maso indraindray, ka heverina fa manana hery tsy araka ny mahazatra, sady mety hampianjady ny hery sy ny fahefany amin'ny tontolo tsapa. Fanahy, ohatra, ny fanahin'ny olona maty, ny demony, ny andriamanitra, ny matoatoa, ny anjely, sns. Maro ireo taranja sy sehatra andinihana sy iresahana ny fanahy, ka isan'izany ny fivavahana, ny teôlôjia, ny finoana, ny angano, ny fomban-drazana, ny fanaovana mazia.
Karazana fanahyHanova
Ny fanahin'ny olombelona na fanahin'ny vatanaHanova
Ny fanahin'ny vatana dia fanahy fototry ny fahavelomana tsy azo tsapain-tanana, izay manetsika ny vatan' ny zavamananaina sy mahatonga azy hanana saina.
Ny matoatoa na angatraHanova
Ny angatra dia ny fanahin'ny olona maty izay miala aminy ka mandehandeha sy miseho amin'ny velona.
Ny andriamaitraHanova
Ny andriamanitra dia fanahy inoana manana hery mihoatra ny an'ny natiora ka atao hoe masina sady matetika anehoan'ny olombelona fanajana sy fatahorana manokana sady anaovany fanompoana ara-pivavahana.
Ny anjelyHanova
Ny anjely dia fanahy any an-danitra, izay irahin'Andriamanitra ho mpanelanelana azy sy ny olona ety ambonin'ny tany sady ho mpampita ny hafatra momba ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny olona.
Ny demonyHanova
Ny demony dia fanahy manana hery ratsy mahatonga ny fahaverezan'ny olombelona entiny hanao ny ratsy.