Ny skôlastika na skôlastisisma dia ny filôzôfia novolavolaina sy nampianarina tamin' ny Andro Antenatenany tany amin' ny oniversite: mikendry ny hampifanaraka ny filôzôfia grika (indrindra fa ny fampianaran' i Aristôty sy ny an' ny Peripatetisiana) amin' ny teôlôjia kristiana nolovaina tamin' ny Rain' ny Fiangonana sy tamin' i Anselme avy any Cantorbéry. Noho izany dia azo lazaina fa io no filôzôfian' ny Andro Antenatenany.

I Tômasy avy any Akoino, filôzôfa skôlastika (taona 1225-1274)