Gabôna

(tonga teto avy amin'ny Gabona)

I Gabôna dia firenena ao Afrika Afovoany, izay manana morontsiraka any amin' ny Ranomasimbe Atlantika, ka ny telo ampahefatra amin' ny velaran-taniny dia rakotra ala mikitroka. I Libreville no renivohiny. Mamaritra an' i Gabôna avy ao avaratra-andefana i Ginea Ekoatôrialy, ao avaratra i Kamerona, ao atsinanana sy ao atsimo ny Repoblikan' i Kôngô. Miankina tanteraka amin' ny solitany ny toekarenan' i Gabôna ka noho izany dia lalaovin' ny fiovaovan' ny vidin-tsolitany izany toekarena izany. Mirefy 267 667 km2 ny velaran-tanin’ i Gabôna. Atao hoe Gabôney ny vahoakan' io firenena io.

Sainan' i Gabôna
Mari-piandrianan' i Gabôna
Sarin-tanin' izao tontolo izao maneho ny toerana misy an' i Gabôna

Jeôgrafia hanova

Rano, vohon' ny tany, toetany ary zavamaniry hanova

Mivelatra amin’ ny faritra roa ny tanin’ i Gabôna: ny iray ampahatelo any atsinanana dia faritra iva manamorona ny morontsiraka izay mirefy 885 km; ny roa ampahatelo kosa dia ao amin’ ny lemak’ ny ny renirano Ogooué.

Rano hanova

Ny renirano Ogooué dia teraka ao Kôngô, mikoriana manamorona ny fehiben-tany, ary mivarina any amin’ ny Ranomasimbe Atlantika ao Port-Gentil.

Vohon' ny tany hanova

 
Vohon' ny tany ao Gabôna

Ao avaratra ireo tendrombohitra Cristal izay mahatratra 900 m sy ireo tendrombohitra Du Chaillu izay mahatratra 972 m ao atsimo. ireo antokon-tendrombohitra ireo dia sarahin' ny renirano Ogooué. Ireo tendrombohitra Cristal ireo dia mitohy any amin’ ny tampon’ ny tendrombohitra Mayombe. Ny tapany avaratra amin’ i Gabôna dia anjakan’ny tany lemaka sy ny havoana. Ny renirano Ogooué izay azo andehanana lakana hatrany N’Djolé ao amin’ ny fidirana ao amin’ io lemaka io dia mahazo rano avy amin’ ireo renorano madinika izay mipoitra avy ao amin’ny tangoron-tendrombohitra gabôney.

Toetany hanova

Toetanim-pehibe mafana sy mando ny toetanin’ i Gabôna. Miova kely ny mari-pana mandritra ny taona: 26 °C ny sala-maripana isan-taona, 21 °C ny sala-maripana any atsimo-adrefana (Port-Gentil, Lambaréné, Mouila, Tchibanga, Mayumba) fa 27° C kosa ny sala-maripana any amin' ny morontsiraka sy any afovoan-tany. Mety mahatratra 18° C ny farany ambany ary 36 °C ny farany ambnony. Mifandimby amin’ ny fizaran-taona maina roa (Mey-Septambra sy Desambra-Janoary) ny fozaran-taona mando (Febroary-Mey sy Septambra-Desambra). Mahatratra 2 515 mm ny salan-drotsakorana isan-taona ao Libreville renivohitra. Miova eo anelanelan' ny 1 500 mm (any avaratra-atsinanana sy ao amin' ireo faritry ny hivoka) sy 3 300 mm (any avaratra-andrefana) ny rotsak' orana ao Gabôna. Ny salan-kamandon' ny soson-drivotra dia eo amin' ny 85 % nefa mety mahatratra 100 % izany amin' ny fotoana mahabe orana.

Zavamaniry hanova

Mandrakotra ny 81,4 %n’ ny velaran-tanon’ i Gabôna ny alam-pehiben-tany, ka ala tsy tsy nisy nikitika ny no mandrakotra ny ankabeazan’ izany. Sady miteraka fahasahiranana noho ny fisakanany ny fifandraisana sy ny fifamoivoizana ny ala no harena lehibe koa noho ny fitrandrahana azy izay miteraka asa ho an’ ny mponina. Mamokatra karazan-kazo maro i Gabôna noho izany.

Manjaka ao amin’ ny faritra amorontsiraka ao atsimo amin’ ny ampahan’ ireo lohasahan’ i Nyagara sy ny faritr’i Ngounié ambony ary ny faritr’ i Ogooué ambony, ny hivoka.

Ny mponina hanova

Ny vahoaka gabôney hanova

 
Tanàn-dehibe ao Gabôna

Na dia vitsy mponina aza i Gabôna dia ahitana vondrom-poko miisa 40 any ho any, ka isan’ izany ny Andoma (Andouma), ny Kôta (Kota), ny Bateke (Bateké), ny Koele (Kwele), ny Mpôgoe (Mpogwe) ary ny Fanga (Fang). Ny Fanga izay monina ao avaratra no betsaka indrindra (mahatratra 1/3n’ ny mponina). Anarivony eo ny isan’ ny Pigmea izay mponina voalohany tao amin’ ny faritra misy an’ i Gabôna.

Ny habetsahan' ny mponina hanova

Tamin’ ny taona 2008 dia nahatratra 1 484 000 ny mponin’ i Gabôna. Firenena vitsy mponina i Gabôna izay manana hakotroka 5,8 mp/km2. Maro ireo mpiasa avy amin’ ny firenena hafa monina ao Gabôna (avy any Benîno, Borkina Fasô, Ginea Ekoatôrialy, Kamerona, Kôngô, Kôtidivoara, Maly, Nizeria, Senegaly). Ny mpiasa ambony ao amin’ ireo orinasa mpitrandraka solitany dia avy any Eorôpa, ka ny ankamaroan’ izany dia  Frantsay.

Maro koa irero Gabôney monina any ivelany (miisa 122 000 eo ho eo tamin’ ny taona 2008). Monina amorontsiraka ny ankamaroan’ ny mponin’ i Gabôna ka saika lao ny any afovoan-tany.

Ny fari-piainan' ny mponina hanova

Isan’ ireo manana fidiram-bola ambony indrindra isan’ olona manerana an’ i Afrika atsimon’ i Sahara i Gabôna noho ny havitsin’ ny mponina ao aminy sy ny vokatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ ny tany. Tsy mbola mandroso anefa ny fitsaboana sy ny fari-piainan’ ny mponina satria mbola ambony  ny taham-pahafatesan’ ny zaza (53 ‰ tamin’ ny taona 2008) ary ambany ny salam-pahaveloman’ ny olona (53,5 taona tamin’ ny 2008). 

Toekarena hanova

Miankina be amin' ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany ny toekaren' i Gabôna, indrindra ny solitany izay miantoka ny 50 %n’ ny harin-karena faobe sy ny 80 %n’ ny vokatra aondrany. Izany fidiram-bola amin’ ny alalan’ny fivarotana solitany izany miampy ny havitsian’ ny mponina no azo anazavana ny fahambonin’ ny PNB isan’ olona ao amin’io firenena io, izay isan’ ireo fitenena manana fari-piainanna ambony indrindra manerana an’ i Afrika atsimo’ i Sahara. Na dia izany az dia miaina ao anaty fahantrana ny 60 %n' ny mponina noho ny tsy fifandanjan’ ny fitsinjarana ny harem-pirenena.

Ny fambolena sy ny fitrandrahana hazo hanova

Ny fambolena hanova

Tsy mbola mandroso ny fambolena sy ny fiompiana ao Gabôna. Ny fambolena dia sahanin’ ny 51,6 %n’ ny mponina nefa tsy mamokatra afa-tsy ny 5 %n’ ny harin-karena faobe. Ny voly fihinanana an-toerana no tena imasoan’ ny mpamboly, ka isan’ ny volena amin’ amin’ izany ny mngahazo sy ny katsaka ary ny vary. Misy ihany ny fambolena kakaô sy kafe ary voanjo haondrana nefa tsy ampy izany. Izany no mahatonga an’ i Gabôna hiankin-doha ara-tsakafo amin’ ny any ivelany.

Fitrandrahana hazo hanova

Ny sehatr’asa voalohany dia misahana indrindra ny fitrandrahana hazo, isan’ izany ilay karazan-kazo malemy hanamboarana takela-lazo (ny ôkome) izay maha laharana voalohany an’ i Gabôna. Miezaka miaro ny alan-jana-pehin-tany i Gabôna tamin’ ny alalan’ ny namoronany valan-javaboarim-pirena manodidina ny folo, izay mandrakotra ny 10 %n’ ny valaran-tanin’ i Gabôna.

Harena an-kibon' ny tany sy ny orinasa vaventy hanova

Manana harena an-kibon’ ny tany betsaka i Gabôna, indrindra ny solitany. Ahitana firamainty, manganezy, oraniôma, volafotsy ary vy koa ny ao amin’ io firenena io.

Solitany hanova

Ny famokarana solitany no loharanom-bolan’ i Gabôna. Na dia izany aza dia nizaka ny fitontonganan’ ny famokarana solitany io firenena io noho ny faharitan’ ny tahirin-tsolitany any any ambanin’ ny tany. Ny solitany dia hadina avy amin’ ny otri-tsolitany amorontsiraka sy ambany ranomasina an’ i de Mandji sy Rabi-Kounga. Ny orinasa fanadiovan-tsolitany dia miorina ao Port-Gentil sy ao Pointe-Clairette. Ny ankamaroan’ ny fitrandrahana ny otri-tsolitany any Gabôna dia navela hosahanin’ ny orinasa frantsay ELF, izay nakambana tao amin’ ny TotalFinaElf.

Manganezy hanova

Laharana fahatelo i Gabôna amin’ ny famokarana manganezy maneran-tany, ka ny otrika manganezy amin’ izany dia ny an’i Moanda any amin’ ny tapany atsimo.

Vy, fôsfaty, volamena hanova

Isan’ ny harena an-kibon’ny tany any Gabôna koa ny vy any Mekambo sy any Belinga any avaratra-atsinanana. Mamokatra oraniôma koa i Gabôna izay manana tahiry tsy mitsaha-mihena. Misy koa ny tahirina fôsfaty sy volamena voajanahary.

Orinasa vaventy hanova

Ny sehatry ny orinasa vaventy dia mandroso: ny 15,8 %n’ ny mponina afaka miasa. Ny fanadiovana ny solitany sy ny fikarakarana ny vokatra hazo ary ny orinasa mpamadika ho sakafo ny vokatry ny fambolena no voakasika indrindra amin’ izany.

Ny sehatr' asa fahatelo hanova

Ny seha-pihariana fahatelo dia tsy dia mandroso sady mampiasa ny 30 %n’ ny mponina afaka miasa. Voasakantsakan’ ny ala sy ny toetany ny fotodrafitrasa momba ny fitaterana.

Ny fifanakalozana hanova

Ny farantsa CFA no vola ampiasain’ i Gabôna. Nihena anysasany ny sandan’ io vola io tamin’ ny taona 1994. Ny varotra ivelany dia mandroso sady ahazoana tombony. Ireto ny firenena manafatra entana amin’ i Gabôna: i Alemaina, i Britaina Lehibe, i Espaina, i Etazonia, i Frantsa,  i Italia, i Japàna ary i Nederlandy.

Fitaterana hanova

Manana lalana mirefy 917 km i Gabôna ka ny 10,2 % amin’ izany dia voarakotra tara. Misy ny lalalana midadasika avy any avaratra mankany atsimo mampitohy an’ i Loubomo amin’ i Kôngô ary an’ i Douala amin’ i Kamerona. Talohan’ ny taona 1970 dia lalam-by tokana no nampitohy an’ i M’Bindfa amin’ i Kôngô ary ny lalam-by mampitohy an’ i Pointe-Noire amin’ i Brazzaville.

Nanomboka tamin’ ny taona 1974 ny fanamboarana ny lalala mamakivaky an’ i Gabôna (Transgabonais) izay mirefy 697 km. Nisy ampahany avy eo anelanelan’ i Owendo sy i Booué izay vita tamin’ ny taona 1982, ary ny fanitarana izany mankany Masuku (Franceville) ao atsimo-atsinanana dia natomboka tamin’ ny taona 1986. Misy koa ny fikasana hanamboatra ny lalam-by natao hitaterana ny aloram-by avy ao avaratra-atsinanana. I Owendo sy i Port-Gentil no seranan-tsambo lehibe ao Gabôna. Ny renirano Ogooué si ireo rano hafa mivarina ao aminy (Ivindo sy Ngounie) dia azo itondrana lakana.

Toekarena ianjadian' ny olana avy any ivelany hanova

Miankina tanteraka amin' ny solitany ny toekarenan' i Gabôna ka noho izany dia lalaovin' ny fiovaovan' ny vidin-tsolitany izany toekarena izany izay efa nandalo fahasahiranana lehibe tamin' ireo taona 1990. Nisy ny fifanarahana tamin' ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena tamin' ny taona 2000 izay nampihenana ny fandaniam-bolam-panjakana. Natao koa ny famindrana amin' ny sehatra tsy miankina ny orinasam-panjakana maro sady nisy koa ny fampitomboana ny karazan' asa momba ny harena an-kibon' ny tany, ny fanamboarana fotodrafitrasa, ny fitrandrahana hazo, ny fizahàn-tany ary ny fambolena.

Ny kolontsaina hanova

Ny kolontsaina ao Gabôna dia fitambaran-tsinga mahasamihafa avy amin' ny kolontsaina nentim-paharazana sy ao koa ny kolontsaina nampidirina avy any ivelany.

Ny vahoaka ao Gabôna hanova

Ny foko ao Gabôna hanova

Ahitana vondrom-poko miisa manodidina ny 50 ny ao Gabôna ka isan' izany ny Fanga na Ekanga izay 32 %n' ny Gabôney, ny Mpôngoe (zana-pokon' ny Miene) izay mahatratra 15 %; ny Ôbamba na Mbede mahatratra 14 %; ary ny Pono izay mahatratra 12 %. Ao koa ny Gisira na Esira, ny Vily, ny Nzeby na Bazeby na Njeby, ny Bakôta na Kôta na Ikôta na Ba-Kôta, ny Vongo, ny Masangô na Masango, ny Teke, ny Miene, sns. Ny foko sasany dia tsy ahitana afa-tsy olona anjatony vitsy. Tsy hadinoina koa ireo foko pigmea.

Ny fiteny ao Gabôna hanova

Ny fiteny frantsay hanova

Ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialy sy fiteny enti-mapianatra ao Gabôna. Misy ny fianakaviana izay miteny frantsay ao an-trano rehefa miresaka amin' ny ankizy. Misy koa ireo ray aman-dreny izay manery ny zanany hampiasa ny fiteny afrikana rehefa ao an-trano fa ny fiteny frantsay kosa rehefa any an-tsekoly.

Ny fampianarana hanova

Tsy maintsy mamonjy sekoly ny zaza gabôney 6 hatramin' ny 16 taona. Ny 8 %n' ny zaza moanatra ihany anefa no afaka mankeny amin' ny anjerimanontolo teo anelanelan' ny taona 1998 sy 1999. Manana ny Oniversiten' i Omar Bongo izay naorina tamin' ny taona 1970 i Gabôna. Tamin' ny taona 2000 dia nahatratra 70,8 % ny tahan' ny olona mahay mamaky teny sy manoratra.

Ny fivavahana ao Gabôna hanova

Ny fivavahan-drazana hanova

 
Trano boity ao Mimongo any Gabôna

Manaraka ny fivavahan-drazana ny 11 %n' ny Gabôney. Ny fivavahan' ny vahoaka Babôngô (fivavahana boity - bwiti) no miely indrindra amin' ny fivavahan-drazana ao Gabôna. Misy vahoaka hafa izay manafangaro ny fivavahana boity amin' ny animisma sy ny fampianarana kristianisma ka manome endrika vaovao ny fivavahana boity amin' izao fotoana izao. Ireo fivavaham-poko hafa iza manam-pifandraisana amin' ny tonto ara-panoharan' ny saron-tava sy ny mozika ary ny dihy dia hita ao Gabôna. Ireto avy izy ireo: ny Ndjembé, ny Ndjobi, ny Mouiri na Mwiri, ny Mvett, ny Byeri ary ny Ikokhou.

Ny kristianisma hanova

 
Eglizy katôlia ao Donguila ao Ntoum

Manakaiky ny 79 %n' ny mponina ao Gabôna no kristiana ka ny 53 % amin' izany dia Katôlika ary ny sisa dia mitsinjara amin' ny Prôtestanta sy ny firehana hafa. Ny katôlisisma dia niorina tao Gabôna niaraka tamin' ny fanjanahan-tany pôrtogey tamin' ny taonjato faha-18, sady nitombo ka lasa maro anisa indrindra ao Gabôna tamin' ireo taona 1900. Tamin' ny fanombojahan' ny fanjanahan-tany frantsay dia tonga ny misiona avy any Paris teo anelanelan' ireo taona 1890 sy 1960. Tamin' ny fiantombohan' ny tenantenan' ny taonjato faha-20 no nitomboan' ny fivavahana ara-pilazantsara. Tamin' ny taona 2016 dia tafatsangana ara-panjakana ny Fangonana ôrtôdôksa.

Ny silamo hanova

 
Môske ao Port-Gentil

Vitsy ny Miozolmana ao Gabôna, izay eo amin' ny 10 %n' ny mponina, izay manaraka ny firehana sonita. Na dia ny Kristiana aza no maro anisa dia nampidirin' i Omar Bongo ao amin' ny Fikambanam-piaraha-miasan' ny firenena silamo (anglisy: Organisation of Islamic Cooperation) tamin' ny taona 1974.

Ny fivavahana sy fikambanana hafa hanova

Hita ao Gabôna koa ny framasônery, izay ahitana mpikambana maro ao amin' ireo mpitondra ara-pôlitika, sy ny fihetsiketsehana Rose-Croix.

Jereo koa hanova

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benîno - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe


Kôntinenta eto an-tany