Namibia
Republic of Namibia ((en)) | |||||
{{{nom_malgache}}} ((mg)) | |||||
| |||||
Teny ofisialy | anglisy[1] | ||||
Renivohitra | Windhoek 22°33′47″S 17°04′43″E / 22.563056°S 17.078611°E | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Windhoek | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha Praiminisitra |
Repoblika Nangolo Mbumba Saara Kuugongelwa-Amadhila | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 34 825 418 km² Azo tsy raharahiana | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 142 2 088 669 mpo. 2,5 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Namibianina, namibiana | ||||
Sandam-bola | Dollar namibiana (NAD )
| ||||
Faritr'ora | UTC +1 (heure d'été +2) | ||||
Hiram-pirenena | Namibia, Land of the Brave | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+264
|
I Namibia na Repoblikan' i Namibia dia firenena ao amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika, manana velaran-tany mirefy 824 269 km², manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika. Atao hoe Namibiana ny vahoakan' io firenena io. Ny firenena mamaritra an' i Namibia dia i Angôla any avaratra, ny Repoblikan' i Afrika Atsimo any atsimony, i Bôtsoana any atsinany ary i Zimbaboe sy i Zambia any avaratra-andrefany.
Ny renivohiny dia i Windhoek, renivohitry ny zanatany alemàna tamin' ny faritr' i Afrika Atsimo-Andrefana taloha. Ny dikan' ny teny hoe Windhoek amin' ny fiteny afrikansa dia "toerana tsofin' ny rivotra". Telo hetsy eo ho eo ny isa-mponina any Windhoek, izany hoe eo amin' ny 10 %n' ny mponina manontolo eo ho eo.
Atao hoe Namibia na Republic of Namibia izy amin' ny fiteny anglisy, Namibia na Republik Namibia amin' ny fiteny alemàna ary Namibië na Republiek van Namibië amin' ny fiteny afrikansa.
Ny faritra misy an' i Namibia ankehitriny dia nitondra ny anarana hoe Afrika Atsimo-Andrefana, zanatany alemàna, ary taty aoriana prôtektôratan' i Afrika Atsimo. Firenena mahaleotena i Namibia hatry ny 21 Martsa 1990.
Mizara faritra ara-jeôgrafia telo ny tanin’ i Namibia, dia ny tany efitr’ i Namib izay manaraka ny morontsiraky ny Ranomasimbe Atlantika, ny lembalemba afovoany izay manana haavo 1 000 m sy 2 000 m, ary ny tany efitr’ i Kalahari ao amin' ny sisin-tany atsinanana. Ony no manasaraka an' i Namibia amin' ireo firenena manodidina azy, ohatra: ny ony Orange manasaraka azy amin' i Afrika Atsimo, ny ony Zambeze amin' i Zambia. Manana toetany maina sy antonony i Namibia, karankaina any amin' ny tapany atsimo. Ny lembalemba afovoany dia rakotra hivoka anirian-kazo, fa ny avaratra kosa dia misy alabe. Ahitana biby isan-karazany ity firenena ity, ka anisan' izany ny elefanta, ny jirafa, ny liona, ny tokantandroka ary ny zebra.
Manana harenan an-kibon' ny tany betsaka i Namibia, ka hita ao, ohatra, ny diamondra, ny fanitso, ny firamainty, ny oranioma ary ny varahina) izay loharanon-karena voalohany (miantoka ny 65 %n' ny fanondranana entana). Be mpanjono koa ny vahoaka namibiana.
Kristiana ny ankamaroan' ny mponina ao Namibia. Maro ihany koa ireo manaraka ny fivavahan-drazana animista. I Namibia dia anisan’ ireo firenena misy mponina kely hakitroka indrindra aty Afrika (3 mp/ km²). Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialy any Namibia sady mikambana ao amin' ny Commonwealth ity firenena ity.
Jereo koa
hanovaFirenena ao Afrika:
Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe
Kôntinenta eto an-tany
- ↑ Andininy fahatelon'ny lalampanorenana