Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena

Ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena (frantsay: Fond Monétaire International – FMI; anglisy: International Monetary Fund – IMF) dia fikambanana ara-bola iraisam-pirenena ao amin' ny Firenena Mikambana, mampivondrona firenena miisa 190, manana ny foibeny any Washington, D.C. (Etazonia), izay manan-tanjona ny hampiroborobo ny fiaraha-miasa ara-bola iraisam-pirenena, hiantoka ny fahamarinan-toerana ara-bola, hanamora ny varotra iraisam-pirenena, handray anjara amin' ny asa, ny fahamarinan-toerana ara-toekarena ary fanalefahana ny fahantrana.

Foiben' ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena ao Washington, DC (Etazonia).

Ny miantoka ny fahamarinan-toeran' ny lamina ara-bola iraisam-pirenena sy ny fitantanana ny fahasahiranana ara-bola sy ara-pamatsiam-bola no andraikitry ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena araka izany. Mba hahatongavana amin' izany, ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena dia manome anto-pampisamboram-bola ho an' ny firenena miatrika fahasahiranana ara-bola, izay maha tandindomin-doza ny fandaminana ny governemanta ao amin' ny firenena, ny fahamarin-toeran' ny lamina ara-bola (banky, tsenam-bola) na ny raharaham-barotra amin' ny firenena hafa.

Mandritra ny fahasahiranana ara-bola, mba hisorohana ny tsy fahafahan' ny firenena iray na maro mamerina ny vola nindraminy intsony, na ny tsy fahafahany mandoa ny fandaniana amin' izao fotoana izao, dia mampindrana vola mandra-piverin' ny fitokisan' ny mpisehatra ara-toekarena (tokantrano, fikambanana ara-bola, orinasa, fanjakana) an' izany governemanta izany ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena. Ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena dia manao ny fampindramam-bola ho fepetra amin' ny fampiharana ny fanavaozana ara-toekarena sasany izay mikendry indrindra ny fandrindram-pitantanana eo amin' ny volam-panjakana (fitsabahana amin' ny fitantanam-bola) sy ny fanamorana ny fitomboan' ny toekarena voalanjalanja mandritra ny fotoana maharitra.

Noforonina tamin' ny taona 1944 ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena, ary nanomboka niasa tamin' ny 27 Desambra 1945, tao amin' ny Fihaonambe tao Bretton Woods (anglisy: Bretton Woods Conference; frantsay: Conférence de Breton Woods). Noforonina indrindra araka ny hevitr' i Harry Dexter White sy i John Maynard Keynes io tahirim-bola io, ka tonga tamin' ny fisiany ôfisialy tamin' ny taona 1945 izay nisy firenena mpikambana niisa 29, ary nanao tanjona ny fanarenana ny lamina ara-bola iraisam-pirenena. Manana anjara toerana lehibe eo amin' ny "fifandanjan' ny fanefam-bola" sy ny fahasahiranana ara-bola iraisam-pirenena izy ankehitriny.

Natao hiantohana ny fahamarinan-toeran' ny lamina ara-bola iraisam-pirenena ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena, ny firodanan' izany lamina izany taorian' ny "fianjerana tamin' ny taona 1929"[1] tokoa mantsy dia nisy fiantraikany ratsy teo amin' ny toekarena maneran-tany.

Taorian' ny taona 1976 sy taorian' ny fanjavonan' ny lamim-pifanakalozam-bola raikitra dia rava ny ankamaroan' ny antom-pisian' ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena sady nandova andraikitra vaovao manoloana ny olan' ny fahabokan-trosan' ny firenena an-dalam-pandrosoana sy manoloana ny fahasahiranana ara-bola sasany.

Ny firenena mpikambana ao amin' ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena dia mandrotsaka vola ho an' ny vondrona iray amin' ny alalan' ny lamina misy anjara latsakemboka (quota) izay ahafahan' ny firenena manana olana amin' ny "fifandanjana amin' ny fanefam-bola" mitrosa vola. Tamin' ny taona 2016 dia nanana zo fisarihana manokana SDR 477 lavitrisa (eo amin' ny 667 lavitrisa dôlara amerikana) ilay tahirim-bola (anglisy: special drawing rights -- SDR na XDR; frantsay: droits de tirage spécial -- DTS). Ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena dia heverina ho mpampindram-bola ihazakazahana farany indrindra manerantany raha misy ny fahasahiranana ara-bola eo amin' ny firenena iray.

Amin' ny alalan' ny famatsiam-bola sy ny hetsika hafa toy ny fanangonana sy fanadihadiana antontanisa, sy ny fanaraha-maso ny toekaren' ny mpikambana ao aminy, ary ny fitakiana pôlitika manokana, ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena dia miasa hanome todika ny toekaren' ny firenena mpikambana ao aminy.

Ny tanjon' ny fikambanana voalaza ao amin' ny "Andininy momba ny Fifanarahana" dia ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-bola iraisam-pirenena, ny varotra iraisam-pirenena, ny fisian' asa betsaka, ny fahamarinan-toeran' ny taham-pifanakalozana, ny fitomboana maharitry ny toekarena, ary ny fanomezana loharanon-karena ho an' ny firenena mpikambana ao anatin' ny fahasahiranana ara-bola.

Ny volan' ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena dia avy amin' ny loharano roa lehibe: ny anjara latsakemboka (quota) sy ny findramam-bola. Ny anjara latsakemboka (quota), izay vola natambatra avy amin' ny firenena mpikambana, no miteraka ny ankamaroan' ny volan' ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena. Miankina amin' ny lanjany ara-toekarena sy ara-bola eo amin' izao tontolo izao ny haben' ny anjara latsakemboka arotsaky ny mpikambana. Ny firenena manan-danja ara-toekarena lehibe kokoa dia manana anjara latsakemboka lehibe kokoa. Ampitomboina tsindraindray ny anjara latsakemboka ho fampisondrotana ny harenan' ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena amin' ny endrika "zo fisarihana manokana" (anglisy: special drawing rights -- SDR na XDR; frantsay: droits de tirage spécial).

Ny Tale mpitantana sy Filohan' ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena ankehitriny dia i Kristalina Georgieva, mpahay toekarena bolgariana, izay nitana an' io toerana io nanomboka tamin' ny 1 Ôktôbra 2019. I Gita Gopinath, mpahay toekarena indiana-amerikana, izay Lehiben' ny toekarena teo aloha, dia voatendry ho Tale mpitantana lefitra voalohany nanomboka ny 21 Janoary 2022. I Pierre-Olivier Gourinchas dia nisolo an' i Gopinath amin' ny maha Lehiben' ny toekarena azy tamin' ny 24 Janoary 2022.

Jereo koa hanova

Fanamarihana hanova

  1. Atao hoe "fianjerana tamin' ny taona 1929" ny fahasahiranana teo amin' ny tsenam-bola nitranga tao amin' ny New York Stock Exchange tamin' ny taona 1929, izay niteraka fahasahiranana ara-toekarena lehibe indrindra tamin' ny taonjato faha-20.