Ny fiteny frantsay no be mpiteny indrinra ao Gabôna. Nanomboka tamin' ny fahazoany ny fahaleovan-tenan' ny Gabôney no nielezan' ny fiteny frantsay manerana an' i Gabôna. Ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialy sy fiteny enti-mapianatra ary fitenin' ny raharaham-panjakana ao amin' io firenena io. Tsy nisafidy fiteny iray amin' ireo izay misy ao aminy i Gabôna fa ny fiteny frantsay no nosafidiny. Mihavery noho izany ireo fitenim-poko ao Gabôna vokatr' izany, indrindra ny ao Libreville izay onenan' ireo Afrikana hafa mpifindra monina miteny frantsay. Misy noho izany fianakaviana izay miteny frantsay ao an-trano rehefa miresaka amin' ny ankizy. Misy koa ireo ray aman-dreny izay manery ny zanany hampiasa ny fiteny afrikana rehefa ao an-trano fa ny fiteny frantsay kosa rehefa any an-tsekoly.

Manana ny mampiavaka azy manokana ny fiteny frantsay ao Gabôna izay manana ny fitenenany manokana izay vokatry ny fihasimban' ny teny frantsay na avy amin' ny fandikana teny avy amin' ny fitenim-poko gabôney, mba hahafahany milaza amin' ny fomba tandrify kokoa ny zava-misy ao an-toerana.

Jereo koa hanova