Jeôgrafian' i Gabôna

I Gabôna dia firenena ao amin' ny faritra afovoan' i Afrika, izay misokatra any amin' ny Ranomasimbe Atlantika, ka ny 3/4 amin' ny velaran-taniny dia rakotra ala mikitroka. I Libreville no renivohiny. Mamaritra an' i Gabôna avy ao avaratra-andefana i Ginea Ekoatôrialy, ao avaratra i Kamerona, ao atsinanana isy ao atsimo ny Repoblikan' i Kôngô. Miankina tanteraka amin' ny solitany ny toekarenan' i Gabôna ka noho izany dia lalaovin' ny fiovaovan' ny vidin-tsolitany izany toekarena izany. Mirefy 267 667 km2 ny velaran-tanin’ i Gabôna.

Rano, vohon' ny tany, toetany ary zavamaniry

hanova

Mivelatra amin’ ny faritra roa ny tanin’ i Gabôna: ny iray ampahatelo any atsinanana dia faritra iva manamorona ny morontsiraka izay mirefy 885 km; ny roa ampahatelo kosa dia ao amin’ ny lemak’ ny ny renirano Ogooué.

Ny rano voajanahary

hanova
 
Ny rano mikoriana ao Gabôna

Ny ony Ogooué

hanova

Ny velarantanin' ny ony Ogooué dia mahafaoka ny ankabeazan' ny velaran-tanin' i Gabôna. Izany no mahatonga ny anaran' ny faritany dimy amin' ny sivy hitondra ny anaran' io renirano io. Ny renirano Ivindo izay manondraka ny ampahefatry ny tanin' i Gabôna ao avaratra-atsinanana, sy i Ngounié no renirano lehibe mivarina ao amin' ny ony Ogooué. Ny renirano Ogooué dia teraka ao Kôngô, mikoriana manamorona ny fehiben-tany, ary mivarina any amin’ ny Ranomasimbe Atlantika ao Port-Gentil.

Ny renirano sy ony hafa

hanova

Ny velaran-tany tondrahan-drenirano faharoa dia ny an' i Nyagara, izay ony ao amin' ny faritra atsimo. Ny fahatelo dia ny an' i Komo izay mipoitra avy any Ginea Ekoatôrialy, izay iorenan' i Libreville. Ny renirano Ntem ao avaratra no manasaraka an' i Gabôna amin' i Kamerona.

Anarany Karazany Halavany Veleran-demaka
Ogooué ony 1 200 km 215 000 km2
Ivindo renirano 500 km 59 000 km2
Ngounié renirano 300 km 33 100 km2
Nyanga ony 600 km 22 000 km2
Komo (na Como) ony 230 km 5 000 km2

Vohon' ny tany

hanova
 

Misy karazany telo ny vohon' ny tany ao Gabôna: tany lemaka amin' ny morontsiraka ao andrefana sy ny tangoron-tendrombohitra ao avaratra-atsinanana ary ny lembalemba sy havoana ao avaratra-atsinanana.

Tany lemaka

hanova

Ireto ireo tany lemana ireo: ireo tany lemaka amorontsiraka (manana sakany 20 hatramin' ny 300 km) ao andrefana; ny lemaka sy ny lempona (lemak' i Nyagara sy Ngounié, lemak' i Lopé, lemaky ny faritr' ireo Farihy, manodidina an' i Lambaréré); ireo vinany an-dranomasina sy anatiny an' ny renirano Ogooué. Ny renirano Ogooué izay azo andehanana lakana hatrany N’Djolé ao amin’ ny fidirana ao amin’ io lemaka io dia mahazo rano avy amin’ ireo renorano madinika izay mipoitra avy ao amin’ ny tangoron-tendrombohitra gabôney.

Tangoron-tendrombohitra

hanova

Ireto koa ny tangoron-tendrombohitra: ireo tangoron-tendrombohitra izay ahitana ireo tendrombohitra Cristal ao avaratra-atsinan' i Libreville (mahatratra 900 m), ny tangoron-tendrombohitr' i Chaillu ao afovoany (manana tendro any amin' ny 1 020 m ao amin' ny tendrombohitra Milondo, mahatratra 972 m ao atsimo) (ireo antokon-tendrombohitra ireo dia sarahin' ny renirano Ogooué) ary ny tangoron-tendrombohitr' i Mayombe izay manaraka ny morontsiraky ny Ranomasimbe Atlantika amin' ny halavana 800 km. Ny tendrombohitra avo indrindra ao Gabôna dia i Bengoué (1 070 m) ao avaratra-atsinanana ao amin' ny faritanin' i Ogooué-Ivindo.

Lembalemba sy havoana

hanova

Ireo lembalemba sy havoana ireo dia ahitana an' ilay tamba-dembalemba ao avaratra-atsinanana (Woleu-Ntem sy Ogooué-Ivindo); ireo lembalemba Batéké, ao atsinanan' ny faritanin' i Haut-Ogooué, ahitana hivoka ao ampovoan' ala. Manana morontsiraka mirefy 885 km i Gabôna.

Toetany

hanova

Toetanim-pehibe mafana sy mando ny toetanin’ i Gabôna. Miova kely ny mari-pana mandritra ny taona: 26 °C ny sala-maripana isan-taona, 21 °C ny sala-maripana any atsimo-adrefana (Port-Gentil, Lambaréné, Mouila, Tchibanga, Mayumba) fa 27° C kosa ny sala-maripana any amin' ny morontsiraka sy any afovoan-tany. Mety mahatratra 18° C ny farany ambany ary 36 °C ny farany ambony. Mifandimby amin’ ny fizaran-taona maina roa (Mey-Septambra sy Desambra-Janoary) ny fozaran-taona mando (Febroary-May sy Sesptambra-Desambra). Mahatratra 2 515 mm ny salan-drotsakorana isan-taona ao Libreville renivohitra. Miova eo anelanelan' ny 1 500 mm (any avaratra-atsinanana sy ao amin' ireo faritry ny hivoka) sy 3 300 mm (any avaratra-andrefana) ny rotsak' orana ao Gabôna. Ny salan-kamandon' ny soson-drivotra dia eo amin' ny 85 % nefa mety mahatratra 100 % izany amin' ny fotoana mahabe orana.

Zavamaniry sy biby

hanova

Ny zavamaniry

hanova
 

Mandrakotra ny 81,4 %n’ ny velaran-tanon’ i Gabôna ny alam-pehiben-tany, ka ala tsy tsy nisy nikitika ny no mandrakotra ny ankabeazan’ izany. Sady miteraka fahasahiranana noho ny fisakanany ny fifandraisana sy ny fifamoivoizana ny ala no harena lehibe koa noho ny fitrandrahana azy izay miteraka asa ho an’ ny mponina. Mamokatra karazan-kazo maro i Gabôna noho izany.

Manjaka ao amin’ ny faritra amorontsiraka ao atsimo amin’ ny ampahan’ ireo lohasahan’ i Nyagara sy ny faritr’i Ngounié ambony ary ny faritr’ i Ogooué ambony, ny hivoka.

Araka ny tombana dia ny 77 % hatramin' ny 85 %n' ny velaran-tanin' i Gabôna dia rakotra ala, ka noho izany dia io firenena io no manana taham-belaran-tany rakotra ala lehibe indrindra aty Afrika.

Ny biby

hanova

Ny karazam-biby ao Gabôna dia maro dia maro noho ny alam-pehiben-tany mbola tsy be simba. Maro ireo karazam-biby arovana. Karazam-borona miisa 700, karazana sahona miisa 98, karazana bibilava miisa 95 hatramin' ny 160, karazana biby misy nono miisa 198 no mbola hita ao Gabôna. Ao amin' ny alan' i Gabôna no toerana ianinan' ny rajako simpanze tsy misy mpanelingelinba (miisa eo anelanelan' ny 27 000 sy 64 000 tamin' ny taona 2003) sy ny gôrila (miisa 35 000 tamin' ny taona 1983). Ao koa no fonenan' ny antsasaky ny isan' ny elefanta aty Afrika, izay mahatratra 22 000 tamin' ny taona 2005 ao amin' ny valan-javaboarim-pirenena Minkébé.

Ny mponina            

hanova

Ny habetsahan' ny mponina

hanova

Tamin’ ny taona 2008 dia nahatratra 1 484 000 ny mponin’ i Gabôna fa tamin' ny taona 2020 dia nahatratra 2 230 908 izany. Firenena vitsy mponina i Gabôna izay manana hakitroka 5,8 mp/km2. Tafiditra ao amin' ny faritra vitsy mponina eo amin' ny erana Gabôna-Kôngô i Gabôna, izay manana hakitroky ny mpoina ambany dia ambany (5,7 mp/km2 nefa i Afrika manontolo dia manana hakitroky ny mponina 27 mp/km2). Latsaky ny salany ny taham-pahaterahana isan-taona: tamin' ny taona 2010 dia 4,6 ny tondrom-pahaterahana ary ny taham-piromboan' ny mponina dia 2 % nefa 5,8 sy 2,8 % ny an' i Afrika atsimon' i Sahara.

Maro ireo mpiasa avy amin’ ny firenena hafa monina ao Gabôna (avy any Benîno, Borkina Fasô, Ginea Ekoatôrialy, Kamerona, Repoblikan' i Kôngô, Kôtidivoara, Maly, Nizeria, Senegaly). Ny mpiasa ambony ao amin’ ireo orinasa mpitrandraka solitany dia avy any Eorôpa, ka ny ankamaroan’ izany dia  Frantsay.

Maro koa irero Gabôney monina any ivelany (miisa 122 000 eo ho eo tamin’ ny taona 2008). Monina amorontsiraka ny ankamaroan’ ny mponin’ i Gabôna ka saika lao ny any afovoan-tany.

 

Ny fari-piainan' ny mponina

hanova

Isan’ ireo manana fidiram-bola ambony indrindra isan’ olona manerana an’ i Afrika atsion’ i Sahara i Gabôna noho ny havitsin’ ny mponina ao aminy sy ny vokatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ ny tany. Tsy mbola mandroso anefa ny fitsaboana sy ny fari-piainan’ ny mponina satria mbola ambony  ny taham-pahafatesan’ ny zaza (53 ‰ tamin’ ny taona 2008) ary ambany ny salam-pahaveloman’ ny olona (53,5 taona tamin’ ny 2008).

Jereo koa

hanova