Mponina ao Gabôna

Misy mponina miisa 2 230 908 i Gabôna izay monina amin' ny velaran-tany mirefy 267 667 km2 (velaran-tanin’ i Gabôna). Noho izany dia isan' ny firenena vitsy mponina io firenena io (manana hakitroka 5,8 mp/km2).

Ny vahoaka gabôney hanova

Na dia vitsy mponina aza i Gabôna dia ahitana vondrom-poko miisa 40 na 50 any ho any, ka isan’ izany ny Adoma (Andouma), ny Kôta (Kota), ny Bateke (Bateké), ny Koele (Kwele), ny Mpôgoe (Mpogwe) ary ny Fanga (Fang). Ny Fanga izay monina ao avaratra no betsaka indrindra (mahatratra ny 1/3n’ ny mponina). Anarivony eo ny isan’ ny Pigmea izay mponina voalohany tao amin’ ny faritra misy an’ i Gabôna.

Ahitana foko na vondrom-poko miisa manodidina ny 50 ny ao Gabôna. Ny misongadina amin' ny isa dia ireto: ny Fanga na Ekanga izay 32 %n' ny Gabôney, hita ao amin' ny faritra dimy amin' ny sivy, fa indrindra ao Woleu-Ntem (ao avaratra) sy ao amin' i Estuaire (faritr' i Libreville); ny Mpôngoe (zana-pokon' ny Miene) izay mahatratra 15 %; ny Ôbamba na Mbede mahatratra 14 %; ary ny Pono izay mahatratra 12 %.

Manarakaraka azy ireo ny Gisira na Esira, ny Vily, ny Nzeby na Bazeby na Njeby, ny Bakôta na Kôta na Ikôta na Ba-Kôta, ny Vongo, ny Masangô na Masango, ny Teke, ny Miene, sns. Ny foko sasany dia tsy ahitana afa-tsy olona anjatony vitsy. Raha ny kolontsaina no heverina dia misy amin' ireo foko ireo ny mifangaro amin' ny foko hafa ka mihavery ny fiteniny sy ny mampiavaka azy. Tsy hadinoina koa ireo foko pigmea.

Maro koa irero Gabôney monina any ivelany (miisa 122 000 eo ho eo tamin’ ny taona 2008). Monina amorontsiraka ny ankamaroan’ ny mponin’ i Gabôna ka saika lao ny any afovoan-tany.

Ny mpivahiny ao Gabôna hanova

Maro ireo mpiasa avy amin’ ny firenena hafa monina ao Gabôna (avy any Benîno, Borkina Fasô, Ginea Ekoatôrialy, Kamerona, Repoblikan' i Kôngô, Kôtidivoara, Maly, Nizeria, Senegaly). Ny mpiasa ambony ao amin’ ireo orinasa mpitrandraka solitany dia avy any Eorôpa, ka ny ankamaroan’ izany dia  Frantsay.

Ny habetsahan' ny mponina hanova

Tamin’ ny taona 2008 dia nahatratra 1 484 000 ny mponin’ i Gabôna. Firenena vitsy mponina i Gabôna izay manana hakotroka 5,8 mp/km2. Maro ireo mpiasa avy amin’ ny firenena hafa monina ao Gabôna (avy any Benîno, Borkina Fasô, Ginea Ekoatôrialy, Kamerona, Repoblikan' i Kôngô, Kôtidivoara, Maly, Nizeria, Senegaly). Ny mpiasa ambony ao amin’ ireo orinasa mpitrandraka solitany dia avy any Eorôpa, ka ny ankamaroan’ izany dia  Frantsay.

Maro koa irero Gabôney monina any ivelany (miisa 122 000 eo ho eo tamin’ ny taona 2008). Monina amorontsiraka ny ankamaroan’ ny mponin’ i Gabôna ka saika lao ny any afovoan-tany.

Ny fari-piainan' ny mponina hanova

Isan’ ireo manana fidiram-bola ambony indrindra isan’ olona manerana an’ i Afrika atsimon’ i Sahara i Gabôna noho ny havitsin’ ny mponina ao aminy sy ny vokatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ ny tany. Tsy mbola mandroso anefa ny fitsaboana sy ny fari-piainan’ ny mponina satria mbola ambony ny taham-pahafatesan’ ny zaza (53 ‰ tamin’ ny taona 2008) ary ambany ny salam-pahaveloman’ ny olona (53,5 taona tamin’ ny 2008).

Jereo koa hanova