Fianakaviam-piteny altaika

(tonga teto avy amin'ny Fiteny altaîka)

Ny fiteny altaika dia fianakaviam-piteny ao Eorazia (Eorôpa sy Azia), tenenina hatrany Torkia sy Môldavia ka hatrany Azia Atsinanana, mandalo an' i Azia Afovoany, an' i Siberia ary any amin' ny faritra farany atsinanana ao Rosia. Isan' io fianakaviam-piteny io ny fiteny torkika rehetra sy ny fiteny tongoza rehetra, ary koa ny fiteny kôreana sy ny fiteny japônika maro. Avy amin' ny anarana hoe Altai izay anaran' ny tandavan-tendrombohitra ao Azia Afovoany, izay mitsinjara amin' i Sina sy i Kazakstàna sy i Môngôlia ary i Rosia, ny hoe altaika.

Ny fitsinjara' ireo fiteny altaika. Manga: fiteny torkika; mena: fiteny tongoza; mavo: fiteny koreana; vollomparasy: fiteny japonika; mena antitra: fiteny aino

Mifanaraka ny mpahay teny amin' ny fisian' ny toetoetra iombonan' ny fiteny ao amin' ity fianakaviam-piteny ity, izay mahakasika ny fanasokajiana ara-drafitra sy ara-boambolana, nefa tsy mifanaraka amin' ny fanazavana azo omena izy ireo ny amin' izany. Tamin' ny taonjato faha-19 dia noheverina fa tarana-piteny iray razana ireo fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny altaika ireo. Tamin' ny antsasany faharoa amin' ny taonjato faha-20 anefa dia nihevitra ny mpahay teny maro fa izany fifanahafana izany dia vokatry ny fifampikasohan' ny mpiteny ireo fiteny ireo nandritra ny taonjato maro, izay mety niteraka fifampidramana toetra: ny fiteny altaika dia mety vondrom-piteny ara-jeôgrafia tany aloha. Mitohy izany tsy fitovoan-kevitry ny mpahay teny izany hatramin' izao.

Ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny altaika hanova

Amin' ny hevitra mifintin' ny anaran' ilay fianakaviam-piteny dia mahafaoka vondrom-piteny (na sampam-piteny) telo izany, dia fiteny torkika, ireo fiteny môngôlika ary ireo fiteny tongoza. Heverina koa fa tafiditra ao ny fiteny kôreana sy ny fiteny japônika.

Fianakaviam-piteny torkika hanova

Ny fianakaviam-piteny torkika dia fianakaviam-piteny ahitana fiteny miisa manodidina ny 30 mitsinjara ao amin' ny faritra malalaka izay mivelatra avy any Eorôpa Atsinanana ka hatrany andrefan' i Sina sy avy any Kiprôsy (na Sipra) hatrany Siberia, ka ny fiteny tiorka sy fiteny azery ary ny fiteny ozbeka no be mpiteny indrindra amin' izany. Ireto avy ny fiteny lehibe ao amin' io fianakaviam-piteny io miaraka amin' ny isan' ny olona miteny azy avy:

Fiteny môngôlika hanova

Ny fianakaviam-piteny môngôlika dia fianakaviam-piteny any Azia Avaratra sy any Azia Afovoany. Isan' ny fiteny môngôlika ny fiteny môngôly (na môngôliana) izay tetenina ao Môngôlia sy ao Môngôlia Anatiny. Fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny môngôlika ny fiteny oirata tetenina ao amin' ny tapany avaratra andrefan' i Sina, izay atao hoe fiteny kamika na fiteny kalmoka na fiteny kalmokia ao Rosia, ny fiteny boriata ao Boriatia any Rosia sy any avaratr' i Môngôlia sy Môngôlia Anatiny, ary ny fiteny môgôly any Afganistàna.

Fianakaviam-piteny tongoza hanova

Ny fianakaviam-piteny tongoza dia fianakaviam-piteny ao Azia Avaratra sy Azia Atsinanana, izay tenenin' ireo vahoaka tongoza. Mitsinjara ho sampam-piteny telo io fianakaviam-piteny io, dia ny sampam-piteny tongoza avaratra sy ny sampam-piteny tongoza atsimo-andrefana ary ny sampam-piteny tongoza atsimo-atsinanana.

Ny fiteny kôreana sy ny fiteny japônika hanova

Efa nanomboka amin' ny taona 1960 no nieritreretan' ny mpahay teny ny hanakambana ny fiteny kôreana sy ny fiteny japônika maro (ahitana ny fiteny japôney sy ny fiteny roikio) amin' ny fianakaviam-piteny altaika. Ny fiteny aino (izay notenenina tao Hokkaido sy Sakhalina ary ao amin' ireo nosy Korila) dia indraindray ampifanakaikezina amin' ny fiteny altaika, nefa heverin' ny maro fa fiteny manirery izy.

Fiteny kôreana hanova

Ny fiteny kôreana dia fiteny tenenina any Kôrea ary eny amin' ny faritra moron-tsisintanin' ny Repoblika Entim-bahoakan' i Sina (any Yanbian) ary amin' ny fikambanana kôreanina any ivelan-tanindrazany (Beijing, Shandong, Rosia, Aostralia, Etazonia, Frantsa, sns.). Io teny io no teny ofisialin' i Kôrea Avaratra sy Kôrea Atsimo.

Fiteny japônika hanova

Ny fiteny japônika dia fianakaviam-piteny madinika izay mamondrona ny fiteny japôney sy fitenim-paritra maro hafa ao Japàna toy ireo fiteny riokio.

Jereo koa hanova

Fianakaviam-piteny lehibe hanova

Vondrom-pianakaviam-piteny hanova