Ny fiteny baskira dia fiteny torkika ao amin' ny sampana kiptsaka. Fiteny ôfisialy miaraka amin' ny fiteny rosiana izy ao Bashkortostan. Olona miisa 1,6 tapitrisa eo ho eo no miteny izany ao Rosia, ary koa any Okraina, any Belarosia, any Kazakstana, any Ozbekistana, any Estônia ary any amin' ny firenena hafa tao amin' ny Firaisana Sôvietika taloha, ary eo amin' ny diaspôra baskira. Misy vondrona telo fitenim-paritra: ny atsimo sy ny atsinanana ary ny avaratra-andrefana.

Jereo koa hanova