Vondrom-piteny kôisàna

Ny fiteny kôisàna na fiteny kôizàna dia vondrom-piteny tenenin'ny vahoaka koikoy (na hoihoy) sy ny vahoaka sàna ao amin'ny faritra atsimo ao Afrika, indrindra ao Bôtsoana, ao Namibia, ao amin'ny faritanin'i Noord-Kaap ao Afrika Atsimo, ary ao amin'ny tapany atsimon'i Angôla.

Khoi-San.png

Ny fiteny koisàna dia miavaka noho ny fampiasany renifeo atao hoe klika. Ny fiteny kongekoka dia mampiasa karazana klika mihoatra ny 50 amin'ny hasim-peo miisa 140.

Tsy mamorona fianakaviam-piteny tokana ireo fiteny koisàna ireo nefa azo zaraina ho fianakaviam-piteny telo miavaka tsara, afa-tsy ny fiteny hadza sy ny fiteny sandaoe izay heverina fa fiteny manirery. Ny teny hoe kôisàna dia teny enti-manondro ireo fiteny rehetra ao Afrika misy klika sady tsy mifamatotra amin'ireo fianakaiam-piteny telo lehibe fantatra tsara ao amin'io kontinenta io, dia ny fiteny afrô-aziatika sy ny fiteny nilô-sahariana ary ny fiteny nizerô-kôngôley. Ny fiteny kôisàna be mpiteny indrindra dia ny fiteny kôikôy (na fiteny hôihôy), fitenin'ny foko Nama, izay isan'ireo folo lehibe ao Namibia.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]Hanova

Fianakaviam-piteny ao AfrikaHanova

Fianakaviam-piteny lehibeHanova

Vondrom-pianakaviam-pitenyHanova