Fianakaviam-piteny môngôlika

Ny fiteny môngôlika dia fianakaviam-piteny any Azia Avaratra sy any Azia Afovoany. Matetika dia ampifanakaikezina amin' ireo fiteny torkika sy ireo fiteny tongoza ao amin' ny fianakaviambem-piteny altaika izy ireo nefa tsy miombon-kevitra ny amin' izany ny mpahay teny maro. Anisan' ny fiteny môngôlika ny fiteny môngôly (na môngôliana) izay tetenina ao Môngôlia sy ao Môngôlia Anatiny.

Fiparitahana ara-jeôgrafian' ny fiteny môngôlika

Fiteny hafa ao amin' ny fianakaviam-piteny môngôlika ny fiteny oirata tetenina ao amin' ny tapany avaratra andrefan' i Sina, izay atao hoe fiteny kamika na fiteny kalmoka na fiteny kalmokia ao Rosia, ny fiteny boriata ao Boriatia any Rosia sy any avaratr' i Môngôlia sy Môngôlia Anatiny, ny fiteny môgôly tany Afganistàna.

Fanasokajiana ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny môngôlika hanova

Tsy mifanaraka ny mpahay teny momba ny fanasokajiana ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny môngôlika. Ity omena eto ity dia ny nataon' i Janhunen (2006), afa-tsy ny fiteny môngôlika atsimo izay nataon' i Nugteren (2011).

  • fiteny dagora (mpiteny miisa 96 000)
  • fiteny môngôlika afovoany
    • fiteny kamnigana (mpiteny miisa 2 000)
    • fiteny boriata (mpiteny miisa 330 000)
    • fiteny môngôliana (mpiteny miisa 5,2 tapitrisa)
      • fitenim-paritra atsinanana sy afovoany
        • fiteny kalka
        • fiteny tsakara
        • fiteny kôrtsina
    • fiteny ôrdôsy (mpiteny miisa 123 000)
    • fiteny ôirata (anisany ny fiteny kalmika) (mpiteny miisa 360 000)
  • fiteny môngôlika atsimo (ampahany amina sprachbund Gansu–Qinghai, fihaonam-piteny tsy iray fianakaviana)
    • fiteny sira iogora (mpiteny miisa 4 000)
    • fiteny sirôngôlika
      • fiteny môngoôra (mpiteny miisa 150 000)
      • fiteny bônana (mpiteny miisa 6 000)
      • fiteny santa (Dongxiang) (mpiteny miisa 200 000)
      • fiteny kangjia (mpiteny miisa 1 000)
  • fiteny môgôly (fiteny maty)

Jereo koa hanova

Fianakaviam-piteny altaika: