Fianakaviam-piteny tay-kaday

Ny fiteny tay-kaday dia fianakaviam-piteny izay nantsoina hoe fiteny daîka tany aloha, izay ahitana fiteny miisa zato any ho any izay tenenina ao amin'ny saikanosin'i Indosina sy any amin'ny faritra atsimo ao Sina ary tetenin'ny olona miisa 100 000 000 any ho any.

Fitsinjaràn'ny fiteny ao amin'ny fianakaviana tay-kaday

Taloha ireo fiteny tay-kaday dia nosokajina ho isan'ny fianakaviam-piteny sino-tobetàna, nefa tsy ny voambolana fototra no nanorenana izany fanasokajiana izany fa ny fisian'ny voanteny nifampindramana. Misy koa ireo mpahay teny izay te hampifanatona ny fiteny tay-kaday amin'ny fiteny aostroneziana noho ny fahitana mpisolo, anaran'ny isa, anaran'ny fizaràn'ny vatana izay mitovy amin'ny an'ny fiten yaostroneziana, nefa voanteny nifampindramana koa izany.

Ny sampan'ny fianakaviam-piteny tay-kadayHanova

Ny fianakaviam-piteny tay-kaday dia mizara sampam-piteny maro, dia ny sampam-piteny kam-tay, ny sampam-piteny hlay, ary ny sampam-piteny kaday.

Ny sampam-piteny kam-tayHanova

Ny sampam-piteny kam-tay dia mizara ho zana-tsampam-piteny kam-soy sy zana-tsampam-piteny lakja-be ary zana-tsampam-piteny tay.

Ny sampam-piteny hlayHanova

Ny sampam-piteny hlay dia ahitana ny fiteny hlay sy ny fiteny kona.

Ny sampam-piteny kadayHanova

Ny sampam-piteny kaday dia ahitana ny fiteny latsy, ny fiteny gelao, ny fiteny boianga, ny fiteny laha, ny fiteny kabiao ary ny fiteny ena.

Jereo koaHanova

Fianakaviam-piteny lehibeHanova

Vondrom-pianakaviam-pitenyHanova