Ny fiteny riokio dia fiteny maro tetenina ao amin' ireo nosy Ryūkyū sady ao amin' ny fianakaviam-piteny japônika. Ireo nosy Ryūkyū ireo dia misy ponina 1 000 000 any ho any, nefa vitsy an'isa ireo afaka miteny riokio. Andalam-pannjavonana ny fiteny riokio ankehitriny ka hosoloan' ny fiteny japôney. I Japana dia mihevitra ireo fiteny riokio ireo ho endriky ny fiteny japôney isam-paritra fa tsy fiteny hafa noho ny fiteny japôney. Ny ankamaroan' ny mpikaroka anefa mitsipaka izany fiheverana izany. Iray amin' ny sampana roan' ny fiteny japônika izay mahafaoka koa ny fiteny japôney sy ny fitenim-paritr' ity fiteny ity. Anjatony maro ny mpiteny riokio ka ny fiteny ôkinaoaiana no be mpiteny indrindra. Ny fiteny riokio sy ny fiteny japôney dia nisaraka nandritra ireo taonjato voalohany, teo anelanelan' ny taonjato faha-3 sy faha-4. Ny fifindrà-monin' ny mpiteny japônika nankany amin' ny nosy Ryūkyū anefa tsy niseho raha tsy tamin' ny taonjato faha-10, taorian' ny taonjato maro nifandraisana tamin' ny fiteny japôney tao amin' ny nosy Kyūshū. Ny maha mpihavana ireo fiteny riokio sy ny fiteny japôney dia voaporofon' i Basil Hall Chamberlain tamin' ny taonjato faha-19 araka ny fitsipiteny ampitahaina eo amin'ny fiteny japôney sy ny fiteny ôkinaoaiana.

Ireo nosy Ryūkyū
Ireo nosy Ryukyu eo anelanelan' i Japàna sy i Taioana.

Ireto ireo fiteny riokio ireo: fiteny amamy atsimo, fiteny kikay, fiteny amamy avaratra, fiteny tôko-nô-sima, fiteny ôki-nô-erabo, fiteny ôkinaoaiana, fiteny konigamy, fiteny iôrôna, fiteny miiakô, fiteny iaeiama ary fiteny iônagony.

Jereo koa hanova

Fianakaviam-piteny lehibe hanova

Vondrom-pianakaviam-piteny hanova