Fiteny aostrôneziana
Ny fiteny aostrôneziana dia ireo fiteny tenenina eto Madagasikara, any Azia Atsimo Andrefana, ao amin'ny ranomasimbe Pasifika ary any Taioàna. Ny isan'ireo fiteny aostrôneziana manerana izao tontolo izao dia eo amin'ny 1 268, izany hoe vondrom-piteny faharoa raha ny isan'ny fiteny no heverina, aorian'ireo fiteny nizerôkôngôley.
Ny anarana hoe aostrônezia, izay avy amin'ny teny latina hoe auster (midika hoe "rivotra atsimo") sy ny teny grika hoe νῆσος / nêsos (izay midika hoe "nosy") dia midika ara-bakiteny hoe "nosin'ny rivotra atsimo".
Miisa roa ny zana-tsokajin'ny fiteny asotrôneziana: ny fiteny fôrmôzana, izay tenenina ao Taioàna, sy ny fiteny malaiô-pôlineziana any amin'ny toerana hafa ankoatr'i Taioàna. Ny nipoiran'ireo fiteny ireo dia tokony ho tao amin'ny tendrony atsimo atsinanan'i Sina na Fôrmôzy (Taioàna) izay mbola ahitana mponina miteny aostrôneziana. Ireo fiteny melaneziana, izay tokony ho isan'ny fiteny aostrôneziana, dia tsy nafangaron'ny mpahay fiteny noho ny antony ara-bolonkoditra.
Raha jerena ny toetr'ireo fiteny ireo dia hita fa azo sokajina roa araka ny fampisampanan-teny sy fanakambanan-teny ao aminy:
- ny fampisampanan-teny amin'ny alalan'ny fanampiana tovona sy tovana sy tsofoka ary tsirinteny sara-droa (tovona sy tovana miaraka) amin'ny fototeny,
- ny fisian'ny teny verindroa,
ary ny rafi-peo izay tsotsotra (vitsy ny renifeo sy ny zanapeo, vitsy na tsy misy ny tamba-drenifeo sarotra tononina, fehezanteny ahitana rindram-peo, sns).
Jereo koaHanova
Fianakaviam-piteny lehibeHanova
- Fianakaviam-piteny afrô-aziatika
- Fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley
- Fianakaviam-piteny nilô-sahariana
- Fianakaviam-piteny indô-eorôpeana
- Fianakaviam-piteny oraliana
- Fianakaviam-piteny dravidiana
- Fianakaviam-piteny sinô-tibetana
- Fianakaviam-piteny aostrôaziatika
- Fianakaviam-piteny aostrôneziana
- Fianakaviam-piteny hmông-miena
- Fianakaviam-piteny tay-kaday
- Fianakaviam-piteny japônika
- Fianakaviam-piteny na-dene
- Fianakaviam-piteny eskimô-aleota