Fianakaviam-piteny oraliana
Ny fiteny oraliana dia fianakaviam-piteny ahitana fiteny miisa manodidina ny 30 izay tetenin' ny olona miisa 20 000 000 any ho any ao Eorôpa sy any Siberia. Ny fiteny oraliana be mpiteny indrindra dia ny fiteny hongariana, ny fiteny finoà ary ny fiteny estôniana. Ny hoe oraliana dia avy amin' ny anaran' ny tendrombohitra Oraly, izay heverina fa nipoiran' io fianakaviam-piteny io.
Mizara ho sampana roa ny fiteny oraliana dia ny sampana finô-ogriana sy ny sampana samôieda.
Ny fiteny finô-ogriana
hanovaNy fiteny finô-ogriana dia fianakaviam-piteny tenenin' ny olona ao Eorôpa, ao amin' ny faritra midadasika avy any amin' ny Ranomasina Baltika sy avy any amin' ny tapany avaratr' i Skandinavia hatrany amin' ny tendrombohitra Oraly sy any Don. Miisa 25 000 000 any ho any ny mpiteny finô-ogriana. Ny fiteny finô-ogriana sasany dia nanjavona tsy misy mpiteny intsony tamin' ny taonjato faha-20 ary maro amin' ireo fiteny ireo no tandindomim-pahafatesana ankehiriny.
Ny fiteny samôieda
hanovaNy fiteny samôieda dia fianakaviam-piteny tetenin' ny olona miisa latsaky ny 40 000 amin' ny ilany roa amin' ny tendrombohitra Oraly
Jereo koa
hanovaFianakaviam-piteny lehibe
- Fianakaviam-piteny afrô-aziatika
- Fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley
- Fianakaviam-piteny nilô-sahariana
- Fianakaviam-piteny indô-eorôpeana
- Fianakaviam-piteny oraliana
- Fianakaviam-piteny dravidiana
- Fianakaviam-piteny sinô-tibetana
- Fianakaviam-piteny aostrôaziatika
- Fianakaviam-piteny aostrôneziana
- Fianakaviam-piteny hmông-miena
- Fianakaviam-piteny tay-kaday
- Fianakaviam-piteny japônika
- Fianakaviam-piteny na-dene
- Fianakaviam-piteny eskimô-aleota
Vondrom-pianakaviam-piteny