Vondrom-piteny paleô-siberiana
(tonga teto avy amin'ny Vondrom-piteny paleo-siberiana)
Ny fiteny paleô-siberiana na paleô-aziatika na hiperbôreana dia vondrom-piteny ahitana fianakaviam-piteny madinika efatra ao amin' ny tapany atsinanan' i Siberia. Ireto avy ireo fianakaviam-piteny ao amin' io vondrona paleo-siberiana io:
- ny fianakaviam-piteny ieniseiana (ahitana ny fiteny keta sy ny fiteny ioga; ny ankamaroany dia fiteny maty);
- ny fianakaviam-piteny tsoktsa-kamtsadala (na loôravetlàna na tsokotko-kamtsatkàna) (ahitana ny fiteny tsoktsa, ny fiteny aliotora, ny fiteny koriaka, ny fiteny kereka ary ny fiteny itelmena na kamtsadala);
- ny fiteny nivke (na giliàka, fiteny manirery).
- ny fiteny iokagiry (fiteny manirery).
- ny fianakaviam-piteny eskimô-aleota (indraindray ampidirina ao)
- ny fianajaviam-piteny aino (indraindray ampidirina ao)
Jereo koa
hanovaFianakaviam-piteny lehibe
hanova- Fianakaviam-piteny afrô-aziatika
- Fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley
- Fianakaviam-piteny nilô-sahariana
- Fianakaviam-piteny indô-eorôpeana
- Fianakaviam-piteny oraliana
- Fianakaviam-piteny dravidiana
- Fianakaviam-piteny sinô-tibetana
- Fianakaviam-piteny aostrôaziatika
- Fianakaviam-piteny aostrôneziana
- Fianakaviam-piteny hmông-miena
- Fianakaviam-piteny tay-kaday
- Fianakaviam-piteny japônika
- Fianakaviam-piteny na-dene
- Fianakaviam-piteny eskimô-aleota