Fianakaviambem-piteny nizerô-kôngôley

(tonga teto avy amin'ny Fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley)

Ny fiteny nizerô-kôngôley na fiteny nizer-kôngô dia vondrom-pianakaviam-piteny afrikana maro mpiteny indrindra sady miparitaka amim-beleran-tany midadasika indrindra. Ny ankamaroan' ny fiteny afrikana dia ao amin' io fianakaviam-piteny io, izay ahitana fiteny miisa 1.525, izany hoe 21 % amin' ny isan' ny fiteny maneran-tany, ka izy no mitana ny laharana voalohany raha ny isan' ny fiteny ao aminy no heverina. Olona miisa 459 tapitrisa any ho any no miteny nizerô-kôngôley, izany hoe ny 7 % amin' ny mponina maneran-tany, ka ny antsasaky ny isan' ireo fiteny ireo dia tenenin' ny olona miisa tsy latsaky ny 29 000 isaky ny fiteny avy. Miavaka ny fiteny nizerô-kôngôley amin' ny fisian' ny kilasin' anarana. Anisan' ny fiteny nizerô-kôngôley, ohatra, ny fiteny iôroba sy ny fiteny igbô sy ny fiteny oôlôfo (na vôlôfo) ary ny fiteny soahily.

Sarintany maneho ny faritra misy ny mpiteny nizerô-kôngôley

Mizara fianakaviam-piteny 15 ny vondrom-pianakaviam-piteny nizerô-kôngôley, dia

  1. ny fianakaviam-piteny katla.
  2. ny fianakaviam-piteny rasada.
  3. ny fianakaviam-piteny ijoida
  4. ny fianakaviam-piteny dôgôna.
  5. ny fianakaviam-piteny mande, ka anisan' izany ny fiteny bambara, ny fiteny diola, ny fiteny malinke, ny fiteny soso, ny fiteny mende, ny fiteny kpele, ny fiteny sôninke ary ny fiteny dana.
  6. ny fianakaviam-piteny lafofa.
  7. ny fianakaviam-piteny talody-heibàna.
  8. ny fianakaviam-piteny atlantika, anisan' izany ny fiteny folany.
  9. ny fianakaviam-piteny kro.
  10. ny fianakaviam-piteny senofô, ka anisan' izany ny fiteny sebaara, ny fiteny mamara ary ny fiteny sopiire.
  11. ny fianakaviam-piteny gora, anisany ny fiteny more.
  12. ny fianakaviam-piteny adamaoa-obangiana, anisany ny fiteny momoie.
  13. ny fianakaviam-piteny koa, anisany ny fiteny akàna, ny fiteny eoe, ny fiteny baole, ny fiteny fongbe, ny fiteny ga ary ny fiteny agny.
  14. ny fianakaviam-piteny vôltaika-nizeriana, anisany ny fiteny iôroba, ny fiteny edo, ny fiteny igbô, ny fiteny nope ary ny fiteny idoma.
  15. ny fianakaviam-piteny benoe-kôngôley.

Marihina fa mbola azo avondrona anaty vondrom-piteny atao hoe fiteny atlantika-kôngôley ny fianakaviam-piteny lafofa, talody-heibàna, atlantika, kro, senofo, gora, adamaoa-obangiana, koà, vôltaika-nizeriana ary benoe-kôngôley. Azo avondrona ao amin' ny atao hoe fiteny vôltaika-kôngôley koa ny fianakaviam-piteny kro, senofo, gora, adamaoa-obangiana, koà, vôltaika-nizeriana ary benoe-kôngôley.

Jereo koa hanova

Fianakaviam-piteny ao Afrika:

Fianakaviam-piteny lehibe

Vondrom-pianakaviam-piteny

Hafa