Fianakaviam-piteny tongoza
Ny fiteny tongoza na fiteny tongozy na fiteny tongozika dia fianakaviam-piteny ao Azia Avaratra sy Azia Atsinanana, izay tenenin' ireo vahoaka tongoza. Matetika dia ampifanakekezina amin' ireo fiteny torkika sy ireo fiteny môngôlika izy ireo mba hamorona ny fianakaviambem-piteny altaika nefa maro ny mpahay teny mitsipaka izany.
Mitsinjara ho sampam-piteny telo io fianakaviam-piteny io, dia ireo fiteny tongoza avaratra sy ireo fiteny tongoza atsimo-andrefana ary ireo fiteny tongoza atsimo-atsinanana.