Firaisan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietika

(tonga teto avy amin'ny Firaisana Sôvietika)

Ny Firaisan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietika (FRSS), na Firaisana Sôvietika (amin' ny fiteny rosiana: Союз Советских Социалистических Республик / Soyuz Sovietskikh Sotsialistichestikh Respublik) dia Fanjakana federaly, nahitana repoblika sôsialista sôvietika 15, izay nisy nanomboka tamin' ny 30 Desambra 1922 hatramin' ny fanjavonany tamin' ny 26 Desambra 1991. Môskoa no renivohitra.

Flag of the Soviet Union.svg
Union of Soviet Socialist Republics (orthographic projection).svg

Iray ampahaenin' ny velarantany manontolon' ny tany maina ilay firenena izay firenena nidadasika indrindra teto amin' izao tontolo izao. Nandova ny tanin' ny Empira Rosiana izy, afatsy i Finlandy ary Pôlônia izay lasa firenena mahaleotena taorian' ny ady an-trano rosiana tamin' ny 1918 hatramin' ny 1921.