Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena

Ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena dia fikambanana iraisam-pirenena ahitana firenena sivy amin' ny repoblika sôvietika dimy ambin' ny folo teo aloha. Amin' ny teny rosiana izy dia atao hoe Содружество Независимых Государств / Sodrujestvo Nezavissimykh Gossudarstv, fa amin' ny teny anglisy kosa dia Commonwealth of Independent States, ary amin' ny teny frantsay dia Communauté des États indépendants. na Confédération des États indépendants.

Sary famantaran' ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena

Izy io dia naorin' ny fanjakana telo mpanorina ny Firaisana Sôvietika, dia i Rosia sy i Belarosia ary i Okraina, tamin' ny sonia tamin' ny 7 sy 8 Desambra 1991 tao amin' ny trano fonenana Viskouly ao amin' ny alan' i Białowieża, any Belarosia, ny Fifanarahana momba ny fananganana ny ny "Firaisan' ny Fanjakana manana ny fiandrianany" (frantsay: Union des États souverains), fantatra ihany koa amin' ny hoe "Fifanarahana tao Belovejskaya". Ity fifanarahana ity dia novana ho ny "Fifanarahana momba ny fananganana ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena".

Ny tanjon' ny fananganana ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena dia ny hanamarika ny fiafaran' ny fisian' ny Firaisana Sôvietika amin' ny maha fikambanana iharan' ny lalàna iraisam-pirenena azy sy amin' ny maha zava-misy ara-jeôpôlitika azy ary hitahiry ny fifandraisana misy teo amin' ireo firenena vaovao ho avy.

Amin' ireo repoblika sôvietika dimy ambin' ny folo teo aloha, ny roa ambin' ny folo no niditra tao amin' ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena, ka ny efatra amin' izany dia niala tao tamin' ny taona 2023 (Jeôrjia, Torkmenistàna, Okraina, Môldavia). Ireo repoblika sôvietika baltika teo aloha ihany no hany tsy mbola niditra tao amin' ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena. Tamin' ny taona 2004 dia niditra tao amin' ny Vondrona Eorôpeana sy ny Fikambanan' ny Fifanarahan' i Atlantika Avaratra (OTAN) izy ireo.

Amin' ny fanajana ny taratasy fananganana azy, ny "Fifanarahana tao Minsk" ary avy eo ny "Fifanarahana tao Alma-Ata", ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena dia tsy manana sata ara-dalàna iraisam-pirenena ary noho izany dia tsy fikambanana iraisam-pirenena amin' ny heviny hentitra.

Ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tenadia dia ahitana ihany koa, ao anatin' ny rafitra, ny Fikambanan' ny Fifanarahana momba ny Fiarovana Iombonana (rosiana: Организация Договора о коллективной безопасности / Organizacija Dogovora o kollektivnoj bezopasnosti; frantsay: Organisation du traité de sécurité collective; anglisy: Collective Security Treaty Organization) sy ny Vondrona ara-Toekarena Eoraziatika (rosiana: Евразийский экономический союз / Jevrazijský ekonomičeský sojuz; anglisy: Eurasian Economic Union; frantsay: Union économique eurasiatique). Ireo fikambanana roa ireo dia mirona mankany amin' ny fanafahana amin' ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena, na dia mbola matanjaka aza ny fifamatorana misy. Ny tanjon' ireo fikambanana roa ireo dia ny hanohy ny dingana mankany amin' ny fampitambarana ara-toekarena sy ara-pôlitika ary ara-miaramila ao anatin' ny tontolo taorian' ny Firaisana Sôvietika, tanjona tsy tratrarin' ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena.

Ny firenena mpandray anjara hanova

Firenena mpikambana hanova

Firenena manam-pifandraisana hanova

  • Torkmenistàna (mpikambana feno: 1991-1993; fanjakana mpandray anjara: 1993-2007; fanjakana mifandray: nanomboka tamin' ny taona 2007). Ny zo ahafahana mifidy dia omena azy indraindray.

Fanjakana mpanara-maso hanova

  • Môngôlia (fanjakana mpanara-maso ao amin' ny rantsana sasany ao amin' ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena). Sata mpikambana feno tamin' ny voalohany, afaka manatrika fihaonana sasany.

Mpikambana taloha hanova

  • Jeôrjia (1993-2009): tamin' ny 14 Aogositra 2008, taorian' ny ady tany Ôsetia Atsimo, ny parlemanta jeôrjiana dia nifidy ny fandaozan' ny Repoblikan' i Jeôrjia ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena, tanteraka tamin' ny 18 Aogositra 2009 ny fialana;
  • Okraina (1991-2018), firenena mpikambana sady mpanorina, mpandray anjara mavitrika, saingy nihataka taorian' ny Revôlisiônan' ny taona 2014, ary niala tamin' ny taona 2018;
  • Môldavia (1991-2023), firenena mpikambana sady mpanorina, niala tamin' ny taona 2023 noho ny fanafihan' i Rosia an' i Okraina.