Rajoelina Andry

Andry Nirina Rajoelina
Andry Rajoelina greeting crowd.jpg
Ankapobeny
Anarana Andry Nirina Rajoelina
Teraka 30 Mey 1974
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Madagasikara
Asa : Filoham-pirenena
Fiainana manokana
Seha-pitiavana Manambady

I Andry Rajoelina avy amin' ny tena anarany Rajoelina Andry Nirina, izay teraka tamin' ny 30 Mey 1974, dia mpanao pôlitika malagasy dady mpanana radio sy televiziôna.

Izy no ben' ny tanànan' Antananarivo nanomboka tamin' ny 12 Desambra hatramin' ny 3 Febroary 2009 mialoha ny nametrahany ny fahefana amin' i Michelle Ratsivalaka izay nosoloina koa an' i Edgard Razafindravahy avy any Ambohimalaza toa an' i Rajoelina.

Nanao fianianana amin' ny maha Filohan' ny Tetezamita azy izy ny 21 Marsa 2009 na dia tsy nankatoavin' ny fianakaviam-be iraisam-pirenena aza izany.

Fiainana ivelan' ny pôlitikaHanova

FianakavianaHanova

Rajoelina Andry Nirina dia teraka tamin' ny 30 Mey 1974. Merina avy ao afovoan-tanin' i Madagasikara izy. Manamboninahitra ao amin' ny tafika malagasy ny rainy, Kôlônely Roger Yves Rajoelina. Tamin’ ny taona 2000 dia nanambady an’ i Mialy Razakandisa, zanakavavin’ ilay vehivavy mpandraharaha Nicole Razakandisa (maty tamin' ny taona 2012) izy. Manan-janaka telo izy mivady: roa lahy sy vavy tokana.

Nandritra ny asany tamin’ ny fikarakarana hetsika, dia nandray anjara tamin’ ny fanetsiketsehana ireo takariva nokarakarainy ihany koa i Andry Rajoelina, izay nahazoany ny anaram-bositra hoe "DJ".

FandraharahanaHanova

Tamin' ny taona 1994 dia nanomboka ny asany amin' ny maha mpandraharaha hetsika azy i Andry Rajoelina. Izy no mikarakara ireo hetsika malaza ao Antananarivo ary nanomboka ny “Live” takariva.

Tamin' ny taona 1998, niaraka tamin' ny fanohanan' ny orinasa Fiaro, sampan' ny orinasa fiantohana ARO, izay an' ny fanjakana, dia namorona ny orinasam-panontana printy nomerika sy fitantanana takela-by fametahana dokam-barotra Injet izy, ary lasa tompony 100 % taty aoriana. Ity no orinasa voalohany eto Madagasikara nahazo teknôlôjia fanontana printy amin' ny velarana lehibe dia lehibe, izay nahafahany nanjaka haingana eo amin’ ny tsenan’ ny fampirantiana dokam-barotra. Novidiny ihany koa ny orinasa Domapub, izay miompana amin’ ny dokam-barotra sy ny fifandraisana.

Tamin’ ny taona 2003 dia nosafidin' ny Banque Nationale de l'Industrie (BNI) ho mpitantana tsara indrindra tamin’ io taona io i Andry Rajoelina, ary nahazo findramam-bola amin' ny zana-bola aotra tamin’ ity banky ity ho valisoany. Avy eo izy dia nampiasa vola tao amin' ny valan-takela-by mazava fanaovana dokam-barotra Trivision, saingy ny taona nanaraka dia nolavin' ny manampahefana malagasy ny fametrahana ireo karazana takela-by vaovao ireo.

Tamin’ ny taona 2007 dia nanitatra ny fampiasam-bolany tamin’ ny haino aman-jery i Andry Rajoelina tamin’ ny nividianany ny radio sy fahitalavitra Ravinala, izay an’ ilay mpanao pôlitika Norbert Ratsirahonana, ka nomeny anarana hoe Viva.

Ben' ny tanànan' AntananarivoHanova

Fahalaniana ho ben' ny tanànaHanova

Tamin’ ny 3 Nôvambra 2007 no nanambaran’ i Andry Rajoelina fa kandida ben’ ny tanànan’ ny renivohitr’ i Madagasikara izy, ary namorona ny fikambanana Tanora Gasy Vonona na TGV. Nanambara ny tenany ho tsy miankina sy tsy mikambana amin’ ny mpanohitra izy. Tamin' ny 12 Desambra 2007 no lany ho ben' ny tanànan' Antananarivo tamin’ ny vato 63,3 % nanoloana ny kandidàn’ ny antokon’ ny mpitondra Tiako I Madagasikara (TIM). Ben' ny tanànan' Antananarivo izy hatramin' izay ka hatramin' ny 3 Febroary 2009, mialoha ny nametrahany ny fahefana amin' i Michelle Ratsivalaka izay nosoloina koa an' i Edgard Razafindravahy avy any Ambohimalaza toa azy.

Tamin' ny taona 2008 no nanombohany ny fanamboarana ny Lapan' ny Tanànana, izay nisy nandoro 36 taona talohan' izay, ary nanolotra volavolam-panangonana tamin' ny filoham-pirenena Ravalomanana Marc izy mba hanangonana ny vola ilaina amin' ny asa famitana ny asa.

Tsy fifanarahana tamin' ny fitondram-panjakanaHanova

Ny fifandirana voalohany teo amin' i Andry Rajoelina sy ny filoha Ravalomanana dia nanomboka tamin' ny taona 2003, raha nitaky ny fitondra-panjakana ny mba hanesorana ny takelaka fanaovana dokam-barotra Trivision voalohany teto Antananarivo, izay napetrak' i Rajoelina teo amin' ny rondronana lehibe iray tao an-drenivohitra.

Nanambara izy fa misakantsakana ny fanatanterahany ny andraikiny eo amin' ny fitantanan-draharaha sy ny fitantanam-bola ny zavatra ataon' ny fitondram-panjakana. Io no fiandohan’ ny fifandonana teo amin’ i Andry Rajoelina sy i Marc Ravalomanana.

Ny krizy tamin' ny tapna 2009Hanova

 
Fihetsiketseham-panoherana notarihin' i Andry Rajoelina tamin'ny taona 2009 tao Antananarivo.

Tamin' ny 17 Desambra 2008, taorian' ny fanakatonan' ny fanjakana ny fahitalavitra Viva TV, taorian' ny fandefasana ny tafatafa nataon' ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka, dia nitaky ny hanokafana an' ilay fahitalavitra i Andry Rajoelina ary namoaka ultimatum, izay lany fe-potoana tamin’ ny 13 Janoary 2009, ho an' ny governemanta. Nitarika hetsika goavana hanoherana ny fitondran-dRavalomanana tao an-drenivohitra izy avy eo.

Araka ny hevitr' ireo tsy mpomba an' i Andry Rajoelina dia naka ny fahefana teto Madagasikara izy tamin' ny alalan' ny fanonganam-panjakana tamin' ny 17 Marsa 2009 ary nanao ny tenany ho filohan' ny Fahefana Avon' ny Tetezamita (FAT). Amin' ireo izay tsy momba azy ihany koa anefa dia betsaka ny olona maty noho ny nataony ary betsaka ny olon-dratsy izay nivoaka ny fonja noho izy.

Filoha avon' ny tetezamitaHanova

 
Andry Rajoelina sy Mialy Rajoelina tamin'ny taona 2012

Tamin' ny 17 Marsa 2009 dia lasa Filoha Avon' ny Tetezamita tao amin' ny Repoblikan' i Madagasikara i Andry Rajoelina ary nanao sonia ny didy hitsivolana faha-2009-003 izay nametraka ny Fahefana Avon' ny Tetezamita (FAT) sy ny fanafoanana ny Antenimiera, izay voafidin' ny vahoaka. Nanaiky ary nandraikitra izany famindràm-pahefana izany ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana[1]. Nanao ny fianianana amin' ny maha filohan' ny Tetezamita azy i Andry Rajoelina tamin' ny 21 Marsa 2009 na dia tsy nankatoavin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena aza izany. Nentiny tamin' izany ny taratasy avy amin' ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay tsy azo lazaina ho didy satria taratasy tsotra fa tsy didim-panjakana.

Ny volana Janoary 2012, noho ny fivoahan' ny NOTAM (fanafohezana ny hoe: notice to airmen, "Filazana ho an' ny mpamily fiaramanidina") izay tsy nahafanan' ny fiaramanidina nitondra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana niditra eto Madagasikara, voatery niverina tany Afrika Atsimo ilay filoham-pirenena taloha. Tsy nanaiky nidina tamin' ilay fiaramanidina i Ravalomanana. Ho an' ny mpikambana ao amin' ny antoko pôlitika TIM, dia tsy fanajana ny 'tondozotra ("feuille de route") izany [2]. Ary na dia nilaza aza izy fa tsy izany no antony namoahany ny NOTAM, dia heverin' ny mpanohitra azy fa noho izy no tsy nahafahan' ny filoha taloha Marc Ravalomanana tonga teto Madagasikara ny volana Janoary 2012[2]. Araka ny filohan' ny tetezamita dia "tsy tokony hanindry ny firenentsika na lalàna na firenena"[3]. Ny mety ho tanjony namoahany io NOTAM io dia hahamora ny fisamborana ny filoha Ravalomanana (izay voasazy hanao asa an-terivozona mandrapahafaty[4]). Ho an' ny tale jeneralin' i Aviaton Civil de Madagascar (ACM) indray dia mampatahotra io fampiasana amin' ny tanjona ara-pôlitika ny NOTAM io; satria araka ny lazain' ny Organisation de l'aviation civile internationale (OACI), dia tokony ampiasaina amin' ny tanjona aerônaotika, amin' ny fizorana sy ny filaminana ihany izany. [5]

Fifidianana filoham-pirenena malagasy 2013Hanova

Noho ny tsy faneken' ny Fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny fanajanonana ny fanampiana ara-bola vokatr' izany, dia nahemotra ho amin' ny 25 Ôktôbra ny fihodinana voalohany amin' ny fifidianana filoham-pirenena [6]. Amin' ny 20 Desambra 2013 ny fihodinana faharoa. Efa niova im-betsaka ny datin' ny fihodinana voalohany: Mey 2011, Septambra 2011, May 2012, Novambra 2012, Mey 2013, Jolay 2013 ary Aogositra 2013 [7]. Amin' ny 8 Avrily hatramin' ny 28 Avrily ny daty fametrahana ny kandidatiora any amin' ny CES[8].

Tamin ny 15 Janoary 2013 dia nilaza i Andry Rajoelina fa tsy hirotsaka ho kandidà amin' ny fifidianana filoham-pirenena 2013[9] [10], alohan' ny fivadi-keviny tamin' ny 3 Mey 2013 [11]. Nandiso fanantenana an' i Frantsa ny fiovan-kevitr' i Rajoelina sy ny fanekena ny kandidatioran' i Didier Ratsiraka sy Lalao Ravalomanana[12]. Noteren' ny fianakaviambe iraisam-pirenena hanaisotra ny firotsahany hofidiana, niaraka tamin' ny an' i Lalao Ravalomanana sy ny an-dRatsiraka Didier Ignace. Tamin' ny 13 Jolay, dia nambanan' ny Southern African Development Community (SADC) ny sazy hahazo ny firenena raha tsy esorina ireo kandidatiora telo ireo. Tamin' ny 17 Aogositra dia voaesotra miaraka amin' ny kandidatiora dimy hafa ireo kandidatiora ireo [13]. Ny kandidà Hery Rajaonarimampianina no tohanan' ny filohan' ny tetezamita Andry Rajoelina amin' ny fomba tsy ôfisialy, ary nilaza ny filohan' ny tetezamita fa i H. Rajaonarimampianina no ho tohanan' ny antoko Tanora Gasy Vonona (TGV) amin' ny fihodinana faharoa [14].

Niaraka tamin' ny fifidianana solom-bavam-bahoaka ny fifidianana filoham-pirenena.

Eran' i Madagasikara dia niorina ireo komity mpanohana ny kandidàn' ny fihodinana faharoa. Araka ny nolazain' i Andry Rajoelina dia eo amin' ny 55 % eo ho eo ny isa manontolon' ireo kandidà manohana ny Revôlisiôna Laoranjy izay nanongana ny governemantan' i Marc Ravalomanana tamin' ny Marsa 2009.[15]

Tamin' ny fihodinana faharoa dia nitarika ny kandidà Hery Rajaonarimampianina izay nahazo 53,5 % ka izy no lany ho filoham-pirenena.

Nandritra ny fitondran' i Hery RajaonarimamianinaHanova

Tsy nanaiky ny fitsabahan' i Andry Rajoelina ny filoham-poirenenaHanova

Tamin’ ny 17 Janoary 2014 no nambaran' ny Fitsarana Avo Momba ny Lalampanorenana tamin' ny valim-pifidianana ho filohan’ ny Repoblika tamin’ ny fomba ôfisialy izy, ka 53,49 % n' ny vato no azon' i Hery Rajaonarimampianina manoloana an' i Jean-Louis Robinson, mpifanandrina taminy, izay nahazo 46,51 % n' ny vato[16]. Tsy nanaiky ny fitsabahan' i Andry Rajoelina amin' ny fitondrana i Hery Rajaonarimamianina. I Andry Rajoelina mantsy naniry ny hanendry ny praiminisitra, izay nolavin' ny filoha.

Krizy pôlitikaHanova

Raikitra noho izany ny fanoheran' ny antokon' i Andry Rajoelina an' i Hery Rajaonarimampianina, izay tsy nanana solombavam-bahoaka avy amin' ny antokony Hery Vaovao ho an' i Madagasikara (HVM) tao amin' ny Antenimierampirenena[17]. Tamin' ny 26 Mey 2015 no nandatsa-bato handroahana an-dRajaonarimampianina ny solombavambahoaka [18]. Nolavin’ ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny 13 Jona 2015 ilay fangatahana fandroahana ny filoha[19]. Tamin' ny 26 Avrily 2018, nangataka ny Fitsarana Tampony ny mpanohitra mba hanesorana ny filoha[20]. Tamin' ny 25 Mey 2018 dia nomena folo andro ny filoha mba hanendry governemantan' ny firaisam-pirenena sy hampiroso ny fifidianana filoham-pirenena malagasy amin' ny taona 2018 ary hametra-pialana ao anatin’ ny enimpolo andro mialoha ny fifidianana filoham-pirenena[21].

 
Ny praimiisitra Ntsay Chritian

Tamin' ny 11 Jona 2018 dia voatsangana ny governemanta vaovao notarihin' ny "praiminisitry ny marimaritra iraisana" mba hialana amin' ny krizy pôlitika[22]. I Christian Ntsay izany praiminisitra izany[23]. Nandritra ny fitodran' i Andry Rajoelina, rehefa lany ho filoham-mpirenena tamin' ny taona 2018, dia i Christian Ntsay hatrany no nitazona ny toeran' ny praiminisitra.

Fifidianana filoham-pirenena tamin' ny 2018Hanova

 
Fampielezan-kevitra tamin' ny taona 2018.

Tamin’ ny fiandohan’ ny volana Agositra 2018, i Andry Rajoelina no voalohany nanoratra ny firotsahany hofidiana amin’ ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ ny taona 2018 [24]. Talohan’ny famtahany ny atotan-taratasy filatsaha,-ko fidna dia efa nampahafantatra mialoha ny Initiative for the emergence of Madagascar (IEM) izay mamaritra ny fandaharan’asany nenti-namaboana ny mpifidy. Anisan' ny fampanantenana tamin' ny fampielezan-kevitra ny fanafoanana ny Antenimieran-doholona mba hahafahana mitsitsy vola hananganana oniversite. Nampanantenainy ihany koa ny fampitombo ny fahazoana herinaratra, ny fiezahana ho amin' ny fizakan-tena ara-tsakafo sy amin' ny fambolena, ary ny fampitomboana ny fandriam-pahalemana [25].

Nanomboka tamin' ny volana Ôktôbra 2018 ny fampielezan-kevitra, izay nifanandreman' i Andry Rajoelina tamin' i Marc Ravalomanana sy tamin' i Hery Rajaonarimampianina[26], ireo natanjaka indrindra tamin’ny fampielezan-kevitry ny kandidà miisa 46 [27]. Tamin' ny fihodinana voalohany tamin'ny fifidianana natao tamin'ny 7 Nôvambra dia izy no nitarika tamin'ny vato 39,19 % (vato 1 949 851) raha 35,29 % (vato 1 755 855) kosa ny an-dRavalomana [28] [29]. Nalefa mivantana tamin' ny 10 Desambra ny adihevitra tamin' ny fahitalavitra teo amin' ireo kandidà roa farany [30].

Nahazo vato 55,66 % [31] tamin' ny fihodinana faharoa i Rajoelina ary nanomboka ny asa maha filoham-pirenena azy tamin' ny 19 Janoary 2019 [32].

Filoham-pirenenaHanova

Ny fifidianana natao tamin' ny ny volana Desambra 2018 no nitondra an’ i Andry Rajoelina teo amin’ ny fitondrana ny firenena mandritra ny dimy taona. Nandrombaka ny fandresena tamin' ny fifidianana solombavam-bahoaka tamin’ ny volana Mey 2019 ihany koa izy ary nahazo ny maro an’isa tanteraka tao amin' ny Antenimieram-pirenena. Nanamarika ny fitondran' i Andry Rajoelina ny olana sy fahasahiranana ara-tsôsialy sy ara-toekarena nianjady amin' ny firenena vokatry ny zava-mitranga ivelany sy anatiny amin' ny fitondrana, na dia misy aza ireo zava-bita momba ny fananganana fotodrafitrasa.

Ireo olana nosedrain' ny firenena sy ny fitondranaHanova

Valanaretin' ny Covid-19Hanova

 
Tavoahangy misy CVO

Tamin' ny 20 Marsa 2020 vao fantatra amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny valanaretin' ny coronavirus eto Madagasikara, araka ny fanambaràna nataon' ny fitondram-panjakana malagasy. Niantraika amin' ny toekarena malagasy ny fepetra noraisin' ny fitondram-panjakana izay nanidy ny toeram-pivarotana sy ny orinasa mpamokatra ary ny fitaterana manerana an' i Madagasikara. Isan' ny tsy voatsinjo koa ny fianaran' ny zaza malagasy tamin' ny fanakatonana aloha loatra ny sekoly rehetra manerana an' i Madagasikara, eny na dia mbola tsy nidiran' ilay valanaretina aza ny faritra maro raha tsy taty aoriana be.

Naiditra am-ponja tamin' ny 4 Avrily 2020 i Arphine Rahelisoa, talen' ny famoahana ny gazety Ny Valosoa, raha nivoaka tao ny fitsikerana ny fomba fintantanan' ny fitondram-panjakana malagasy ny ady amin' ny valanaretina coronavirus[33]. Nampanahy ny Reporters sans frontières (RSF) ny tsy hisian' ny fahalalahan' ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara noho izany[34].

Tamin' ny 08 Avrily 2020 ny filoham-pirenena malagasy dia nanao fanambaràna momba ny fahitana tambavy fisorohana ny Covid-19 sy fanasitranana ny marary, nomena ny anarana hoe Covid Organics (na CVO), izay fifangaroan-tsinga avy amin' ny zavamaniry Artemisia annua sy zavamaniry hafa (isan' izany ny ravintsara) fanao tambavy koa[35] [36].

Mitaky ny hisian' ny fangaraharana sy ny fitantanana madio ny vola ampiasaina mandritra ny fahamehana ara-pahasalamana vokatry ny Covid-19 ny olom-pirenena malagasy[37], indrindra ireo mpanao pôlitika mpanohitra [38]. Nitranga ilay raharaha "Bobons sucettes" izay niampangana ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, tamin' ny fividianana vatomamy mitentina 80 000 tapitrisa Ariary hoentin' ny mpianatra hanala ny fangidin' ny CVO izay nasaina nosotroin' izy ireo [39] [40]. Tao koa ny raharaha "Ecran plat": fanomezana avy amin' ny PNUD namidy an' ilay "Ecran plat" izay mitentina 200 000 000 Ar [41] [42]. Nanao fanadihadiana ny BIANCO[43][43].

Ny kere eto Madagasikara nanomboka tamin' ny taona 2021Hanova

Tamin' ny volana Jona 2021 dia nisy hain-tany mahery vaika nahatonga olona an' aliny, izay tombanana ho olona maherin' ny iray tapitrisa, no mijaly noho ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimon' ny firenena. Niara-nanambara ny ny tetika hiadiana amin' ny hanoanana i Andry Rajoelina miaraka amin' i Michael Pelletier, masoivohon' i Etazonia eto Madagasikara [44]. Nampanantena ny hanohana ny vehivavy mandritra ny mosary i Rajoelina ary nambarany fa ny kere eto Madagasikara amin’ izao fotoana izao dia vokatry ny krizin’ ny toetr’andro [45].

Tamin' ny faran' ny volana Jona 2021, ny World Food Program (WFP) na Programme alimentaire mondial (PAM) dia nitatitra fa ny 75 % n' ny ankizy dia nandao ny sekoly ary lasa mangataka na nitady sakafo. Vao mainka nanaratsy ny toe-javatra ny tafio-drivotra mahery vaika mitondra fasika [46]. Nampitandrina ny amin’ ny tsy fahampian-drano ihany koa ny sampan-draharaha maro misahana ny maha-olona ary ny fantson-drano notokanan’ ny United Nations International Children's Emergency Fund (UNICEF) sy ny governemantan’ i Madagasikara tamin’ ny taona 2019 dia tsy nanome rano madio ho an’ ny faritra sasany any atsimo, ka nahatonga ny olona handeha any amin’ ny 15 km mahery mba hitady rano [46].

I Gaëlle Borgia, mpikaroka mpanao fanadihadiana sady mpanao gazety, dia nilaza fa efa hita mialoha tamin’ ny taona 2020 ny famantarana ny tsy fanjarian-tsakafo ary nampitandrina fa na dia toa misalasala ny hanaiky ny zava-misy aza ny manampahefana malagasy, dia sarotra ny tsy hiraharaha ny fanairana marobe voarakitra nandritra ny volana maromaro, anisan' izany ny an' ny Firenena Mikambana [47]. Tamin' ny 23 Jona 2021, nitatitra ny World Food Program (WFP) na Programme alimetaire mondial (PAM) fa mihinana fotaka ny olona [48].

Tamin' ny Aogositra 2021, ny krizy ara-tsakafo dia noheverina ho ny mosary voalohany nateraky ny fiovaovan' ny toetrandro, hoy i Shelley Thakral, tompon' andraikitra ao amin' WFP [49] [50] [51]. Nifanohitra tamin'ny fanadihadiana nivoaka tamin'ny 1 Desambra 2021 nataon' ny World Weather Attribution ny filazana ny mosary ho vokatry ny fiovaovan' ny toetradro [52].

Ny tsy fandriam-pahalemanaHanova

Ny fitontongan' ny toekarenaHanova

Fikasana famonoana ny filiham-pirenena tamin' ny taona 2021Hanova

Tamin' ny 22 Jolay 2021 no nanambaran’ ny fampanoavana malagasy fa nahafoana ny fikasana hamono an’ i Andry Rajoelina izy ireo ary nisambotra olona “Vahiny sy Malagasy” maromaro, anisan’ izany teratany frantsay roa, sy kôlônely iray teo anivon’ ny tafika frantsay, Philippe François, araka ny loharanom-baovao diplômatika. Ny anaran’ i Paul Maillot Rafanoharana ihany koa dia natolotry ny mpanao famotorana; voatonona hisolo toerana ny praiminisitra Christian Ntsay izy raha hisy ny fanovana mpikambana ao amin' ny governemanta.

Jereo koaHanova

Loharano sy fanamarianaHanova

  1. La Haute Cour constitutionnelle investit Andry Rajoelina, L'Express de Madagascar, 19 Martsa 2009
  2. 2,0 et 2,1 Madagascar: l'avion de Marc Ravalomanana empêché md'atterrir à Antananarivo
  3. « Aucun pays et aucune loi ne doivent faire pression sur notre pays… »
  4. Raharaha 7 febroary - Asa an-terivozona mandra-pahafaty no sazin ’ ny Filoha teo aloha -- Laverite.mg
  5. Délivrance de NOTAM à titre politique : le DG de l’ACM s’inquiète. archived from the original on 2012-06-02 Retrieved on 2012-07-02.
  6. Elections présidentielles - 1er tour le 25 octobre, 2nd tour le 20 décembre. archived from the original on 2013-10-29 Retrieved on 2013-09-24.
  7. "Madagascar: Rajoelina could throw in the towel of the Malagasy presidential race". Indian Ocean Times. 5 August 2013. Retrieved 11 August 2013.
  8. Madagascar: ouverture officielle du dépôt des candidatures à l'élection présidentielle de juillet
  9. ((fr)) Madagascar: Rajoelina renonce
  10. Madagascar: Rajoelina renonce
  11. Fifidianana filoha – Kandidà tsy nampoizina tamin’ ny ora farany Rajoelina Andry
  12. 21 contre 3 : la présidentielle se polarise à Madagascar
  13. Madagascar fait un pas vers la présidentielle
  14. kopian'ny arisiva. archived from the original on 2013-11-11 Retrieved on 2013-11-15.
  15. Les candidats de la « révolution » orange à 55% vraiment ?. archived from the original on 2013-11-15 Retrieved on 2013-11-15.
  16. Arrêt no 10 de la Cour électorale spéciale portant proclamation des résultats définitifs du second tour de l'élection présidentielle du 20 décembre 2013 Archived Febroary 4, 2015 at the Wayback Machine [tahiry].
  17. « Vote de destitution : analyse des causes » [tahiry].
  18. « Destitution du président » [tahiry].
  19. « Madagascar : la haute cour constitutionnelle rejette la demande de destitution du président » [tahiry], ipreunion.com.
  20. « Tensions à Madagascar : l'opposition demande la destitution du président » [tahiry], France 24.
  21. « Madagascar : la Cour constitutionnelle ordonne la nomination d’un gouvernement d’union nationale » [tahiry], JeuneAfrique.com
  22. « Crise politique à Madagascar : le premier ministre annonce sa démission » [tahiry], Le Monde.fr
  23. « Cap Océan Indien - Christian Ntsay, directeur du bureau de l'OIT pour l’océan Indien », RFI,‎ 27 avril 2014 [tahiry]
  24. "Madagascar's former leader Andry Rajoelina says to seek presidency again". Reuters.com. 1 August 2018.
  25. Eric Topona (7 August 2018). "Andry Rajoelina plans political comeback in Madagascar". Wd.com.
  26. "Election campaigning begins in Madagascar". Africanews.com. 9 October 2018.
  27. "46 candidates bid to contest Madagascar presidency". News24.com. 21 August 2018.
  28. "Madagascar ex-presidents to contest run-off vote". Theeastafrican.co.ke. 28 November 2018.
  29. Rakotomalala (13 December 2018). "In Madagascar, costly presidential campaigns don't add up to a better life for citizens". Globalvoices.org..
  30. "Madagascar Presidential Vote - Rajoelina, Ravalomanana Debate". Allafrica.com. 11 December 2018.
  31. "Elections à Madagascar : Guterres félicite le Président élu Andry Rajoelina | ONU Info". news.un.org. 8 January 2019.
  32. Oteng, Eric (19 January 2019). "Madagascar president Andry Rajoelina sworn into office". Africanews.
  33. "Coronavirus : à Madagascar, une journaliste en prison pour avoir critiqué la gestion de l’épidémie", Le Monde, 16 Avrily 2020.
  34. "Afrika – Tatitra sy filaharana taona 2020: manahy ny hoavin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny RSF", ewa.mg, 22 Avrily 2020.
  35. "Coronavirus : le président de Madagascar affirme connaître un remède à base de plantes" [tahiry], in LCI (Notsidihina ny 08 Jona 2020)
  36. "[Tribune] Artemisia et plantes médicinales : le « Covid-Organics », symbole de la recherche malgache – Jeune Afrique" [tahiry], sur JeuneAfrique.com, 30 Avrily 2020 (Notsidihina ny 08 Jona 2020)
  37. "Aides liées au Covid-19 : Le gouvernement acculé sur la transparence", MidiMadagascar, 13 Jona 2020.
  38. "Gestion Covid-19 : Tirs croisés à l’endroit du régime", MadagascarTribune, 25 Jolay 2020.
  39. "Une ministre malgache limogée pour des bonbons-sucettes", BBC News Afrique, 7 Jona 2020.
  40. " A Madagascar, la ministre de l’Education limogée pour une "affaire" de bonbons" ", Franceinfo, 8 Jona 2020.
  41. "Madagascar : Polémique autour des achats ou de don obtenu par le CCOC", Madaplus, 19 Aogositra 2020.
  42. "Raharaha “écran plat CCO” Tonga ny valin-kafatry ny PNUD", Tia Tanindrazana, 19 Aogositra 2020.
  43. 43,0 et 43,1 "Affaire écran plat : le Bianco ouvre une enquête", MadagascarTribune, 3 Septambra 2020.
  44. "U.S. Government Provides Nearly $40 Million in Additional Emergency Assistance for Southern Madagascar". www.mg.usembassy.gov. United States Embassy to Madagascar. 14 June 2021.
  45. "Famine dans le Sud de Madagascar : la période entre octobre et décembre 2021 s'annonce difficile" . Linfo. 19 July 2021 ;
  46. 46,0 et 46,1 « Drought and famine stalk desperate Madagascar », Prevention Web,‎ 23 juin 2021.
  47. « L'ONU estime que le Grand Sud de Madagascar se trouve en « situation d'insécurité alimentaire grave » », Agence Ecofin,‎ 10 juillet 2021.
  48. Elvis Adjetey, « Madagascar: Families eating mud due to worst drought in 40 years », Africa Feeds,‎ 23 juin 2021.
  49. "Madagascar is hit by the world's first climate change famine". TRT World. 27 August 2021.
  50. "Madagascar on the brink of climate change-induced famine". BBC. 27 August 2021.
  51. "'Unprecedented': Madagascar on Verge of World's First Climate-Fueled Famine". EcoWatch. 25 August 2021
  52. Borenstein, Seth (1 December 2021). "Study: Climate change not causing Madagascar drought, famine". AP NEWS.