I Christian Louis Ntsay dia mpanao pôlitika malagasy izay praiminisitr' i Madagasikara nanomboka tamin' ny taona 2018. Teraka tamin' ny 27 Marsa 1961 izy. Notendren' ny filoha Hery Rajaonarimampianina izy taorian' ny fialan' i Olivier Mahafaly Solonandrasana noho ny fihetsiketsehana niely manerana ny firenena nataon' ny mpanohitra. Mbla voatendry ho praiminisitra indray izy tamin' ny naha filoham-pirenena an' i Andry Rajoelina. Niasa tao amin' ny Firenena Mikambana izy talohan' ny hiantsoana azy ho praiminisitra.

I Christian Ntsay