Zava-mahadomelina
Ny zava-mahadomelina dia akora simika izay miteraka fiovana eo amin' ny fiziôlôjia (vatana) na psikôlôjia (saina) eo amin' ny zavamananaina rehefa mihinana azy. Mety amin' ny alalan' ny fitsindronana, ny fifohana, ny fametahana feta eo amin' ny hoditra na fandevonana ambany lela ny fampiasana zava-mahadomelina.