World Weather Attribution

Ny World Weather Attribution, nohafohezina hoe WWA, dia tambajotra siantifika iraisam-pirenena, niorina tamin' ny taona 2014, izay mitarika sy mamoaka fanadihadiana momba ny fiheverana ny fisehoan-javatra mahery vaika momba ny fitombon' ny hafanan' ny toetany.

Ny tanjon' ny WWA dia ny hanao fanadihadiana momba ny fandraisan' ny zava-mitranga mahery vaika anjara amin' ny fihafanan' ny toetany manerana izao tontolo izao, izany hoe ny hamaritra, amin' ny alalan' ny fampiasana ny môdely momba ny toetany, raha toa ka ny fahatetehana sy ny vaikan' ny zava-mitranga ara-toetany no mety hitomboan' ny voavinan' ny hitrangany noho ny fiakaran' ny maripanan' ny toetany.

Efa nisy hatramin' ny taona 2000 ity karazana fandalinana ity, saingy ny WWA dia mikasa ny hamoaka ny vokatra voalohany amin' ny andro na herinandro aorian' ny fitrangan' ny fisehoan-javatra ara-toetany voakasika, mba hahatonga ny vaovao ho fantatry ny besinimaro sy ny haino aman-jery; ny famoahana ny vokatra ao amin' ny gazetiboky mila tsikera avy amin' ny manam-pahaizana hafa, izay mitaky fotoana lava kokoa, dia tsy mivoaka raha tsy any aoriana kokoa. Tany am-piandohan' ilay tetikasa dia voatsikera io fomba fiasa io satria niala tamin' ny fomba fiasa mahazatra, izay mitaky fa ny famoahana dia tsy atao raha tsy aorian' ny fijeren' ny manam-pahaizana hafa ao amin' ilay seha-pikarohana; na izany aza dia miankina amin' ny môdely sy fomba fiasa efa nodinihin' ny mpiara-mpikaroka maro hafa ny WWA.

Indraindray ny fanadihadiana vokarin' ny WWA dia ampiasaina ho fototra iaingana amin' ny raharaham-pitsarana atrehin' ny niharam-boina amin' ny trangan-javatra mahery vaika momba ny toetany sy amin' ny ady amin' ny orinasa mpamoaka etona mampihiboka hafanana, tompon' andraikitra amin' ny fiakaran' ny mari-panan' ny toetany.