Ny Artemisia annua, izay antsoin' ny Malagasy koa amin' ny anarana nohagasina hoe Artemizià, dia karazana zavamaniry ao amin' ny fianakavian' ny Asteraceae, avy any Eorasia sy any Afrika Avaratra, izay efa nampidirina koa tany aloha be tao amin' ireo faritra manana toetany antonony ao Amerika, ary hatramin' ny taona 1991 dia nampidirina tao Afrika atsimon' i Sahara sy any Amerika Latina. Karazan-javamaniry madinika ny artemisia, izay ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana sinoa mba hiadiana amin' ny tazo sy ny virosy. Ny artemisia annua dia ahitana singa simika maro ka isan' izany ny artemizinina izay mahomby amin' ny ady atao amin' ny katsentsitra sahala amin' ny Plasmôdiôma izay miteraka ny tazomoka.

Artemisia annua (raviny sy voniny)

Fitsaboana ampiasana artemisia annua hanova

 
Artemisia annua

Mampiasa ny artemisia annua atao tambavy ny mpitsabo nentim-paharazana sinoa mba hitsaboana ny tazo[1]. Atao tambavy ny artemisia annua mba ho fanampin-tsakafo sy fitsaboana aretina maro toy ny aretin-koditra sy ny tazomoka. Tsy azon' ny vehivavy bevohoka ampiasaina hitsaboany ny tenany anefa ny vokatra azo avy aminy. Ilay singa atao hoe artemisininina (na artemizininina) sy ny vokatra voasintona avy amin' izany (artezonata sy artemetera) dia eken' ny Fikambanana Maneran-Tany momba ny Fahasalamana (OMS) hitsaboana ny tazomoka, indrindra ilay tazo ateraky ny Plasmôdiôma falsiparôma. Any Sina dia ampiasaina miaraka amin' ny zavamaniry hafa ny artemisia annua mba hitsaboana ny SRAS.

 
Voan' ny Artemisia annua
 
Ravin' ny Artemisia annua

Tamin' ny volana Avrily 2020 ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina dia nanamafy ny fahombiazan' ny tambavy antsoina hoe Covid Organics azo avy amin' ny artemisia annua sy zavamaniry hafa amin' ny fitsaboana ny Covid-19. Tsy misy anefa porofo azo antoka momba ny fahombiazan' izany tambavy izany, tsy fantatra na tsy nisy rahateo ny fanandramana natao talohan' ny nampiasana ilay tambavy. Na dia nahomby tany Sina aza ny artemisia annua tamin' ny fitsaboana ny tazomoka dia tsy milaza ny fahombiazany amin' ny ady atao amin' ny Covid-19 ny Sinoa.

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. « Hard to swallow », Nature, vol. 448, no 7150,‎ juillet 2007, p. 106–106 (ISSN 1476-4687, DOI 10.1038/448106a, vakio eto [tahiry], nozahana tamin'ny 21 Marsa 2020)