Ny tambavy dia zavamaniry atao fanafodin-jazakely, araka ny fahaizana nentim-paharazana, sotroina na iandroana na ievohana. Nivoatra ny hevitry ny teny hoe "tambavy" ka manondro ny zavamaniry atao fanafody na ho an-jaza na ho an' olon-dehibe, lasa mifangaro amin' ny hevitry ny hoe raokandro. Nalaza nandritra ny fotoana nampirongatra ny Covid-19 teto Madagasikara ny fampiasana ilay tambavy atao hoe Covid Organics na CVO.