Ny Covid Organics, izay hafohezina amin' ny hoe tambavy CVO, dia tambavy azo amin' ny fandrahoana singa avy amin' ny artemizià (Artemisia annua) sy zavamaniry hafa izay nambaran' ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina fa azo isorohana sy anasitranana ny aretina vokatry ny Coronavirus (Covid-19).

Tavoahangy CVO

Ny mpamokatra ny CVO hanova

Ny Institut Malgache de Recherche Appliquée (IMRA) no nikaroka sy namokatra ilay tambavy. Noho izany dia i Madagasikara no firenena voalohany nanapa-kevitra ny hampiditra ny Artemisia annua mba hitsaboana ny Covid-19 rehefa nisy ny firesahan' ny Maison de l' Artemisia France tamin' ny firenena afrikana maro nandritra ny fanombohan' ny valanaretina Covid-19. Isan' ny nandray anjara ny mpikaroka avy ao amin' ny Repoblika Demôkratikan'i Kôngô (ny dokotera Jérôme Munyangi).

Ny nanombohana nampiasa ny CVO hanova

Tamin' ny 08 Avrily 2020 ny filoham-pirenena malagasy dia nanao fanambaràna momba ny fahitana tambavy fisorohana tsy ho voan' ny Covid-19 sy fanasitranana ny marary, dia ny tambavy nohatsaraina vokarin' ny Institut Malgache de Recherche Appliquée, nomena ny anarana hoe Covid Organics na Tambavy-CVO, izay fifangaroan-tsinga avy amin' ny zavamaniry Artemisia annua sy zavamaniry hafa (isan' izany ny ravintsara) fanao tambavy koa[1] [2]. Tamin' ny 20 Avrily 2020 ny fitondrana malagasy no nanomboka nampiasa ny CVO[3].

Tamin' ny 20 Avrily 2020 dia nanambara tao amin' ny fahitalavitra ny filoha Andry Rajoelina momba ny tambavy CVO izay "fisorohana sy fitsaboana" ny Covid-19[4] [5] [6]. Nisotro tambavy CVO ampahibemaso ny filoham-pirenena tamin' izany sady nanafatra ny mba hizarana izany amin' ny fianakaviana manerana an' i Madagasikara[7]. Na dia izany aza dia nitombo ka nahatratra 3 472 ny isan' ny olona efa voan'ny Covid-19 ary miisa 33 ny matin' io valanaretina io tamin' ny 07 Jolay 2020[8].

Araka ny filazan' i Zely Arivelo Andriamanantany, tale jeneralin' ny fampitaovana ny fitsaboana ao amin' ny Ministeran' ny Fahasalamana tamin' ny fahitalavi-pirenena malagasy, dia miaro mandritra ny roa hatramin' ny telo herinandro ny CVO[9].

Fitsikerana ny CVO hanova

Nandeha ny tsikera izay milaza fa tsy nanaovana andrana ara-tsiansa amin' ny antsipiriany ilay tambavy sady manalasala ny filazana azy ho manasitrana ny Covid-19[10] [11]. Tsy fantatra ny tena taharon' ilay tambavy raha nolazaina fa ny Artemisia annua no taharo lehibe mibahan-toerana indrindra ao. Nanafatra koa ny filoham-pirenena ny tokony hampisotroana ny mpianatra izany tambavy izany isan' andro. Ny Académie nationale de médecine de Madagascar (ANAMEM) anefa nanohitra ny fampiasana izany tambavy amin' ny mpianatra izany. Satria ny singa azo avy amin' ny Artemisia (ny artemizininina) dia taharo fototry ny fitsaboana ny tazomoka, ny manam-pahaizana ara-tsiansa dia naneho ny fanahiany momba ny fisotroana matetika ilay tambavy, izay mety hiteraka fahasarotam-pitsaboana ny tazomoka [12]. Ny OMS koa dia nampitandrina noho ny tsy fisian' ny porofo azo antoka momba ny fahombiazan' ny CVO.

Ny Vondrona Afrikana koa dia nifanakalo hevitra tamin' ny fitondram-panjakana malagasy momba ny fanaovana andrana ilay tambavy, indrindra ny tsy fananan' ilay tambavy hery mety hanimba sy ny fahombiazany[13].

Ny firenena nanafatra CVO hanova

Na dia teo ny fampitandremana sy ny tsikera dia naneho ny fahalianany momba ilay tambavy CVO ny mpitondra firenena afrikana, ka samy nandefa fiaramanidina haka ny tambavy malagasy i John Magufuli (filohan' i Tanzania) sy i Idriss Déby (filohan' i Tsady) [14]. Nahazo fanomezana tamin' ilay tambavy koa ny Repoblikan' i Kôngô sy ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, izay notarihin' ny filohan' izy ireo Félix Tshisekedi sy i Denis Sassou-Nguesso [15].

Firenena afrikana sy karibiana mihoatra ny 20 no nandray ny CVO tamin' ny volana Mey 2020 mba ho enti-miady amin' ny Covid-19[16] [17]. Tamin' ny 20 Mey 2020 dia nanafatra CVO hanaovana fanandramana ny governemanta ganeana rehefa noteren' ny vahoaka ganeana mba hampiasa ny CVO hisakanana ny fielezan' ny aretina[18]. Tamin' ny faramparan' ny volana Avrily 2020 dia i Ginea Ekoatôrialy no firenena voalohany nanao fanambaràna manohana ny tambavy CVO, ka nandefa fiaramanidina manokana aty Madagasikara mba hahazo CVO[19].

Ireto ny sasany amin' ireo firenena nanondranan' i Madagasikara ny tambavy CVO[20]: Tanzania, Ginea Bisao, Nizeria, Repoblika Demôkratikan'i Kôngô, Repoblikan'i Kôngô, Ginea Ekoatôrialy, Ganà, Liberia, Senegaly, Repoblikan'i Tsady, Kômôro, Nizera, ary Haitỳ.

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. "Coronavirus : le président de Madagascar affirme connaître un remède à base de plantes" [tahiry], in LCI (Notsidihina ny 08 Jona 2020)
  2. "[Tribune] Artemisia et plantes médicinales : le « Covid-Organics », symbole de la recherche malgache – Jeune Afrique" [tahiry], sur JeuneAfrique.com, 30 Avrily 2020 (Notsidihina ny 08 Jona 2020)
  3. "Madagascar : Andry Rajoelina lance son remède contre le coronavirus – Jeune Afrique" [tahiry], sur JeuneAfrique.com, 21 Avrily 2020 (Notsidihina ny 08 Jona 2020)
  4. "Madagascar launches 'COVID-Organics' as a remedy for the novel coronavirus". Ventures Africa. 23 April 2020. Notsidihina tamin'ny 12 Mey 2020.
  5. AfricaNews (22 April 2020). "COVID-organics: Madagascar launches Africa's first cure for virus". Africanews. Retrieved 12 May 2020.
  6. "Madagascar launches herbal medicine against COVID-19". 23 Avrily 2020. Notsidihina 12 Mey 2020.
  7. "Madagascar hands out 'miracle' virus cure as it lifts lockdown". guardian.ng. Notsidihina 12 Mey 2020.
  8. "Worldmeters covid - 121". Worldmeters. Notsidihina ny 07 Jolay 2020.
  9. "Covid-19 à Madagascar le nombre de cas explose mais les autorités prônent un remède miracle", France 24.com (tahiry)
  10. "Tisane anticoronavirus : le coup de poker du président malgache" [Tahiry], Le Monde, 19 mai 2020 (Notsidihina ny 08 Jona 2020)
  11. Linda Nordling: Unproven herbal remedy against COVID-19 could fuel drug-resistant malaria, scientists warn. In: Science. 6. Mai 2020, doi:10.1126/science.abc6665 .
  12. Coronavirus: Caution urged over Madagascar's 'herbal cure'. BBC News, 22. April 2020, notsidihina tamin'ny 12 Mey 2020.
  13. "Coronavirus: Caution urged over Madagascar's 'herbal cure' ". BBC News. 22 April 2020. (Tahiry tamin' ny 30 Avrily 2020). Notsidihina tamin' ny 7 Mry 2020.
  14. Abdur Rahman Alfa Shaban: Chad takes delivery of Madagascar virus cure, COVID-Organics. Africa News, 10. Mai 2020, notsidihina tamin'ny 12 Mey 2020.
  15. Abdur Rahman Alfa Shaban: Congo receives COVID-Organics donation from Madagascar. Africa News, 6. Mai 2020, notsidihina tamin'ny 12 Mey 2020.
  16. Brown, Will (27 Mey 2020). "Madagascar to test 'injectable' Covid cure". The Telegraph. Notsidihina ny 05 Jona 2020.
  17. Africa, CGTN. "Demand for Madagascar's COVID-19 herbal drink grows despite concerns from W.H.O." CGTN Africa. Notsidihina ny 12 Mey 2020.
  18. Nunoo, Favour (20 May 2020). "Ghana request for Madagascar Covid-19 herbal cure for testing". BBC News Pidgin. Notsidihina ny 21 Mey 2020.
  19. Alfa Shaban, Abdur Rahman. "COVID-Organics: Madagascar donates 'cure mixture' to Equatorial Guinea". Africa News. Notsidihina ny 05 Jona 2020.
  20. Tih, Felix (21 May 2020). "'WHO commends Madagascar's fight against COVID-19'". Andalou Agency. Notsidihina ny 05 Jona 2020.