Fahefana Avon' ny Tetezamita

Ny Fahefana Avon' ny Tetezamita (frantsay: Haute Autorité de l'Etat - HAT) dia rafitra mpanatanteraka vonjimaika tonga teo amin' ny fitondrana teto Madagasikara taorian' ny fanonganam-panjakana nanery an' i Marc Ravalomanana handao ny firenena tamin' ny 17 Marsa 2009, vokatry ny fihetsiketsehana tamin' ny taona 2009. Nitarika izany i Andry Rajoelina, izay nanendry mpikambana tao amin' ny filankevi-pitantanana herinandro vitsivitsy talohan' ny fanolorana ny fahefana mpanatanteraka avy amin-dRavalomanana ho an' ny miaramila, izay nanome ny fahefana ho an' ny Fahefana Avon' ny Tetezamita. Tamin' ny voalohany dia nanjakan' ny Tanora Malagasy Vonona (TGV), ankolafy Rajoelina, ny Fahefana Avon' ny Tetezamita (FAT).

Mari-piandrianan' ny Repoblikan' i Madagasikara
Andry Rajoelina

Ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny volana Desambra dia niafara amin' ny fihodinana faharoa teo amin' i Jean Louis Robinson sy Hery Rajaonarimampianina. Nambara tamin' ny 7 Janoary 2014 ny vokatra ôfisialin' ny fihodinana faharoa ka nanambaràna an' i Hery Rajaonarimampianina ho mpandresy tamin' ny vato manakaiky ny 54 %. Io fifidianana io no namarana ny Fahefana Avon' ny Tetezamita ary namerina ny fitondrana ara-dalàna teto Madagasikara[1].

Tantara hanova

Mialoha ny Tetezamita hanova

Hetsi-panoherana hanova

 
Fihetsiketseham-panoherana notarihin' i Andry Rajoelina tamin' ny taona 2009 tao Antananarivo.

Taorian' ny nahazoan' ny filohan' ny Repoblika tamin' izany fiaramanidina vaovao mitentina 60 tapitrisa dôlara, sy ny fampindramana tany 1,3 tapitrisa hekitara ho an' ny orinasa Daewoo Logistics, ary ny fampitsaharana ny fanampiana ara-tetibolan' ny kaominina avy amin' ny mpiara-miombon' antoka ara-teknika sy ara-bola. Nakaton’ ny minisitry ny fitondrana Marc Ravalomanana ny fahitalavitra Viva an’ i Andry Rajoelina, ben' ny tanànan' Antananarivo, izay nandefa vaovao momba ny filoha teo aloha Ratsiraka. Nitaky ny hanokafana an' ilay fahitalavitra i Andry Rajoelina ary namoaka teny fampitandremana farany, izay lany fe-potoana tamin' ny 13 Janoary 2009.

Niantso filaharam-be Rajoelina tamin' ny 17 Janoary eo amin' ny Kianjan' ny 13 Mey ao Antananarivo, ary nahangona olona 50 000, nanaraka ny fihetsiketsehana manohitra ny fanjakana tamin' ny 24 Janoary. Tamin’ ny 26 Janoary 2009 no nitondran’ i Andry Rajoelina ny mpomba azy hidina an-dalambe tao an-drenivohitra. Nanafika ny fahitalavi-pirenena sy ny radiom-pirenena ary ny fananan’ ny filoha Ravalomanana ny mpanohana ny hetsika volomboasary. Orinasa maromaro ihany koa, izay tsy an’ ny filoha no voaroba sy may. Tamin’ ny 31 Janoary 2009 dia nanambara i Andry Rajoelina fa izy no mitantana ny Repoblikan' i Madagasikara.

Fanonganam-panjakana hanova

Tamin' ny 7 Febroary 2009 i Andry Rajoelina dia nanendry ny praiministrany, Monja Roindefo, teo amin' ny Kianjan' ny 13 Mey ka nanome azy ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. I Monja Roindefo no mitarika ny hetsika fakana ny lapa. Nirohotra nankany an-dapa ny vahoaka, nitifitra ny mpiambina ka maro ny maty sy naratra. Tamin’ ny 16 Marsa 2009 hariva dia lasan’ ny miaramila mpikomy ny lapan' Ambohitsorohitra.

Ity hetsika ity dia niafara tamin' ny fanonganam-panjakana sy nitarika ny fametraham-pialan' ny filohan' ny Repoblika (i Marc Ravalomanana ) tamin' ny 17 Marsa 2009, izay namindra ny fahefana tamin' ny Direktoara miaramila, notarihin’ ny jeneraly telo. Taorian' izany dia noteren' ny miaramila hamindra ny fahefana amin' i Andry Rajoelina ireto jeneraly telo ireto. Nanaiky ary nandraikitra izany famindràm-pahefana izany ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

Nanao ny fianianana amin' ny maha filohan' ny Tetezamita azy i Andry Rajoelina tamin' ny 21 Marsa 2009 na dia tsy nankatoavin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena aza izany. Nanao sonia ny Didy hitsivolana faha-2009-003 izay nametraka ny Fahefana Avon' ny Tetezamita (FAT) sy ny fanafoanana ny Antenimiera i Andry Rajelina. Lasa filohan' ny Tetezamita izy taorian' ny fifampiraharahana teo ambany fanelanelanan' ny mpitarika ny Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) aloha, avy eo teo ambany fanelanelanan' ny fianakaviambe iraisam-pirenena tao Antananarivo, tany Addis Abeba (Etiôpia), tany Pretoria (Afrika Atsimo), tany Sandton (Afrika Atsimo) ary tany Gaborone (Bôtsoana).

Nandritra ny Tetezamita hanova

Fahazoana ny fitondrana hanova

Niditra amin' ny Tetezamita ny firenena tamin' ny 21 Marsa 2009 ka i Andry Rajoelina no filohan' ny Fahefana Avon' ny Tetezamita (FAT). Nanolotra an' i Andry Rajoelina ny fahefana maha filohan’ ny Fahefana Avon' ny Tetezamita azy, mandra-piandry ny fanatanterahana ny fifidianana vaovao izay hatao ao anatin' ny 24 ho avy (izay tsy tanteraka raha tsy afaka dimy taona). Namindra ny fahefany amin' i Monja Roindefo ny jeneraly Charles Rabemananjara izay isahana  ny asan' ny praiminisita vonjimaika.

Ny fivorian' ny ankolafy efatra tany Addis Abeba dia niafara amin' ny fanaovan-tsonia ny lalàna fanampiny ao amin’ ny Satan' i Maputo izay nanendry ny tompon' andrikitra amin' ny fiaraha-mitatana, ka i Andry Rajoelina no filohan’ ny Tetezamita ary i Eugène Mangalaza no praiminisitra. Niteraka olana maro anefa ny firafitry ny governemantan' ny firaisam-pirenena, tsy mahita marimaritra iraisana ny ankolafy. Ny 18 Desambra 2009 no nanao sonia ny didy hitsivolana (No. 2009-018) ny FAT, handaminana ny fitondrana Tetezamita ka tapitra teo ny fisian' ny fiaraha-mitatana.

Fifidianana Lalàmpanorenana vaova

Tamin' ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin' ny 17 Nôvambra 2010 tamin' ny alalan' ny fifidianana andraisan' ny rehetra anjara mivantana, ny vahoaka dia nifidy "Eny" na "Tsia" tamin' ny fanovana ny lalàmpanorenana. Lany ny "Eny" tamin' ny 74 % amin' ny isam-bato. Io lalàmpanorenana vaovao io dia nambara tamin' ny 11 Desambra 2010, ary nitondra ny firenena mankamin' ny Repoblika Fahefatra.

Tamin' ny ny 17 Septambra 2011 no nosoniavin' ny lehiben' ny mpanohitra izay tohanan' ny Southern African Development Community (SADC), ny "Sori-dalana amin' ny famaranana ny krizy eto Madagasikara". Ity fanapahan-kevitra ity dia mikendry ny hanangana governemanta marin-toerana indray, ary hampitsahatra ny krizy pôlitika naharitra teto Madagasikara[2].

Tamin' ny taona 2011, ny fanapahan-kevitra ny amin' ny hisian' ny fiaraha-mitantana araka ny sori-dalana nasain' ny fianakaviambe iraisam-pirenena nohajaina. Naato vokatr' izany ny fampiharana ilay lalàmpanorenana vao lany teo. Ankolafy pôlitika miisa efatra no nitarika ny firenena, dia ny ankolafy Ravalomanana, ny ankolafy Didier Ratsiraka, ny ankolafy Zafy Albert ary ny ankolafy Andry Rajoelina, ka i Andry Rajoelina no ny filohan' ny Tetezamita.

Fifidianana filohan' ny Repoblika hanova

Tamin' ny 15 Janoary 2013 dia nilaza i Andry Rajoelina fa tsy hirotsaka ho kandidà amin' ny fifidianana filoham-pirenena 2013 . Tamin' ny volana 13 Jolay 2013, taorian' ny fifanolanana momba ny fiverenan-dRavalomanana an-tanindrazana sy ny fametrahana antontan-taratasy filatsahan-ko fidina nataon’ ny lohandohan' ny ankolafy mpandray anjara tamin' ny fitantanana ny firenena (Didier Ratsiraka sy Lalao Ravalomanana ary Andry Rajoelina), dia nambanan' ny ny Southern African Development Community (SADC) ny sazy hahazo ny firenena raha tsy esorina ireo filatsahan-ko fidina telo ireo. Tamin' ny 17 Aogositra dia voaesotra miaraka amin' ny filatsahan-ko fidina dimy hafa ireo telo ireo.

Ho setrin' ireo tolo-kevitra naroson' ny SADEC ireo dia nanaiky ny hiala amin' ny filatsahana ho filoham-pirenena malagasy izy telo ireo nefa afaka manendry olona ho kandidà mpisolo azy ireo, ka i Hery Rajaonarimampianina no kandidà mpisolo toerana an' i Andry Rajoelina, i Jean Louis Robinson no kandidà mpisolo toerana an' i Lalao Ravalomanana. Niaraka tamin' ny fifidianana solom-bavam-bahoaka ny fifidianana filoham-pirenena.

Tamin' ny 17 Janoary 2014 no nambaran' ny Fitsarana Avo Momba ny Lalampanorenana tamin' ny fomba ôfisialy ny valim-pifidianana fihodinana faharoa mahalany an’ i Hery Rajaonarimampianina  ho filohan' ny Repoblika, ka 53,49 % amin' ny vato no azony.

Governemanta hanova

Governemantan' i Camille Vital hanova

 
Camille Vital

Ny praiminisitry ny Fahefana Avon' ny Tetezamita talohan' ny volana Ôktôbra 2011 dia ny jeneraly Camille Vital. Ireto ireo mpikambana ao amin' ny governemantany:

  1. Christine Razanamahasoa, minisitry ny fitsarana
  2. Organès Rakotomihantarizaka, minisitry ny fiarovam-pirenena
  3. Hajo Andrianainarivelo, minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny faritra
  4. Masimana Manantsoa, ​​minisitry ny Atitany
  5. Benja Razafimahaleo (LEADER-Fanilo), minisitry ny Vola sy ny Tetibola
  6. Julien Razafimanjato, minisitry ny Fanabeazam-pirenena
  7. Augustin Andriamananoro, minisitry ny fifandraisan-davitra
  8. Mario Rakotovao, minisitry ny tontolo iainana

Governemanta Omer Beriziky hanova

 
Omer Beriziky

Nambaran-dRajoelina tamin' ny 28 Ôktôbra 2011 ny fifantenana ny praiminisitran' ny marimaritra iraisana, Omer Beriziky, izay tompon' andraikitra amin' ny fananganana governemanta vaovaon' ny marimaritra iraisana natao hanamora ny fanomanana ny fifidianana filoham-pirenena eken' ny firenena[3]. Ny governemanta Beriziky dia ahitana ireto mpikambana ireto (fikambanana na antoko ao anaty fononteny)[4]:

  1. Jean Omer Beriziky (LEADER-Fanilo), praiminisitra
  2. Hajo Herivelona Andrianainarivelo, praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana
  3. Pierrot Botozaza, praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria
  4. Pierrot Rajaonarivelo (AREMA), minisitry ny Raharaham-bahiny
  5. Rolland Ravatomanga, minisitry ny Fambolena
  6. Olga Ramalason (TIM), minisitry ny Varotra
  7. Harry Laurent Rahajason, minisitry ny Serasera
  8. Elia Ravelomanantsoa (Madagasikarantsika), minisitry ny Kolontsaina sy ny Vakoka
  9. Ruffine Tsiranana, minisitry ny Fitsinjaram-pahefana
  10. Julien Reboza (AVI), Minisitry ny Rano
  11. Régis Manoro, minisitry ny Fanabeazam-pirenena
  12. Ihanta Randriamandranto, minisitry ny Fiompiana
  13. Nestor Razafindrorika, minisitry ny Angovo
  14. Etienne Hilaire Razafindehibe, minisitry ny Fampianarana ambony
  15. Jean André Ndremanjary, minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana matihanina
  16. Hery Rajaonarimampianina, minisitry ny Vola
  17. Tabera Randriamanantsoa, ​​minisitry ny Asam-panjakana
  18. Ny jeneraly Lucien Rakotoarimasy, minisitry ny Foloalindahy
  19. Marcel Bernard, minisitry ny Angovo
  20. Florent Rakotoarisoa, minisitry ny Atitany
  21. Jacques Ulrich Randriantiana, minisitry ny Tanora sy ny Fialam-boly
  22. Christine Ranazamahasoa, minisitry ny Fitsarana
  23. Daniella Randrianfeno Tolotrandry Rajo, minisitry ny Harena an-kibon’ny tany
  24. Sylvain Manoriky, minisitry ny Jono sy ny Harena an-dranomasina
  25. Olga Vaomalala Ramaroson, minisitry ny Mponina
  26. Andriamanjato Ny Hasina, minisitry ny Paositra, ny Fifandraisan-davitra ary ny Teknolojia vaovao
  27. Elisa Zafitombo Alibena, minisitry ny Indostria sy ny Asa tanana
  28. Victor Manantsoa, ​​minisitry ny Fifandraisana amin’ny Andrim-panjakana
  29. Johanita Ndahimananjara (AVI), minisitry ny Fahasalamam-bahoaka
  30. Ny jeneralin’ ny pôlisy, Arsène Rakotondrazaka, minisitry ny Filaminana anatiny
  31. Gérard Botralahy, minisitry ny Fanatanjahantena
  32. Jean Max Rakotomamonjy (LEADER-Fanilo), minisitry ny Fizahantany
  33. Benjamina Ramarcel Ramanantsoa, ​​minisitry ny Fitaterana
  34. Kôlônely Botomanovatsara, minisitry ny Asam-panjakana sy ny TGoetr’andro
  35. Ny jeneraly Randrianazary, Sekreteram-panjakana eo anivon’ ny Zandarimariam-pirenena

Tsikera hanova

Nahazao anarana hoe "Tetezamiitatra" ity vanim-potoana ity noho ny faharetany nandritra ny dimy taona, mitovy faharetana amin' ny fotoam-piasan' ny filohan' ny Repoblika voafodim-bahoaka ara-dalàna.

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. "Madagascar Court confirms President-elect". Voice Of America. 17 January 2014. Notsidhina tamin’ ny 17 Janoary 2014.
  2. "Madagascar: Government". Michigan State University. Notsidhina tamin’ ny 15 Marsa 2013.
  3. Razafison, Rivonala (29 October 2011). "Madagascar: Rajoelina appoints a 'consensus' prime minister". Africa Review. National Media Group, Kenya. Notsidhina tamin’ ny 29 Oktobra 2011.
  4. "Les membres du Gouvernement Beriziky". Site officiel de la présidence de la transition. Archived from the original on 2012-07-01. Notsidhina tamin’ ny 16 Jolay 2012.