Botsoana
Lefatshe la Botswana ((tn)) | |||||
Republic of Botswana en | |||||
Repoblikan'i Botsoana ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Let there be rain (Milatsaha ny orana) | |||||
![]() | |||||
Teny ofisialy | tswana, anglisy | ||||
Renivohitra | Gaborone 24°38′S 25°54′E / 24.633°S 25.900°E | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Gaborone | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha |
Repoblika Seretse Ian Khama | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 46 581 726 km² 2,6 % | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2012) - hakitroka |
faha 145 2 098 018 mpo. 3,6 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Botsoane | ||||
Sandam-bola | Pula (BWP )
| ||||
Faritr'ora | UTC +2 | ||||
Hiram-pirenena | Fatshe leno la rona | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+267
|
Botswana na Repoblikan'i Botsoana (AAI : [bot͡sˈwana] izay azo soratana Bôtsoàna ihany koa) dia firenena iray ao atsimon'i Afrika. Ny anaran'ilay firenena dia avy amin'ny foko lehibe monina ao Botsoana. Ny firenena manodidina azy dia Afrika Atsimo, Namibia, Zambia ary Zimbaboe.
Tamin'i Botsoana mbola protektorata britanika, Bechuanaland no anarany. Ny anarany ankehitriny dia navadika ho ofisialy tamin'ny taona 1966. Ny toe-kareny izay miankina amin'ny toe-karen'i Afrika Atsimo, dia anjakan'ny fiompiana omby ary ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany. Ny renivohiny dia Gaborone ary ny teny ofisialiny dia ny fiteny anglisy ary ny fiteny tsoana
TantaraHanova
Ny Batswana, teny izay ampiasaina rehefa miresaka momba ny olom-pirenena Botswana, dia avy amin'ny foko manjaka an'ilay firenena ankehitriny (Tswana no anaran'io foko io any Afrika Atsimo) izay tonga tao Botswana nandritry ny Ady Zolo tamin'ny voalohan'ny taona 1800. Talohan'ny nifandraisan'ny Tswana tamin'ny Eoropeanina, mpamboly ary mpiompy biby ny Batswana.
JeografiaHanova
Miisa sivy ireo distrika Botsoane