Hanokatra ny renilisitra

Hevi-tenyHanova

Hevi-teny voalohanyHanova

Ny hevitra voalohan'ny teny latina hoe persona ivelan'ny teolojia kristiana dia "saron-tavan'ny mpilalao an-tsehatra". Niitatra izany hevitra izany ka niova ho "anjara asan'ny mpilalao an-tsehatra". Ny teny grika mitovy hevitra amin'ny hoe persona eto dia ny hoe πρόσωπον / prosôpon. Nentina nanondroana olona na zavatra hafa manana tena sy sitrapo manokana io teny io taty aoriana.

Tsy ampiasain'ny teolojiana miteny grika io teny hoe πρόσωπον / prosôpon io fa ny hoe ὑπόστασις / hupostasis no ampiasainy. Ny hevitra voalohan'ny teny hoe hupóstasis kosa dia "fametrahana ao ambany" na "fitoerana ao ambany", izay mitovy hevitra voalohany amin'ny teny latina hoe substantia (hupo- = sub- "ambany"; stasis = stantia "mitoetra"). Eto dia tsy mifanakaiky akory ny hevitry ny hoe persona sy ny hoe hupostasis. Teo amlin'ny teolojia kristiana no nampifanakaiky ny hevitry ny teny latina hoe persona sy ny teny grika hoe hupostasis.

Hevi-teny teolojikaHanova

Ny Fiangonana tandrefana (miteny latina) dia mampiasa ny teny hoe persona. Noraisin'ny Fiangonana latina hanazavana ny amin’ny Trinite ny hoe persona, ka nilazana an'Andriamanitra izay manana sitrapo manokana. Ny teolojiana mampiasa teny malagasy dia matetika manoratra hoe persona na persôna. Ny Fiangonana tatsinanana (miteny grika) dia mampiasa ny teny hoe ὑπόστασις / hupostasis. Lasa mitovy hevitra amin'ny hoe pesona latina ny hoe hupostasis grika. Very ny hevitra voalohan' ny teny hoe hupostasis. Noho izany dia tsy mitovy ny hevitry ny hoe hupostasis sy ny an'ny hoe substantia eo amin'ny lahaten'ny teolojia kristiana.

Fiheverana an'Andriamanitra eo amin'ireo fivavanana abrahamikaHanova

Amin'ireo fivavahana abrahamika dia tsy hery fotsiny ihany Andriamanitra fa persona manan-tsitrapo.

Andriamanitra ao amin'ny jodaismaHanova

Tokana ny andriamanitry ny Hebreo, maha saro-piaro azy izany araka ny didy hoe "Aza manana andriamani-kaha fa izaho ihany". Vokatry ny sitrapon'Andriamanitra no nampisy an'izao tontolo izao tamin'ny namoronany azy. Ao amin'ny Tanakh dia voalaza fa manam-pihetseham-po Andriamanitra: tezitra, faly, malahelo, diso fanantenana, mitsetra, mitia, na mankahala koa. Inoana koa fa Andriamanitra hendry, marina, mpamidra fo, mahatoky ary velona izy. Afaka mampanantena zavatra ary saro-piaro izy. Andriamanitra mpanjaka sy mpitsara ary miandry ny olony sahala amin'ny mpiandry ondry izy. Nanao fanekem-pihavanana tamin'ny vahoakany, dia ny Zanak'i Israely, izy.

Andriamanitra ao amin'ny finoana silamoHanova

Tamin'ny nanambaràna ny Soratra Masina, Andriamanitra dia niteny tamin'ny alalan'ny anjely Jibrily (Gabriela) sy ny mpaminany Mohamady izay nandre ny tenin'Andriamanitra fa tsy ny feony. Manana toetra fito fototra ny Andriamanitry ny Silamo, dia ny fiainana, ny fahalalana, ny hery, ny sitrapo, ny fandrenesana, ny fahitana ary ny fitenenana. Mpahary sy mahefa sy mahalala ny zava-drehetra izy. Izy no tompon'izao rehetra izao sy ny hoavy, mpitsara amin'ny fitsarana farany, niseho tamin'ny mpaminany nifandimby hatramin'i Adama ka hatramin'i Mohamady. Ambara matetika ny fahatezerany ka matetika izy dia atao hoe "ilay Mahatahotra" (arabo: al-Jabbâr na al-Qahhâr). Nefa ny toetrany misongadina indrindra dia ny halehiben'ny famindram-pony izay mahery vaika ka mahasahana ny zavatra rehetra, araka ny voasoratra ao amin'ny Kor'any.

Andriamanitra ao amin'ny kristianismaHanova

Nandova ny fiveheverana sasany ao amin'ny jodaisma ny kristianisma noho izy nampiasa ny boky masin'ny jodaisma, dia ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly. Nisy fiovany izany fiheverana izany taorian'ny niainan'i Jesosy Kristy teto an-tany izay ataon'ny Kristiana fa zanak'Andriamanitra tonga nofo sady ilay Mesia resahin'ireo mpaminany sady nadrasana hatramin'izay. Niteraka fikorontanan'ny finoana an' Andriamanitra tokana, araka ny ampianarin'ny jodaisma, izany fivoasana vaovao ny Soratra Masina izany, izay tsy ny Testamenta Taloha ihany fa ny Testamenta Vaovao koa sy ny boky sasany ataon'ny manam-pahaizana hoe apokrifa na pseodepigrafa.

Taty aoriana, tamin'ny taonjato faha-4, dia lanin'ny maro an'isa tamin'ireo nivory nandritra ny Konsily tao Nikea ny tenim-pinoan'ny Trinite izay mihevitra an'Andriamanitra ho tokana nefa manana persona telo, dia ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Tsy ny fiangonana kristiana rehetra no manaiky an'izany fiheverana an'i Jesosy sy ny Fanahy Masina ho Andriamanitra izany, satria maro ireo fiangonana manohitra ny Trinite ka mihevitra an'i Jesosy ho Mesia fotsiny fa tsy Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina ho hery entin'Andriamanitra miasa.

Ny personan'Andriamanitra ao amin'ny kristianismaHanova

Noraiketina tao amin'ny fanekem-pinoana nikeana izany sady nohamafisina tamin'ny konsily hafa taty aoriana koa. Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny Zanaka, Andriamanitra ny Fanahy Masina, hoy izy ireo nefa tokana Andriamanitra fa tsy maro. Tsy mora ny mahazo ny tiana ho lazaina amin'ny hoe persona satria tsy azo lazaina tanteraka ho fomba fiseho samihafan'ilay Andriamanitra tokana izany araka ny hita amin'ny tantaran'ny fampanjakana ny tenim-pinoan'ny Trinite izay nanamelohana fampianarana maro izay noheberina fa fampianaran-diso. Ny filazana fa Andriamanitra ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahty Masina dia nitarika finoana ny fisian'ny Andriamanitra roa na telo eo amin'ny trantaran'ny kristianisma.

Persona tokana ao amin'Andriamanitra tokanaHanova

Môdalisma na sabelianismaHanova

Ny môdalisma na sabelianisma dia ny filazana fa ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia fomba telo samy hafa isehon’Andriamanitra (latina: modus "fomba") fa tsy persona telo samy hafa. Anjara asa telo samy hafa ny hoe "Ray" sy "Zanaka" ary "Fanahy Masina" arakaraka ny zava-mitranga eo amin’ny tantara. Noho izany dia Andriamanitra Ray ao amin'ny famoronana (namorona Zanaka tamin'ny alalan'ny fiteraham-birijiny Andriamanitra), Andriamanitra Zanaka tamin'ny asam-panavotana (Andriamanitra niseho tamin'ny endrik'i Jesosy mba ho faty eo amin'ny hazo fijaliana), Andriamanitra Fanahy Masina tamin'ny fahaterahana indray (Andriamanitra ny Fanahy Masina ao amin'ny Zanaka sy ao amin'ny fanahin'ny mpino kristiana). Ny Ray sy ny Fanahy Masina dia tsy iza fa ilay Andriamanitra tokana tonga nofo tao amin'i Jesoa Kristy ihany. Nohelohin'ny Konsily tao Roma tamin'ny taona 262 ny môdalisma.

ArianismaHanova

Tamin'ny fotoana niforonan'ny arianisma dia tsy nisy ny fampianarana momba ny fifandraisan'ny Ray sy ny Zanaka. Nisy noho izany ny adihevitra teo amin'ny patriarkan'i Aleksandria, atao hoe Aleksandra, sy i Ariosy ny amin'izany. Araka ny hevitr'i Ariosy dia tsy mifangaro ny persona telon'ny Trinite satria Andriamanitra Ray ihany, izay sady tsy natao no tsy nateraka, no tena Andriamanitra. Araka ny arianisma dia tsy mitovy ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady ny Ray ihany no tena Andriamantra, izay sady tsy nateraka no tsy noforonina. Tsy mitovy natiora amin’Andriamanitra ny Zanaka sady tsy mandrakizay ny fisiany satria noforonina izy. Olombelona natsangan’Andriamanitra ny Zanaka ka misy ampahan-toetran’Andriamanitra fa tsy Andriamanitra. Nambaran'ny Fiangonana ofisialy ho fampianaran-diso ny arianisma tamin'ny taona 325 tamin'ny konsily tao Nikea.

OnitarismaHanova

Ny onitarisma dia fampianarana tsy mino ny Trinite izay milaza fa fanahy iray dia iray ihany Andriamanitra fa tsy tokana mizara ho persona telo. Ny onitarisma dia manohitra ny trinitarisma izay foto-pampianaran'ny kristianisma manaraka ny Konsily voalohany tao Nikea tamin'ny taona 325 sy ny Konsily tao Kalkedona tamin'ny taona 451. Ny firehana onitariana dia mandà ny maha Andriamanitra an'i Jesosy Kristy, izay ataony hoe olona manakaiky kokoa an'Andriamanitra ihany na koa ny mpaminaniny lehibe indrindra, fa tsy Andriamanitra. Ny onitarisma dia miampanga ny mpanaraka ny tenim-pinoan'ny Trinite ho tsy tena mivavaka amin'Andriamanitra tokana (monoteisma). Efa tany alohan'ny Konsily tao Kalkedona no nisian'ny onitarisma, ka ny tena fantatra dia ny arianisma tamin'ny taonjato faha-4.

Manam-pifandraisana ara-potokevitra amin'ny onitarisma na ny arianisma koa ireo firehana sy fampianarana maro hafa, ka isan'izany ny sobôrdinatianisma sy ny anômeisma ary ny adôptianisma.

Persona roa na telo ao amin'Andriamanitra tokanaHanova

Persona roa ao amin'Andriamanitra tokanaHanova

Ny firehana izay mampianatra ny maha tokana an'Andriamanitra misy persona roa dia milaza fa herin'Andriamanitra fotsiny ihany ny Fanahy Masina. Ny Ray sy ny Teny (na ny Zanaka) dia persona roa ao amin'Andriamanitra tokana. Ny binitarisma na binitarianisma, raha tsy afangaro amin'ny biteisma na ny diteisma, dia teolojia kristiana momba ny persona roa na endrika roa ao amin'ny sobstansan'Andriamanitra. Ny binitarisma mahazatra dia endrika monoteisma izay manao an'Andriamanitra ho tokana dia tokana nefa misy persona. Misy ny firehana mandà ny maha persona ny Fanahy Masina nefa miaiky ny maha persona faharoan'Andriamanitra an'i Jesosy. Ny mpanaraka ny atao hoe binitarisma dia ahitana ireo olona izay nino fa Andriamanitra dia tsy persona telo fa persona roa mitovy sady miara-maharitra mandrakizay, dia ny Ray sy ny Teny. Mampianatra izy ireo fa ny Fanahy Masina dia tsy persona miavaka fa herin'Andriamanitra Ray sy Zanaka izay mivoaka avy ao amin'izy ireo mankamin'izao rehetra izao, sy amin'ny Famoronana ary amin'ny mpino.

Azo lazaina ho amanam-pifandraisana ara-potokevitra amin'ny binitarisma ny nestorianisma sy ny apolinarisma sy ny monofizisma ary ny monotelisma.

Persona telo ao amin'Andriamanitra tokanaHanova

Ny Trinite dia ilazana an’Andriamanitra misy persona telo, dia ny Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina. Ho an'ireo mino izany fampianarana izany, ny Trinite dia tsy midika hoe telo Andriamanitra. Ny finoana ny Trinite dia itambaran’ny ankamaroan’ny fiangonana kristiana toy ny Katolika romana sy ny Katolika ortôdôksa sy ny Protestanta ary ny ankamaroan’ireo Fiangonana ara-pilazantsara (Evanjelika). Samy manana ny fomba fampianarany izany finoana izany anefa ireo fiangonana ireo.

Ity fampianarana ny Trinite ity, izay fampianarana ofisiamlin'ny Fiangonana tamin'izay no heverina fa "fampianarana marina" (na "ortodoksia"). Izay fampianarana rehetra tsy mitovy amin'io dia natao hoe "fampianaran-diso" (na herezia) ary ny olona na ny fiangonana tsy mitovy fampianarana amin'io dia nolazaina fa "heretika". Taty aoriana, amin'izao vanimpotoan'ny fisarahan'ny Fiangonana sy ny Fanjakana izao dia tsy faheno ny hoe "heretika" fa ny hoe "sekta" indray no ilazana ireo antokom-piangonana tsy manaraka io fampianarana fampianarana ny amin'ny Trinite io.

Tsy mitovy anefa ny fampianaran'ny fiangonana samihafa ny Trinite, izay samy milaza fa mino izany, ka isan'izany ny fandavan'ny Protestanta ny maha Renin'Andriamanitra an'i Maria sy ny fandavan'ny Ortodoksa ny fivoahan'ny Fanahy Masina avy amin'ny Zanaka koa fa tsy avy amin'ny Ray fotsiny ihany.

Persona roa na telo sy Andriamanitra roa na teloHanova

Persona roa sy Andriamanitra roaHanova

I Markiona (110-160 taor. J.K.) dia nino fa misy Andriamanitra roa, ka ny iray namorona fa tsy hitsara (ilay ao amin’ny Testamenta Taloha) ary ny iray nanavotra sady mpamindra fo (ilay ao amin’ny Testamenta Vaovao). Izany no atao hoe markionisma. Isan'ny finoana ny atao hoe diteisma na biteisma izany.

Persona telo sy Andriamanitra teloHanova

I Jesosy Kristy dia Andriamanitra tsy hay tohaina, nefa ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra telo samy hafa mahery indrindra izay samy manana ny fombany (natiora) sady mikambana ho vondron'Andriamanitra miasa ho amin'ny tanjona iray: izany no atao hoe triteisma.

I Joany Filopono tao Aleksandria sady monofizita teo antenantenan'ny taonjato faha-6, dia mahita natiora sy sobstansa ary Andriamanitra telo miavaka tsara ao amin'ny Trinite. Tamin'ny Andro Antenantenany dia nilaza zavatra toy izany koa i Roskelino avy any Kompieno sady nanambara fa ny Trinite iray manontolo no tonga nofo.

Nisy ihany ary mbola misy koa ireo izay tena nampianatra fa ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra telo samy manana ny personany sy ny natiorany avy nefa mifameno. Ohatra amin'izany ny fampianaran'ny Olomasin'ny Andro Farany.

Jereo koaHanova