Fahalalana ny zava-drehetra

Ny fahalalana ny zava-drehetra dia ny fahafahana mahafantatra amin' ny fomba tsy manam-petra izay zavatra mety ho fantatra na momba inona na momba inona, indrindra ny amin' ny olona iray momba ny eritreritry sy ny fihetseham-pony. Ao amin' ny bodisma sy ny hindoisma sy ny sikisma ary ny fivavahana abrahamika (jodaisma, kristianisma, silamo, sns) dia toetran' Andriamanitra izany. Ao amin' ny jainisma, ny fahalalana ny zava-drehetra dia toetra iray izay azon' ny tsirairay hotratrarina amin' ny farany. Ao amin' ny bodisma dia misy finoana samy hafa momba ny fahalalana ny zava-drehetra ao amin' ny sekoly samihafa.

Amin' ny sehatry ny fivavahana hanova

Fivavahana abrahamika hanova

Ao amin' ny abrahalika, ny fahalalana ny zava-drehatra dia toetra manokan' Andriamanitra. Io fiheverana io dia hita ao amin' ny Baiboly, izay iantsoana an' Andriamanitra hoe “Ilay misy”, ankoatry ny fiantsoana azy hafa, izay miaty koa ny fanatrehany amin' ny toerana rehetra sy ny fahefany ny zava-drehetra; hita ao amin' ny Kor'any, izay iantsoana imbetsaka an' Andriamanitra hoe Al-'Alim (“ilay mahalala ny zava-drehetra”).*

Fivavahana hafa hanova

Io fiheverana io koa dia hita:

  • ao amin' ny hindoisma, izay iantsoana an' ilay Avo Indrindra hoe "Sarv-gyaata" (“mahalala ny zava-drehetra”), Sarv-samarth (“mahery indrindra”, "tsitoha", "mahafe ny zava-drehetra") ary Sarv-vyapt (“manatrika amin' ny toerana rehetra”);
  • ao amin' ny fedrà grika, i Tantalôsy (grika: Τάνταλος / Tántalos) dia nanolotra ilay zanany ho sakafon' ny andriamanitra mba hitsapana ny fahalalan' izy ireo.

Amin' ny sehatry ny filôzôfia hanova

Ny fiheverana ny fahalalana ny zava-drehetra dia nampiasaina amin' ny fanandraman' ny eritreritra isan-karazany, anisan' izany:

  • ny "demonin' i Laplace", izay nanazavan' i Pierre-Simon de Laplace ny fahitany ny determinisma (ao amin' ny Essai philosophique sur les probabilités);
  • Ny paradôksan' i Newcomb, izay misy mpisikidy mahay maminavina ny vokatry ny safidin' ny mpilalao.
  • ary amin' ny ankapobeny, ny fahasarotan' ny fampihavanana ny fahalalan' Andriamanitra ny zava-drehetra sy ny safidy malalaky ny olombelona.