Ny binitarisma na binitarianisma dia teolojia kristiana momba ny persona roa na endrika roa ao amin'ny sobstansan'Andriamanitra. Ny binitarisma mahazatra dia endrika monoteisma izay manao an'Andriamanitra ho tokana dia tokana nefa misy zavatra roa ka midika ho fianakavian'Andriamanita izany. Ny endrika hafan'ny monoteisma dia ny onitarisma (Andriamanitra tsy misy persona afa-tsy tokana) sy ny trinitarisma (Andriamanitra misy persona telo).

Indraindray dia misy ifandraisany amin'ny ata hoe diteisma na biteisma, izay finoana Andriamanitra roa mifameno na mifanohitra ny binitarisma ka mifandray amin'ny kosmolojia doalista.