Onitarisma (teôlôjia)
Ny onitarisma dia fampianarana ara-pivavahana tsy mino ny Trinite, izay milaza fa fanahy iray dia iray ihany Andriamanitra fa tsy tokana mizara ho persôna telo. Ny onitarisma dia manohitra ny trinitarisma izay foto-pampianaran'ny kristianisma manaraka ny Kônsily voalohany tao Nikea tamin' ny taona 325 sy ny Kônsily tao Kalkedôna tamin' ny taona 451 izay arahin' ireo fiangonana lehibe toy ny Fiangonana katôlika sy Fiangonana ôrtôdôksa ary ny ankamaroan' ny Fiangonana prôtestanta[1].
Ny firehana onitariana dia mandà ny maha Andriamanitra an' i Jesoa Kristy, izay ataony hoe olona manakaiky kokoa an' Andriamanitra ihany na koa mpaminaniny lehibe indrindra, fa tsy Andriamanitra. Ny onitarisma dia miampanga ny mpanaraka ny tenim-pinoan'ny Trinite ho tsy tena mivavaka amin' Andriamanitra tokana (mônôteisma)[2]. Efa tany alohan' ny Kônsily tao Kalkedôna no nisian' ny onitarisma, ka ny tena fantatra dia ny arianisma tamin' ny taonjato faha-4. Taorian' ny nanjavonan' ny arianisma dia teraka indray tao Eorôpa ny onitarisma tao Pôlônia-Litoania sy tany Transilvania teo antenantenan' ny taonjato faha-16, vokatry ny fampianaran' i Ferenc Dávid sy Jean Sigismond Zápolya. Ny fiangonana onitariana voalohany dia niforona tao Angletera tamin' ny taona 1774 ka niseho amin' ny fomba ôfisialy ny foto-pampianarana onitariana tao Etazonia tamin' ny taona 1784 tao amin' ny fampianaran' i James Freeman (1759-1835).
Tsy afangaro amin' ny Fiangonana oniata (na Fiangonana miray) ny onitarisma.
Jereo koa:Hanova
LoharanoHanova
- ↑ Martin Luther, Études sur les Psaumes, éd. Georges Laguarrigue, Labor et Fides, 2001, p. 157.
- ↑ D.R. Miano (2003) - americanunitarian.org Archived Mey 21, 2019 at the Wayback Machine [tahiry].