Mianmara
{{{1}}} | |||||
ပြည်ထောင်စုမြန်မာနိုင်ငံတော် my | |||||
Pyidaungzu Myanma Naingngandaw my | |||||
Vondron'i Myanmara ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Ao amin'ny fiainana mirindra sy ny fifampifihezana ny hasambarana | |||||
Teny ofisialy | burma | ||||
Renivohitra | Naypyidaw 19°45′N, 96°6′E | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Rangoon | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha - Praiministra |
fangejana ara-pitondrana Than Shwe Thein Sein | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 39 678 500 km² 20 760 km² (3,06 %) | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 24 47 758 180 mpo. 69 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Birmana | ||||
IDH (2008) | Mihakatra 0,583 (moyen) faha 132 | ||||
Sandam-bola | Kyat (MKK )
| ||||
Faritr'ora | UTC +6h30 | ||||
Hiram-pirenena | Gba Majay Bma (ho tianay ny Birmania) | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+95
|
I Mianmara, na Vondron' i Mianmara, na Birmania, dia firenena any Azia Atsimo-Atsinanana mizara sisintany amin' i India, ny Bangladesa, i Laôsy, i Sina ary i Tailandy. Voafaritry ny Ranomasina Andamàna sy Hoalan' i Bengaly izy any atsimo sy any atsimo-andrefana, ny totalin' ny halavan' ny morontsirany dia misy 2 000 km eo ho eo, ao amin’ ny Hoalan' i Bengale.
I Birmania dia fiombonam-panjakana miisa fito izay onenan’ ny vahoaka tsy Birmana sy fizaram-paritra onenan’ ny Birmana, ka anisan’ izany i Rangoun renivohitra. Ny faritra amorontsiraka dia atao hoe Birmania Ambany fa ny faritra anaty tany kosa dia atao hoe Birmania Ambony. Manana endrika lavalava ilay firenena. Ny vohon-taniny dia ahitana lempona lehuibe eo afovoany, hodidinin’ ny tangoron-tendrombohitra. Rakotra ala ny 55 % mahery amin’ ny tanin’ i Mianmara.
Ny Birmana dia 80 %n’ ny mponina ao amin’ io firenena io, izay ahitana koa vahoaka vitsy anisa maro, sy Sinoa ary Indiana sy safiotra anarivony.
Mihoatra ny 85 %n’ ny mponina any Mianmara dia manaraka ny fivavahana bodista. Anarivony maro, noho izany, ny pagôda miorina any.
Firenena manompana ny teokareny amin’ ny fambolena i Mianmara: anisan’ ireo firenena mpamokatra vary be indrindra maneran-tany izy. Anisan’ ny loharanon-karena koa ny ala, inderindra ireo karazan-kazo fakana fingotra. Ny taozava-baventy, izay nandroso dia nandroso tokoa tamin’ ireo taona 1960-1970 dia miompana indrindra amin’ ny fanodinana ireo vokatry ny fambolena sy ny hazo ary koa ny famokarana lamba sy ny simenitra ary ny fanadiovana ny solitany.
Jereo koa
hanovaFirenena ao Azia:
Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.
Kôntinenta eto an-tany