Ny honahona dia velaran-tany misy zavamaniry amin' ny ampahany sady ahitana heniheny. Velaran-tany mando misy rakotra kirihitra amin' ny ampahany ny honahona. Noho izany dia faritra mando sy anirian-kazo, izay mety hifandraika amin' ny rafitra tontolo iainana maro, toy ny tamba-javamaniry manodididina renirano, ala honko, tamba-javamaniry an-drenirabno (bayou), alan-konahona (carr), sns., na faritra misy zavamaniry amin' ny faritra tondrahan-drano matetika toy ny ala honko, sns. Mety ho ranomamy, rano masirasira, na rano masira ny rano ao anaty honahona.

Honahona ao Florida, any Etazonia

Hita eran' izao tontolo izao, manamorona ny ony lehibe toa an' i Amazôna, i Mississippi ary Congo, ny sasany amin' ny honahona lehibe indrindra.

Ao amin' ny honahona, ny hazo sasany indraindray dia nampifanaraka ny fakany amin' ny zava-misy ka mamoaka ny fakany ivelan' ny tany mba ho afaka mifoka rivotra. Honahona maro no hita manamorona ny renirano lehibe izay mianikina indrindra amin' ny fiovaovan' ny haavon' ny rano. Misy honahona hafa dia hita eny amoron' ny farihy lehibe. Misy tany maina mandroso ao anatiny izay rakotra zavamaniry anaty rano, na zavamaniry mahazaka tondra-drano na fahavontoan' ny tany, ny honahona sasany.

Teny malagasy

hanova

Teny mitovitovy hevitra

hanova
  • Heniheny: "Tany ihandronan' ny ranoka manjary honahona sy feno ahitra; tany lava volo tsy ialan-drano ka manjary fotaka mandrevo.[1]"

Jereo koa

hanova

Ranomasira

Ranovory

Ranomandeha

Loharano sy fanamarihana

hanova
  1. Rajemisa-Raolison Régis, "Heniheny" ao amin' ny Rakibolana malagasy, Ambozontany. Antananarivo, 1985.