Ny Maley na Malay dia ireo vahoaka aostrôneziana ao amin' ny morontsiraka atsinanana amin' ny nosy indônezianan' i Somatra, ny nosy Riau, izay indôneziana koa, amin' ny alanan' ny nosy Bôrneô, ao amin' ny Saikanosin' i Malezia, ny Saikanosin' i Singaporo ary ny tapany atsimon' i Tailandy (faritanin' i Yala, Pattani, Narathiwat ary Songkhla) izay mampiasa fiteny ao amin' ny vondrom-piteny atao hoe "maley". Na dia izany aza dia ny fitenenana ny fiteny iray ao amin' ity vondrona ity dia tsy ampy haha Maley ny olona iray. Mazava izany raha ny momba ny mpiteny sokajina hoe Trade Malay (fiteny maley ampiasaina amin' ny raharaham-barotra). Ny vahoaka mpifanolo-bodirindrina amin' ny Maley - toy ny Minangkabau amin' ny tapany andrefan' i Sumatra na ny Mosy (Musi) ao amin' ny faritr' i Palembang amin' ny tapany atsimon' i Sumatra - dia tsy manao ny tenany ho Maley (izay voambolana manondro ny maha izy ny vahoaka iray).

Ireo andriandahy tao amin' ny soltanatan' i Deli, Langkat et Serdang tamin' ny vanim-potoan' i India Neerlandey.

Amin' ny fiteny maley dia tao hoe Orang Melayu ny foko na vahoaka maley.

Tsara anterina koa fa tsy ao amin' ny saikanosin' i Malezia ihany (izay tsy tany niavian' ny Maley) no onenan' ny Maley, Ny teny hoe Malayu dia manondro ny fanjaka-mpanjaka tao atsinanan' i Somatra.

Ny anarana hoe Malezia (Tanah Melayu), amin' ny fomba fijery maleziana, dia tsy manondro afa-tsy ny tapany malezianan' ny Saikanosin' i Malacca.

Amin' ny teny frantsay, ny hoe Malaisie dia manondro koa ny federasiôna (Persekutuan Malaysia), izay ahitana ny Fanjakan' i Sabah sy ny Fanjakan' i Sarawak ao amin' ny tapany avaratr' i Bôrneô (ny anarana an-toeran' ny federasiôna dia Malaysia).

Ny anarana hoe Malezia dia avy amin' ny andian-teny anglisy hoe British Malaya izay noforonina tamin' ny taonjato faha-19 mba hanondroana ny soltanata maromaro tao amin' ilay saikanosy teo ambany fiarovana britanika, sady mba hanavahana azy amin' ny soltanata maley tao Sumatra sy tao amin' ny tapany atsimon' i Bôrneô, izay nofehezin' ny Neerlandey.

Ny fiteny maley hanova

Ny fiteny malay na fiteny maley dia fiteny aostrônezianina, izay tenim-pirenen' i Malaizia sy i Indônezia ary i Broney. Anisan' ny fiteny ôfisialin' i Singapaoro ihany koa ilay fiteny. 40 tapitrisa ny isan' ny olona mahay miteny malay, izay hita eo amin' ny manodidina ny Andilan-dranomasin' i Malacca sy ny morontsiraky ny nosy Bôrneô ary ny faritra atsinanana amin' i Sumatra. Noho ny sata ôfisialiny dia mahery ny 200 tapitrisa ny isan' ny olona mahay miteny malay (raha isaina ao anatin' izany ireo olona mahay miteny indôneziana).

Jereo koa hanova