Transnistria (fanjakana)

I Transnistria na ny Repoblika Môldavan' i Dniestra dia fanjakana nanambara samirery ny fahaleovan-tenany rehefa rava ny Firaisana Sôvietika tamin’ ny taona 1991. I Tiraspol no renivohiny.

Sainan' i Transnistria
I Transnistria eto amin' izao tontolo izao

Atao amin’ ny teny rosiana hoe Приднестровская Молдавская Республика, amin’ ny teny okrainiana hoe Придністровська Молдавська Республіка, amin’ ny teny môldava sy romaniana hoe Република Молдовеняскэ Нистрянэ / Republica Moldovenească Nistreană ny anarany.

I Transnistria ao Eorôpa

Tsy mankato ny maha firenena mahaleo tena an’ i Transnistria i Môldavia sy ny Firenena Mikambana ary ireo firenena mpikambana ao aminy ka mihevitra azy ho faritra mizaka tena ao Môldavia.

Ny taniny, izay ao amin’ ny ilany ankavin’ i Dniestr ny 97 % (ara-dalàna), dia faritra mizaka tena ao Môldavia (atao amin’ ny teny romaniana sy môldava hoe Unitățile Teritoriale Autonome din stînga Nistrului -- UTAN), toraka izany koa ny tanànan’ i Bender (Tighina) ao amin' ny ilany ankavanan’ i Dniestr izay tsy ao amin’ ny UTAN.

Ireo distrika ao Transnistria

Mahafaoka saika manontolo "raion" môldava dimy sy ny tanànan’ i Tiraspol i Transnistria. Ny antsasany ankavanana amin’ ny iray amin’ ireo raion dimy ireo (raion n’ i Dubăsari) anefa ambany fifehezan’ ny fanjakana môldava foibe izay manana an’ i Chișinău ho renivohitra.

Tamin’ ny taona 2013 dia tsy nisy fifandraisana ara-diplômasia afa-tsy tamin’ i Abkazia sy tamin’ i Ôsetia Atsimo ary tamin’ i Karabaga Ambony (izay samy tsy ankatovin’ ny Firenena Mikambana) i Transnistria.

Jereo koa hanova

Firenena ao Eorôpa

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.

Ireo firenana ao Eorôpa mbola misy tsy mankato

Abkazia (misy tapany ao Azia) - Karabaga Ambony (misy tapany ao Azia) - Kipra  Avaratra (na Sipra Avaratra) - Kôsôvô - Ôsetia Atsimo - Transnistria

Samihafa

Transnistria (faritra)