Ny Vondro-nosy Sunda dia vondro-nosy ao Insolindia (na Vondro-nosy Maley). Mizara roa izy io amin' ny ankapobeny: ny Vondro-nosy Sunda Lehibe sy ny Vondro-nosy Sunda Kely. Amin' ny teny indponeziana izy dia atao hoe Kepulauan Sunda.

Ireo Nosy Sunda

Avy amin' ny hoe "Sunda", izay lembalemba an-dranomasina ahitana ny nosy Sumatra sy Java ary Borneo, ny anaran' izy ireo. Avy amin' ny hoe "Sunda", izay tanin' ny vahoaka atao hoe Sondaney, mipetraka any amin' ny faritra andrefana amin' ny nosy Java, io anarana io. Ny Vondro-nosy Sunda koa dia nanome ny anarany ho an' ny andilan-dranomasina manasaraka an' i Java amin' i Sumatra, dia ny Andilan-dranomasina Sunda.

Ny Vondro-nosy Sunda Lehibe

Ankehitriny dia miorina amin' ny hetsika ara-barotra miaraka amin' ny Eorôpeana izay liana amin' ny famokarana vokatra hafakely toy ny zava-manitra ny toekaren' ireo nosy ireo.

Ny Vondro-nosy Sunda Kely

Amin' ny heviny mivelatra dia misy nosy hafa mifanila aminy indraindray toa an' i Sulawesi (Celebes) sy Borneo, ao amin' ny Vondro-nosy Sunda Lehibe, sy i Timor, any amin' ny Vondro-nosy Sunda Kely.

Jereo koa

hanova