Fiteny aostroneziana
Ny fiteny aostroneziana (azo soratana koa aostronezianina, miaraka amin'ny tsindrim-peo na tsia) dia ireo fiteny tenenina any Madagasikara, any Azia Atsimo Andrefana, ao amin'ny ranomasimbe Pasifika ary any Taiwan. Ny isan'ireo fiteny aostroneziana manerana izao tontolo izao doa eo amin'ny 1 268, izany hoe vondrom-piteny faharoa amin'ny resaka isam-piteny, aorian'ny fiteny nizerôkongoley.
Roa no isan'ny zana-tsokajin'ny fiteny asotroneziana: ny fiteny formôzana, izay tenenina ao Taiwan; ary ny fiteny malay polinezianina any amin'ny toerana hafa ankohatr'i Taiwan.