Fiteny malaiô-pôlineziana andrefana

Ny fiteny malaiô-pôlineziana andrefana, izay fantatra ihany koa amin' ny hoe fiteny hesperôneziana, dia vondrona iray ao amin' ny fiteny aostroneziana izay ahitana ireo fiteny malaiô-pôlineziana izay tsy ao amin' ny sampana malaiô-pôlineziana afovoany-atsinanana. Tafiditra ao anatin' izany ny fiteny aostrôneziana rehetra tenenina eto Madagasikara, any Azia Atsimo-Atsinanana an-tanibe, any Filipina, ao amin' ny Nosy Sunda Lehibe (anisan' izany ireo nosy kely mifanila aminy), any Bali, any Lombok, any amin' ny tapany andrefan' i Sumbawa, any Palau ary ny amin' ny Nosy Mariana.

Tolo-kevitra avy amin' i Robert Blust ny nanaovana sampana rahavavy ao anatin' ny fiteny malaiô-pôlineziana mifanila amin' ny sampana malaiô-pôlineziana afovoany-atsinanana. Satria tsy misy endri-javatra izay mamaritra tsara ny fiteny malaiô-pôlineziana andrefana ho zana-bondrona, dia nilaozan' ny fanasokajiana vao haingana izany.

Fanakilasiana hanova

Ny maha-zava-dehibe ny vondrona malaiô-pôlineziana andrefana dia mbola fanontaniana misokatra, na dia aseho mazava tsara aza ity vondrona ity. Ho an' i Blust (1999), ity zana-bondrona dia ampiasaina indrindra hanasokajiana ny fiteny malaiô-pôlineziana izay tsy voasokajy ao amin' ny zana-bondrona afovoany-atsinanana.

Mba hamahàna ity olana ity, i Ross (1995) dia nandao ny hevitra momba ny fanasokajiana ara-pianahana. Notanisainy ireo vondrona efatra amby roapolo azo fantarina ao amin' ny fiteny malaiô-pôlineziana andrefana ary noheveriny ho toy ny fanombohana fikarohana fanampiny izany. I Adelaar dia mampiasa ity fomba ity ary niafara amin' ny vondrona telo amby roapolo izany:

  1. ireo fiteny filipina izay ahitana ireo fiteny sangirika sy ireo fiteny minahasana ary ireo fiteny gôrôntalô-môngôndika;
  2. ny fiteny samôrô;
  3. ny fiteny palaoana;
  4. ireo fiteny sama-bajao;
  5. ireo fiteny malaiô-sombaoiana, izay mamondrona ireo fiteny malaîka, ireo fiteny asiney-samika, ny fiteny baliney, ny fiteny sasàka, ny fiteny sombaoaney, ny fiteny madorey ary ny fiteny sondaney;
  6. ny fiteny javaney;
  7. ireo fiteny môkena-môklena;
  8. ireo fiteny bôrneô avaratra;
  9. ireo fiteny kaianika;
  10. ireo fiteny daiaka an-tanety;
  11. ireo fiteny baritô atsinanana (ahitana ny fiteny malagasy);
  12. ireo fiteny baritô-mahakama;
  13. ireo fiteny baritô andrefana;
  14. ireo fiteny lamponga;
  15. ny fiteny rejanga;
  16. ireo fiteny somatra avaratra-andrefana;
  17. ireo fiteny tôminy-tôlitôly;
  18. ireo fiteny kaily-pamôna;
  19. ireo fiteny saloana;
  20. ireo fiteny bongko-tôlaky;
  21. ireo fiteny mona-botôna;
  22. ireo fiteny vôliô-vôto;
  23. ireo fiteny solavesy atsimo.

Jereo koa hanova