Melanezia
I Melanezia dia iray amin' ireo vondro-nosy telo lehibe ao amin' ny Ôseana Pasifika, izay mamorona an' i Ôseania. Ity famondronana ara-jeôgrafia ity dia toherin' ny mpahay jeôgrafia sasany, nefa ampiasaina matetika izany sy ireo firenena voakasika. Ny anarana hoe Melanezia dia avy amin' ny teny grika hoe μέλας / mélas, "mainty", sy ny hoe νῆσος / nễsos, "nosy", ka midika hoe "nosy mainty".
Fitsinjaràm-paritra ara-pôlitika
hanovaNy tantaran' ny fitsinjaràm-paritra
hanovaTaorian' ny fandehanan' i Jules Dumont d'Urville tany amin' ny faritr' i Melanezia hamantatra ny zava-misy any dia nanao soso-kevitra tamin' ny Société de géograophie tao Parisy izy tamin' ny taona 1831 momba ny fandaminana vaovao an' i Pasifika ho faritra efatra, dia:
- i Pôlinezia (midika hoe "nosy maro"),
- i Melanezia ("nosy mainty"),
- i Mikrônezia ("nosy kely") ary
- i Malezia (izay nesorina taty aoriana tsy ho ao amin' ny kôntinentan' i Ôseania).
I Melanezia araka ny mahazatra
hanovaI Melanezia, araka ny famaritana mahazatra, dia miendrika reni-tsipika ao avaratra sy avaratra-atsinanan' i Aostralia sy ao atsimon' i Mikrônezia. Heverina fa isan' i Melanezia ireto fanjakana na tany manaraka ireto:
- ireo nosy Fijy (Fiji / Fidji);
- i Kaledônia Vaovao;
- ireo nosy Sôlômôna,
- i Vanoato,
- i Ginea Vaovao izay mizara roa: i Papoazia-Ginea-Vaovao sy i Ginea Vaovao Andrefana (izay an' i Indônezia sy mizara faritany roa: Papoazia sy Papoazia Andrefana).
Ireo fanjakana na faritany ireo dia tsy mandrafitra vondrona ara-pôlitika ranoray.
Ny teny hoe "melaneziana" dia ampiasaina amin' ny haifiteny amin' ny fitenenenana hoe "fiteny mezô-melaneziana", izay manondro zana-bondron' ny sampam-piteny ôseanianan' ireo fiteny aostrôneziana, tenenina ao Papoazia-Ginea-Vaovao sy ao amin' ireo nosy Sôlômôna.
Jereo koa
hanovaFizaràm-paritra any Ôseania: