Tovana (fitsipiteny)
Ny tovana dia hasin-teny, anisan' ny sokajin' ny tsirinteny izay fametraka eo aorian' ny fototeny mba hahazoana sampanteny na ho amin' ny tanjona hafa.
Ao amin' ny fiteny malagasy
hanovaAo amin' ny fiteny malagasy dia ahitana ireto tovana ireto: -ina, -ana, -y , -o ary -a. Ny -ina sy ny -ana dia ampy ho an' ny matoanteny amin' ny filaza tsotra sy amoronana mpamari-toetra. Ny -y sy ny -o ary ny -a kosa ampiasaina amin' ny matoanteny amin' ny filaza mandidy.
Ohatra:
- vono-ina ᐳ vonoina;
- fahana-ana ᐳ fahanana;
- volo-ina ᐳ voloina;
- vono-ina-y ᐳ vonoy;
- fahana-ana-o ᐳ fahano.
Matetika dia manova endrika ny fototeny sy ny tovana ny fanakambanana azy roa ireo.
Ohatra:
- maty-a ᐳ matesa;
- ma-hery-a ᐳ mahereza.
Ao amin' ny fiteny anglisy
hanovaIndreto ny sasany amin' ny tovana fampisampanan-teny ao amin' ny fiteny anglisy: -ise, -ize, -fy, -ly, -ful, -able, -ible, -hood, -ess, -ness, -less, -ism, -ment, -ist, -al, -ual, -ish, -oid, -like, -ity, -tion, -ion, -ation, -logy/-ology, -ant.
Ao amin' ny fiteny frantsay
hanovaIndreto kosa ny tovana fampisampanan-teny fampiasa matetika ao amin' ny fiteny frantsay: -able, -age, -el, -elle, -eri, -esse, -eur, -euse, -eux, -ier, -ière, -if, -iser, -isme, -iste, -ive, -ment, -ture,