Tantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô

Ny tantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia voamariky ny fisian' ny fanjakana maro madinidinika tany aloha, ny fahatongavan' ny Eorôpeana, ny fivarotana andevo, ny fanjanahan-tany (belza ny an' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô), ny fahaleovan-tena, ny ady an-trano, ny fanonganam-panjakana, ny fitsabahan' ny firenena mpifanolo-bodirindrina, ary ny fizorana mankany amin' ny demôkrasia.

Sainan' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô

Talohan' ny fanjanahan-tany hanova

Mponina voalohany hanova

 
Mitady sakafo, sary nataon' i Patrick Kaluta Kalpone

Efa nisy olona ity faritra mitondra ny anarana hoe Repoblika Demôkratikan' i Kôngô ity tamin' ny 200 000 taona tal. J.K. Ny mpikaroka dia nahita fitaovana madinika vita amin’ ny vato tao amin’ ny farihy Albert sy tao amin’ ny farihy Edouard, izay nampiasain’ ny olona tany amin’ ny roa tapitrisa taona tany aloha. Ny lemaka midadasika kôngôley tamin’ izany fotoana izany dia rakotry ny ala tsy nisy nanimba. Nisy koa ny sisan-javatra nampiasain' ny olona (toy ny taolana, ny fitaovana vita amin' ny vatokaranana, sns) hita tao ishango ao amin' ny valan-javaboarim-pirenen' ny Virunga, izay mety teo anelanelan' ny 25 000 sy 20 000 taoa lasa tany.

Tany amin’ ny taonarivo faharoa dia nisy mpamboly banto, avy any amin' ny faritra eo anelanelan' ny tapany atsinanan' i Nizeria sy ny Grassfields any Kamerona, hatramin' ny 2600 tal. J.K., niditra tao amin’ io faritra io ka niorim-ponenana amin’ ny morontsiraka sy teny amin’ ny lembalemba atsinanana sy atsimo, ka teny izy ireo no nanao tavy sy nanangana fiarahamonina tarihin’ ny lehibem-poko.

 
Diogo Cão

Nisy ny fanjakam-panjaka niorina koa teo anelanelan'ireo taonjato voalohany taor. J.K. sy ny taonjato faha-15, ka ny lehibe indrindra amin'ireo dia ny fanjakan' i Loba (Luba) sy ny fanjakan' i Londa (Lunda) ary ny fanjakan' i Kôngô (Kongo). Tamin’ ny taona 1482 dia nifandray voalohany tamin’ ny fanjaka-mpanjaka banto tao Kôngô (Kongo) (izay niorina tamin’ ny taonjato faha-14) ny Pôrtogey, tamin’ ny nahitan’ ilay mpadeha an-tsambo atao hoe Diogo Diogo Cão (na Diego Cam) ny vinanin’ ny ony izay nomeny ny anarana hoe Congo.

Fiitaran' ny fanjaka-mpanjaka hanova

Rehefa tonga tamin’ ny tampon’ ny heriny ny fanjaka-mpanjaka dia niitatra mankany amin’ ny faritra misy an’ i Angôla sy Gabôna ankehitriny. Tamin’ ny taona 1489 dia nisy masoivohon’ i Kôngô (Kongo) namangy ny mpanjakan’ i Pôrtogaly, ary tamin’ ny taona 1490 dia nisy misionera fransiskana sy mpanao taozavatra pôrtogey niorim-ponenana tao amin’ io faritra io. Niely ny fambolena katsaka sy mangahazo izay avy any Amerika. Tonga koa ny Zezoita ka nampiova ho amin'ny fivavahana kristiana ny mpanjaka sy ny vahoakan'ny fanjkakan'i Kôngô. I Alfonso, zanaky ny mpanjaka voalohany niova finoana dia lasa mpanjakan’ i Kôngô (Kongo) tamin’ ny taona 1507 sady nanao izay haha kristiana ny fanjakany. Nihalefy hery, avy eo rava anefa izany fanjakana izany, ary nitodi-doha tany Angôla, izay tsy dia nahitana fanoherana ny fivarotana andevo, ny Pôrtogey.

Ny faharavan'ny Empira Londa hanova

Tamin’ ny taonjato faha-16, ireo Loba (Luba) dia nanorina ny Empira Londa (Lunda) tao atsimo, izay niroborobo vokatry ny fandrosoan’ ny raharaham-barotra teo anelanelan’ ny Ranomasimbe Atlantika sy Indiana. Nizarazara ho fanjaka-mpanjaka maro izany Empira izany tamin’ ny taonjato faha-17. Ny fivarotana andevo mainty hoditra, izay efa nisy nanao tao amin’ ny faritr’ i Bas Congo hatramin’ ny taojato faha-16 dia niely tao amin’ ny faritra Bas Kasaï sy tany Katanga. Tamin’ ny taonjato faha-19 dia nandroso indrindra ny fivarotana olona tao amin’ ny faritra avaratra, izay nahafahan’ ny Zanda, mpiady avy any Sodàna, nampitombo ny heriny. Ny fidiran’ ny Eorôpeana tao dia efa taty aoriana, nitoetra tany amin’ny morontsiraka hatrany mantsy ny Eorôpeana, tao amin’ny tobim-barotra maro, hatramin’ ny antsasany faharoa amin’ ny taonjato faha-19.

Fahazoan’ i Stanley fahefana feno tao Congo hanova

 
Henry Morton Stanley

Tamin’ ny taona 1874 hatramin’ ny 1877 dia nizaha ny onin’ i Congo ilay mpijery tany britanika atao hoe Henry Morton Stanley. Nanamafy ny fitsiriritan’ ny Eorôpeana an’ i Afrika, izay noheverin’ izy ireo ho loharanon-karena, ny fitantarany. Nanorina ny Association internationale africaine (AIA) tamin’ ny taona 1876 ny mpanjakan’ ny Belza atao hoe Léopold II. Nidy tamin'ny fanandevozana ity fikambanana ity sady nanan-tanjona momba ny fikarohana ara-tsiansa. Nanome fahefana an’ i Stanley ny AIA (izay nanana fahefana masi-mandidy amin’ ny tany hitany voalohany) ka niverina tany amin’ ny lemaka tondrahan’ i Congo mba hanangana toeram-pifandraisana ara-barotra sy hametraka fifandraisana amin’ ireo lehibe isam-paritra.

 
Tippo Tip

Nifanaraka tamin'ny tompon-tany i Stanley mba hahafahany mahazo tany sy mitrandraka ny haren' ilay faritra. Nahazo fanohanana tamin’ i Tippo Tip (ilay Soahily mpivarotra andevo) i Stanley ka nanorina tobim-barotra maro, ka isan’ izany i Stanleyville (izay novana anarana hoe Kisangani taty aoriana) sy i Léopoldville (izay novana anarana hoe Kinshasa).

Ny fanjanahan-tany belza hanova

Ny Fanjakana Mahaleotenan' i Congo hanova

 
Leopold ii
 
Sainan' ny Fanjakana Mahaleotenan' i Congo

Nisy ny fanjakana, isan’ izany i Frantsa sy i Pôrtogaly, izay nilaza ho manana tany tao amin’ io faritra io, ka ny fivoriam-be natao tao Berlin tamin’ ny volana Febroary 1885 no nanaiky ny maha masi-mandidy ny mpanjaka Léopold II amin’ ny ampahany be amin’ ny lemaka tondrahan’i Congo sy ny faritra ivoahan’ ity ony ity any amin’ ny ranomasina, ka nahatoga an’ i Angôla pôrtogey hizara roa.

Nanao ampihi-mamba ny fivarotana fingotra sy vangin’ elefanta ilay Fanjakana Afak’ i Congo (Etat libre du Congo). Ny tsy fisian’ ny fitaovam-pitaterana sy ny lalana ahafaha manao fanondranana ny vokatry ny fiotazana (ranom-pingotra) mankany an-dranomasina dia nanosika ny kômpania miahy tena maro hampandroso ny fitaterana entana amin’ ny alalan’ ny filanjana. Tamin’ ny taona 1897 dia nampidirina tao amin’ io faritra io ny fambolena landihazo sy kakaô, toraka izany koa ny asa an-tery vozona. Izany fanararaotana izany, sy ny taham-pahafatesana mbony nateraky ny filanjana entana, dia nampihetsi-po ny mpanara-baovao, ka nisy ny fampielezan-kevitra avy ao amin’ ny Fanjakana Mitambatra (Britaina Lehibe) izay nitsikera sy nanameloka izany fanararaotana nataon’ ny fitondran’ i Léopold II izany. Nanafaingana ny fidirana amin’ ny fanjanahan-tany izany hetsika izany. Tamin’ ny taona 1906 dia nanomboka ny famokarana varahina tao amin’ ny faritra Katanga ary ny toerana maro misy diamondra koa dia hita tao amin’ ny faritra Kasaï.

Fananan’ i Belzika hanova

Tamin’ ny taona 1908 dia lanin’ ny Antenimiera belza ny hampiankina ny Fanjakana Afak’ i Congo (Etat libre du Congo), tamin’ ny mpanjakan’ ny Belza, ka nanjary fananan’ i Belzika amin’ izay izany tany izany. Nandritra ny Ady Lehibe Voalohany dia niady niaraka tamin’ ny Miaramila mitambatra (Alliés) ny andian-tafika kôngôley ka nahazo ny ampahany amin’ ny faritr’ i Tanganyika (i Tanzania ankehitriny) sy nahazo koa an’ i Roanda-Orondy (Ruanda-Urundi), tany fehezin’ ny Alemàna, izay napetraka eo ambany fitantantan’ i Belzika araka ny alalana nomen’ ny Fikambanan’ ny Firenena (Société des Nations) tamin’ ny taona 1919.

Nandroso fatratra ny taozava-baventy kôngôley nandritra ny Ady Lehibe Faharoa sady nandray anjara tamin’ ny ezaka amin’ ny ady nataon’ ny Alliés, tamin’ ny alalan’ ny fanondranana varahina sy oraniôma, izay nampiasaina amin’ ny fanamboarana ireo bômba atômika roa voalohany. Nitohy nandritra ny fotoana aorian’ ny Ady Lehibe ny fandroson’ ny taozava-baventy.

Fitakiana fahaleovan-tena hanova

Fitakiana fahaleovan-tena hanova

 
Joseph Kasavubu

Tamin’ ny taona 1955, raha nitombo ny fitakiana fahaleovana nataon’ ny Association des Bakongos (Abako) naorin’ i Joseph Kasavubu dimy taona tany aloha, sy ny Conscience africaine izay naorina tamin’ny taona 1951, dia nivoy ny amin’ ny atao hoe “Fianakaviambe belgô-kôngôley” (Communauté belgo-congolaise) i Baudouin I. Nandroso paikady hanomanana olomanga kôngôley amin’ ny asan’ ny fanaovan-draharaham-panjakana ny governemanta belza.

Tsy fifanarahan’ ny mpitaky fahaleovan-tena hanova

 
Patrice Lumumba

Taorian’ ny fandrarana ny fivorian’ ny Association des Bakongos dia nisy fihetsiketsehana nipoaka tao Léopoldville tamin’ ny volana Janoary 1959, nanambara ny hanaovana fifidianana an-toerana ny governemanta belza, ka nanome antoka hitondra an’ i Kôngô mankany amin’ ny fahaleovan-tena. Nitombo anefa ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ ireo fikambanana ara-pôlitika, ka ny sasany, toa ny Mouvement national congolais (MNC) notarihin’ i Patrice Lumumba, dia nankasitraka ny hisian’ ny lalàm-panorenana madala ny fanjakana federaly (Etat fédéral), ny hafa kosa, toa ny Association des Bakongos (Abako) izay notarihin’ i Joseph Kasavubu sy ny Confédération des associations katangaises (Conakat) izay natosiky ny tombotsoa momba ny harena an-kibon’ny tany, dia nitaky ny hananganana fanjakana kônfederaly (Etat confédéral).

Nisy ny “latabatra boribory” tany Bruxelles nivorian’ ny mpitarika ny antoko pôlitika kôngôley sy ny olombe ara-drazana ary ny solontenan’ ny governemanta belza, tamin’ ny volana Janoary sy Febroary 1960. Tamin’ izany no nandraiketana tamin’ ny 30 Janoary 1960 ny fahaleovan-tenan’ i Kôngô. Tsy nanapaka momba ny hisafidianana ny federalisma na tsia anefa ny Lalàna fototra nankatoavina taty aoriana.

Ny fahazoana ny fahaleovan-tena sy ny fitondran' i Kasavubu hanova

 
Joseph Kasa-Vubu

I Kasavubu no filoham-pirenena hanova

Tamin’ ny volana Mey 1960, ny fifidianana, izay nahazoan’ ny MNC tarihin’ i Patrice Lumumba fandresena, dia nanome ny toeran’ ny filoham-pirena an’ i Joseph Kasavubu, taorian’ ny fanambaràna ny fahaleovan-tena tao Léopoldville tamin’ ny 30 Jona 1960.

Nanomboka tamin’ izany fotoana izany dia nihamaro ny herisetra, ary ireo antoko voailika tsy ho ao amin’ ny governemanta dia nandray anjara koa tamin’ ny korontana, ary nikomy ny tafika kôngôley. Mba hamerenana ny filaminana sy hiarovana ireo Eorôpeana nitoetra tao Kôngô dia nanatevina ny tafika belza ny andian-tafika avy any Belzika. Izany fihamaroan’ ny miaramila belza tao Kôngô izany dia neritreretin’ ny mponina ho fiverenan’ ny mpanjana-tany indray. Niseho vokatr’ izany ny herisetra tamin’ ny Eorôpeana tao Léopoldville.

Ny fisaraham-bazan’ i Katanga hanova

 
Moïse Tshombé

Nitombo ny korontana rehefa nanambara ny fahaleovan-tenan’ ny faritanin’ i Katanga i Moïse Tshombé izay notohanan’ ny Union minière ka nangataka ny fanampian’ny miaramila belza, tamin’ ny 11 Jolay 1960.

Namaly ny antson’ ny piraiminisitra Patrice Lumumba ny Filankevi-pilaminana (Conseil de sécurité) ao amin’ ny Firenena Mikambana ka nitaky ny hialan’ ny Belza sady nanapa-kevitra handefa ny Satro-Manga (tafiky ny Firenena Mikambana) mba hamerina ny filaminana ao Kôngô. Nisolo miandalana ny tafika belza ny tafiky ny Firenena Mikambana nefa tsy niditra an-tsehatra mivantana. Noho izany dia nitodi-doha tany amin’ ny Firaisana Sôvietika i Patrice Lumumba.

Ny nahafatesan' i Patrice Lumumba hanova

 
Patrice Lumumba

Tamin’ ny 5 Septambra 1960 dia nanambara ny fanesorany an’ i Patrice Lumumba tsy ho piraiminisitra ny filoha Joseph Kasa-Vubu. Tamin’ io fotoana io ihany koa no nanonganan’ i Patrice Lumumba an’ i Joseph Kasavubu. Ny tafika kôngôley notarihin’ i Mobutu Sese Seko, izay mpomba an’ i Joseph Kasavubu, no naka ny governemanta. Tamin’ ny 29 Septambra 1960 dia namindra ny fahefany tamin’ ny governemanta vonjimaika notarihin’ i Mobutu Sese Seko i Joseph Kasa-Vubu. Nosamborina sy nogadraina i Patrice Lumumba, avy eo novonoina tamin’ ny 17 Janoary 1961, tany amin’ ny faritanin’ i Katanga, izay namindrana ny famonjana azy.

Fitsaharan’ ny fisaraham-bazan’ i Katanga hanova

 
Joseph Iléo

Tamin’ ny volana Janoary 1961 dia nanangana governemanta vonjimaika vaovao i Joseph Kasa-Vubu, ka nisy mpikambana avy ao amin’ ny Antenimiera taloha izany governemanta izany (isan’ izay i Joseph Ileo izay notendrena ho piraiminisitra). Ireo mpomba an’ i Patrice Lumumba koa dia nanao toraka izany tany Léopoldville (ka i Gisega no piraiminisitra).

Tamin’ ny 21 Febroary 1961 dia nanome alalana ny Firenena Mikambana hampiasa hery ny Filankevi-pilaminana, mba hialana amin’ ny ady an-trano ao Kôngô. Tamin’ ny faran’ ny taona dia namely ny tafik’ i Tshombé ny tafiky ny Firenena Mikambana sy ny tafika kôngôley. Nanao fifampiraharahana hampitsaharana ny ady eo amin’ ny tafika misatro-manga sy ny tafika katangey i Dag Hammarskjöld sekretera jeneralin’ ny Firenena Mikambana, nefa maty tamin’ ny lozam-piaramanidina izy.

Tamin’ ny Desambra 1962 dia voafehin’ ny tafiky ny Firenena Mikambana i Elisabethville (Lubumbashi ankehitriny). Nandositra sy nialokaloka tany Kolwezi i Tshombé. Nitolo-batana izy tamin’ ny 15 Janoary 1963 ary nahazo famelan-keloka miaraka amin’ ireo namany.

Fitohizan’ ny fiokoan’ ireo mpomba an' i Lumumba hanova

Nitsahatra ny fisaraham-bazan’ i Katanga, nefa nitohy ihany ny fiokoan’ ireo mpomba an’ i Lumumba. Tamin’ ny volana Aogositra 1964 dia nitarika ny mpioko tao atsinanan’ i Kôngô amin’ ny fanoherana i Pierre Mulele sy i Gaston Soumaliot, ka azon’ izy ireo i Stanleyville (Kisangani ankehitriny). Nandefa haingana ny andian-tafiny, izay nampian’ ny mpikaraman’ ady eorôpeana sy afrikana tatsimo, ny fanjakana ka niezaka namerina indray io tanàna io. Natahorana hamono ireo takalonaina eorôpeana ny mpioko ka nisy mpilatsaka amin’ ny elonaina belza, izay nentin’ ny fiaramanidina amerikana, nilatsaka tao Stanleyville, ka nahazo indray ity tanàna ity tamin’ ny 24 Novambra 1964.

Hatramin’ izay ka hatramin’ ny taona 1968 dia niseho ny mpanao ady anaty akata niaraka tamin’ i Mulele, nefa nampiasa mpikaraman’ ady matetika ny tafika kôngôley mba hadresena azy ireo. Nisy anefa ireo fikambanana miafina mpanohitra izay tsy rava tao amin’ ny tangoron-tendrombohitra akaikin’ ny farihy Tanganyika, ka isan’ ny iray amin’ izy ireo i Laurent-Désiré Kabila izay notsidihin’ i Che Guevara nandritra ny volana vitsivitsy. 

Ny fitondran' i Mobutu Sese Seko hanova

Ny fitondran' i Mobutu Sese Seko hanova

Fanonganana an’ i Kasa-Vubu sy fitondrana jadon' i Mobutu hanova

 
Mobutu Sese Seko

Taorian' ny tsy fahombiazan’ ny governementa iraisana dia nandray ny fitondrana i Mobutu Sese Seko tamin’ ny faran’ ny taona 1965, rehefa avy nanongana an’ i Kasa-Vubu, ka nanambara ny tenany ho filohan’ ny Repoblika. Tamin’ ny taona 1966 dia nanangana governemanta jadona, izay ananan’ ny filoham-pirenena fahefana betsaka, izy sady antoko tokana no nekeny hisy, dia ny Mouvement populaire de la révolution (MPR). Izany fitondrana izany (sy ny safidy momba ny antoko tokana) dia nohamafisiny tamin’ ny fampadaniana lalàm-panorenana vaovao tamin’ ny taona 1967. Navadika ho orinasam-pirenena ireo orinasa vahiny mpitrandraka harena an-kibon’ ny tany.

Nanamafy ny maha filoha azy tamin’ ny fifidianana i Mobutu hanova

Tamin’ ny taona 1970 dia lany ho filohan’ ny Repoblika mandritra ny fito taona i Mobutu ka nanomboka namerina an’ i Kôngô ho tena afrikana sy ho tena izy amin’ izay. Niteraka ny tsy fifanarahany tamin’ ny Fiangonana katôlika izany satria nasainy nesorina ny anarana kristiana ka nosoloiny anarana maha Kôngôley.

Niova anarana ho Zaira i Kôngô hanova

Fanovana anarana hanova

Tamin’ ny taona 1971 dia nanova ny anaran’ i Kôngô ho Zaira (Zaïre) i Mobutu, ny renirano Congo koa dia novany ho Zaïre, ny anaran’ ny tanàna maro sy ny anaran’ ny farihy Albert (izay anaran’ ny vadin’ ny mpanjakavavy Victoria) dia nantsoina hoe farihy Mobutu. Ny ampahan’ io farihy io ao Oganda anefa tsy niova anarana. Ireto ny tanàna sasantsasany novana anarana:

Fitontogan’ ny toekarena sy pôlitikan’ ny fitsitsiana hanova

Nihena dia nihena ny fidiram-bolan’ i Zaira, izay niakina indrindra amin’ ny fitrandrahana varahina, nanomboka tamin’ ny taona 1974. Niteraka fiavosan’ ny trosa ivelany ny fihenan’ ny sandam-bola, izay nianjadian’ ny fahasahiranana ara-toekarena maneran-tany, vokatry ny fisondrotan’ ny vidin’ ny solitany ambony dia ambony tamin’ ny taona 1973. Tamin’ ny taona 1976 dia voatery niantso indray ireo orinasa vahiny hiverina any Kôngô i Mobutu. Na dia nisafidy ny fitondrana jadona aza i Mobutu dia nifandray tamin’ i Belzika sy i Frantsa izay nisakana ny fiverenan’ ny fisaraham-bazan’ ireo mpioko tao Katanga (antsoina hoe Shaba) tamin’ ny taona 1977 sy 1978. Nanampy azy koa tamin’ izany i Marôka fa i Angôla no nanampy ny mpioko.

Tamin’ ny taona 1986, rehefa tsy nanaraka intsony ny pôlitikan’ ny fitsitsiana, izay fepetra ahazoana mindram-bola amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (Fonds monétaire international) i Zaira dia latsaka tanatin’ ny fahasahiranana ara-toekarena lalina. Nahazo vahana noho izany ny mpanohitra ny fitondrana.

Fihozongozonan’ ny fitondran’ i Mobutu hanova

Fihozongozonan’ ny fitondran’ i Mobutu hanova

Tamin’ ny taona 1990 dia niseho matetika ny fitokonana sy ny fihetsiketsehana nanoherana ny kolikoly izay nanjaka teo amin’ ny fitondrana, nanoherana koa ny fandrobana ny harem-pirenena nataon’ ny filohan’ ny Repoblika sy ny mpiara-dia aminy, nanoherana ny fanitsakitsahana ny zon' olombelona mbamin’ ny demôkrasia. Rehefa noteren’ ny firenena tandrefana hampanjaka ny demôkrasia i Mobutu dia nanaiky hampanao fihaonambem-pirenena, sady nanaiky ny maha ara-dalàna ny fijoroan’ ny antoko pôlitika maro. Tsy nanaiky ny hanovana ny lalàm-panorenana vaovao araka ny tapaka nandritra ny fihaonambem-pirenena anefa i Mobutu. Hatramin’ izay ka hatramin’ ny taona 1994, rehefa nanaisotra ny piraiminisitra, izay mpanohitra, sy nampiato ny fihaonambem-pirenena i Mobutu dia nipoaka ny savorovoro sy ny fihetsiketseham-panoherana. Nofaiziny mafy aamin' ny alalan' ny antoko-miaramila mpiambina ny filoham-pirenena izany.

Nanomboka tamin’ ny taona 1994 anefa dia nihatsara ny toe-draharaha, vokatry ny fifanarahana ny amin’ ny hitsinjarana ny toerana eo amin’ ny filoham-panjakana sy ny Filankevitra Ambonin’ ny Repoblika (Haut conseil de la République), izay nisahana vonjimaika ny asan’ ny Antenimiera. Nihemotra anefa ireo fifidianana nokasaina hatao amin’ ny taona 1995.

Ny olana nateraky ny adin’ ny Hoto sy ny Totsy hanova

Tsy mbola azo antoka ny toe-draharaha ara-pôlitika sy ara-piarahamonina andaniny, ary ny firohotry ny Hoto mpitsoa-ponenana miia manodidina ny 1 500 000 avy any Roanda, nanomboka tamin’ ny fiafaran’ ny taona 1994 teo amin’ ny sisin-tany ao atsinanan’ i Zaira, dia nanampy ny fikorontanana anatiny ao Zaira. Nandositra ny Totsy ao amin’ ny Front patriotique rwandais (FPR), izay nandrombaka indray ny fitondrana any Kigali ao Roanda tamin’ny volana Jolay 1994, mantsy ireo Hoto ireo. Niharatsy ny toe-draharaha nandritra ny fahavaratry ny taona 1996 rehefa niray hina hiady amin’ ny Totsy baniamolenge (Banyamulenge) ny tafika zairoà sy ny milisy hoto.

Ireto Totsy ireto, izay mpiompy sady mpiady, efa niorim-ponenana tao amin’ io faritra io nanomboka tamin’ ny taona 1930, dia nanampy ny FPR tamin’ ny ady tao Roanda, sady tsy nanaiky ny fanitarana ny tany fambolena voly fanondrana mankany amin’ ny tany fiandrasany omby. Niainga avy ao Roanda ka niampita  ny sisin-tany miaraka amin’ ny tafika roandey izy ireo ka nahazo fandresena miezinezina manoloana ny tafik’ i Zaira.

Ny mpitari-tafika roandey, indrindra ny jenaraly Paul Kagame, dia nanao izay hampilamina ny raharaha ao amin’ ny tobin’ ny mpitsoa-ponenana, izay nofehezin’ ny tompon’ andraikitra tamin’ ny fandripahana ny Totsy tao Roanda. Tamin’ ny tenantenan’ ny volana Ôktôbra 1996 dia niharan’ ny fanafihan’ ny Totsy zairoà mpioko (atao hoe Banyamulenge), izay notarihin’ ireo mpiady taloha niaraka tamin’ i Mulele, ireo tobin’ ny mpitsoa-ponenana tao amin’ ny faritra manakaiky an’ i Bukavu. Tamin’ izany fotoana izany (ireo taona 1980) dia nirotsaka tamin’ ny fandraharaham-barotra volamena sy vangin’ elefanta i Laurent-Désiré Kabila. Nandritra ny fararanon’ ny taona 1996 dia nirohotra nankany Roanda ny mpitsoa-ponenana hoto. Tsy niditra an-tsehetra ny fianakaviambe iraisam-pirenena na dia nahita izany fifidrà-monina tao anaty fahasahiranana lehibe izany, nefa nisy ny fifampiresahana imbetsaka natao.

Fidarabohan’ ny fitondrana tao Kisangani hanova

Nahazo vahana ny mpioko hanova

Niainga avy ao amin’ ny sisin-tany atsinanana ny mpioko zairoà izay nahazo fitaovana tamin’ i Roanda sy tamin’ i Oganda ary tamin’ i Angôla, sady nahazo fanohanana avy amin’ ireo firenena ireo. Nandroso haingana nankany andrefana ka naka ny faritr’ i Goma, ny an’ i Bukavu ary ny an’ i Kisangani, sy nianatsimo koa izy ireo nankany amin’ ny faritra misy fitrandrahana harena an-kibon’ ny tany any Katanga sy any Kasaï, izay nifanaraka tamin’ i Kabila mba hanome fanohanana. Nikisaka haingana ny fikambanana izay nirafitra manodidina an’ i Kabila sy ny Alliance des forces démocratiques pour la libération du Congo (AFDL), ka nifehy ireo faritra navelan’ ny tafi-panjakana. Tsy nandray karama nandritra ny volana maromaro ny miaramila zairoà, afa-tsy miaramila voatsonga sasantsasany, ka niala tao amin’ ireo faritra ireo sady nandroba ny tanàna maro nandalovany. Tsy afaka nanohitra i Mobutu, izay efa nanondro-boninahitra ny tenany ho maresaly, rehefa tsy voafehiny intsony ireo faritra manana ny maha izy azy ao Zaira ireo.

Fandaminana tsy nahomby nataon’ ny samy Afrikana hanova

Rehefa resy ny fitondrana tao Kisangani sady naongana i  Kengo Wa Dongo, dia nanambara ny fananganana komity misahana ny fifampiraharahana i Mobutu Sese Seko. Manoloana ity tsy fifanarahana izay niova ho ady an-trano ity dia nisy firenena fito ambin’ ny folo ao amin’ ny Firaisambe Afrikana (OUA), izay nisahana ny fandaminana ny tsy fifanarahana, nanao fihaonana tampony tao Lome tamin’ ny volana Marsa 1997. Nisy ny paika hamerenana ny fandriam-pahalemana izay naorina tamin’ ny fampitsaharana ny ady sy amin’ ny fanokafana fifampiresahana ara-pôlitika. Tsy nisy fampiharana anefa izany. Ny tafiky ny AFDL kosa nanohy ny fandrosoany mankany Kinshasa. Etsy an-danin’ izany dia nitombo ny fanerena avy amin’ ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ary manoloana ny fiharatsian’ ny toe-javatra mahazo ny mponina momba ny maha olona, dia nanao izay hampihaonana an’ i Mobutu sy i Kabila ny mpanelanelana avy amin’ ny Firenena Mikambana sy i Etazonia ary i Afrika Atsimo. Tanteraka izany tamin’ ny 4 Mey 1997 teo ambonin’ ny sambo afrikana tatsimo iray, nefa samy niziriziry amin’ ny heviny ny mpifanandrina roa tonta.

Ny fitondran' i Laurent-Désiré Kabila hanova

Fanonganam-panjakana sy ampihi-mamba hanova

Tamin’ ny volana Mey 1997 dia niditra ao Kinshasa ny andian-tafiky ny AFDL ka nanambara ny tenany ho filoha ho an’ ny Repoblika vaovao i Laurent-Désiré Kabila. Izany repoblika izany dia nantsoiny hoe Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô (Republique Démocratique du Congo). Nandao an’ i Kôngô i Mobutu ka nitsoaka nankany Marôka ary maty tao Rabat tamin’ io taona io iahany. Nataon’ i Laurent-Désiré Kabila ampihi-mamba ny fahefana rehetra ka niteraka fanoherana avy amin’ ireo mpanohitra an’ i Mobutu taloha, izay tsy nampandraisina anjara tamin’ ny fitondrana sady nisy nanamborana ka nogadraina (ohatra, i Tshisekedi, izay namponenina amin’ ny toerana arahi-maso), izany. Nisy koa mpomba an’ i Mobutu taloha izay nitsangana ka nanohitra azy. Niankina tamin’ ny mponina ao amin’ ny faritra atsinanana ny fitondram-panjakana, indrindra ny mponina any Katanga, izay toerana nahaterahan’ i Laurent-Désiré Kabila.

Tompon’ antoka tamin' ny fandripahana ny Hoto hanova

Nanda ny hanaovan’ ny Firenena Mikambana fanadihadiana momba ny fanjavonan’ ny Hoto miisa 200 000 any ho any tao amin’ ireo ala atsinanana (izay mety naripaky ny Roandey naman’ i Kabila tamin’ izany fotoana izany) i Laurent-Désiré Kabila. Ny tatitry ny Firenena Mikambana, izay nivoaka tamin’ ny taona 1998, dia niampanga ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô sy i Roanda ho nahavanona heloka bevava amin’ ny maha olona.

Niteraka fahasarotiny amin’ ny tanindrazana sy fankahalana ny Totsy ao Kôngô ny fanjakazakan’ ireo Roandey nanampy an’ i Kabila. Noho izany, tamin’ ny volana Jolay 1998 dia nanaisotra minisitra maro i Kabila (ny sasany amin’ izany dia manam-piaviana roandey) sy niangavy ny andian-tafika ogandey sy roandey mba handao an’ i Kôngô.

Fikomian' ny Totsy baniamolenge hanova

Fikomian’ ny Totsy baniamolenge mpanampy an’ i Kabila taloha hanova

Fotona kely taty aoriana dia nikomy ireo Totsy baniamolenge izay nanampy an’ i Kabila tamin’ ny fakana ny fitondrana, ka nandrahona ny haka ny renivohitra sy ny seranan-tsambon’ i Matadi. Tamin’ izany fotoana izany dia nanenjika ny andian-tafi-panjakana ao Kivu ny mpitari-tafika roandey James Kabare sady nanohy ny fampijaliany ny mpitsoa-ponenana hoto.

Fidirana an-tsehatry ny firenena afrikana hanova

Nangataka fanampiana tamin’ i Zimbaboe, tamin’ i Tsady, tamin’ i Namibia, tamin’ i Sodàna ary indrindra tamin’ i Angôla i Kabila. Nitsimbadika ka namely ny mpioko manohitra azy (ny Union nationale pour l'indépendance totale de l'Angola, UNITA) tamin’ ny fotoana nanavotany an’ i Kinshasa i Angôla.

Tamin’ ny volana Febroary 1999 dia nihatsara ny toe-draharaha amin’ ny faritra manodidina ny renirano Lualaba sy manodidina ny renirano Congo hatrany amin’ ny faritanin’ i Equateur.

Na dia teo aza ny ezaka fampihavanana nataon’ i Zimbaboe dia tsy nisy niova hevitra ny mpifanandrina. I Arthur Z’Ahidi Ngoma, izay mpandrindra ny fiokoana hatramin’ ny taona 1998, avy eo i Ernest Wamba dia Wamba, izay  samy Kôngôley lohandohany ao amin’ ny Rassemblement congolais pour la démocratie (RCD) (fikambanana mpioko) dia niala an-daharana, ary nanambara i Oganda fa hampody ny andian-tafiny.

Tamin’ ny vaolana Jolay 1999 dia nifanaraka tao Lusaka any Zambia ny firenena enina (i Angôla, i Namibia, i Zimbaboe, ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô, i Roanda ary i Oganda), izay nandray anjara tamin’ ny ady, fa hampitsahatra an’ izany ady izany. Tsy nosoniavin’ ireo fikambanana mpioko anefa izany fifanarahana izany raha tsy tamin’ ny volana Aogositra 1999.

Fanirahana ny MONUC hiantoka ny fampitsaharana ny ady hanova

Nifanarahana tamin’ izany ny handefasana ny Mission des Nations unies en République démocratique du Congo (MONUC), izay nahitana miaramila misatro-manga miisa 5 500, niandraikitra ny fanamarinana ny fiatoan’ ny ady (miaramila vahiny miisa 40 000 any ho any no nandray anjara tamin’ izany).

Tsy nety nalamina ny mpanohitra sy ny mpitondra hanova

Satria ny antony lehibe nahatonga ny ady dia ny fifehezan’ ny fikambanana mpioko ny akora fanodina (indrindra ny diamondra), dia samy niziriziry amin’ ny heviny ny mpifanandrina. Na dia ireo firenena mpinampana aza dia nisy fotoana nifamelezana koa (ohatra ny ady matetika tao Kisangani nifamelezaan’ i Oganda sy i Roanda).

Nahatonga ny Kôngôley homba tsy an-tsitrapo ny fitondran’ i Kinshasa ny fandrobana ny mponina tamin’ ireo faritra voabodo sy ny fampihorohoroana nataon’ ireo andian-tafika mpibodo tao atsinanana. Ny Firenena Mikambana tamin’ izany fotoana izany dia nisalasala amin’ ny fidirana an-tsehatra.

Ny fitondran' i Joseph Kabila hanova

Fiakaran' i Joseph Kabila teo amin' ny fitondrana hanova

Nisy namono i Laurent-Désiré Kabila hanova

 
Joseph Kabila

Tamin’ ny volana Janoary 2001 dia nisy namono tao Kinshasa tamin’ ny fomba sy antony tsy tena mazava i Laurent-Désiré Kabila. Ny ampitson’ ny fandevenana azy dia ny zanany lahy Joseph Kabila no notendren’ny Antenimiera vonjimaika (izay nivory tsy ara-potoana) ho filohan’ ny Repoblika hisolo azy. Sivy amby roapolo taona i Joseph Kabila tamin’ izay. Tany ivelany (tany Tanzania sy tany Oganda) no nahalehibe azy alohan’ ny hiverenany tao an-tanindrazany tamin’ ny taona 1996. Nanaraka fiofanana miaramila tany Sina izy, ary miteny soahily sy frantsay ary anglisy. Tamin’ ny kabariny voalohany dia nilaza i Joseph Kabila fa hanao izay hiverenan’ ny fandriam-pahalemana mba hanomezana aina indray ny fizorana mankany amin’ ny demôkrasia. Mba hahazoany ny fanohanana avy amin’ ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia nanao fitsidihana ara-diplômasia tany amin’ ny firenena valo ambin’ ny folo i Joseph Kabila.

Fahavononana ara-pôlitika sy amin’ ny asa fampandrosoana hanova

Vonona ny hanao fanavaozana i Joseph Kabila ka nanangana governemanta vaovao tamin’ ny volana Avrily 2001 ary tsy nampidiriny amin’ izany ireo olona akaiky ny rainy. Nesoriny ireo sakantsakana mahazo ny antoko mpanohitra sady nanambara ny fankasitrahany ny hisian’ ny fifidianana amin’ ny fotoana tsy ela araka izay azo atao izy. Raha nitohy ny fifampiresahana teo amin’ ny samy Kôngôley taorian’ ny tsy fahombiazan’ ireo fihaonana tany Addis-Abeba tamin’ ny volana Ôktôbra 2001 dia nipoaka ny volokano Nyiragongo, ao amin’ ny ilany antsinan’ ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô, tamin’ ny volana Janoary 2002, izay nandrava tanàna ambanivohitra maro sy ny tanànan’ i Goma (renivohitry ny faritra Nord-Kivu sy foiben’ ny mpanohitra mpomba ny Roandey), ka nahafatesana Kôngôley anjatony maro. Saika ny fianakaviambe iraisam-pirenena manontolo no nanaiky an’ i Joseph Kabila, izay naneho ny fahafahany manao asam-pampandrosoana nandritra ny taona 2002.

Fifanarahana hitondrana ny firenena hanova

Taorian’ ny fialan’ ny tafika rehetra avy any ivelany (Roanda, Oganda, Angôla, Namibia ary Zimbaboe) tamin’ ny taona 2002 dia nandroso tokoa ny fizorana mankany amin’ ny fandriam-pahalemana sy ny fampihavanam-pirenena tamin’ ny volana Desambra 2002, taorian’ ny fifanarahana nosoniavina tany Pretoria momba ny fitondrana tetezamita ao amin’ ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô. Novitaina tamin’ ny volana Avrily 2003 ny fifanarahana, na dia tsy mora ny fifampiresahana talohan’ izany, izay namporisihin’ ny filoham-pirenena Thabo Mbeki. Araka io fifanarahana io dia apetraka ny governemantan’ ny fampiraisam-pirenena ary hatsangana ny tafi-panjakana vaovao ahitana ireo tafika nifanandrina teo aloha.

Fananganana ny governemantan’ ny fampihavanam-pirenena hanova

Taorian’ ny famoahana ny lalàm-panorenana vaovao dia natsangan’ i Joseph Kabila ny governemanta tetezamita tamin’ ny volana Jolay 2003, izay nahitana solontena avy amin’ ny Rassemblement congolais pour la démocratie (RCD) notarihin’ i Azarias Ruberwa, avy amin’ ny Mouvement de libération du Congo (MLC) notarihin’ i Jean-Pierre Mbemba, avy amin’ ny mpanohitra tsy mitam-piadiana ary avy amin’ ny fiarahamonim-pirenena.

Fitohizan’ ny ady an-trano tany amin’ ny faritra atsinanana hanova

Na dia teo aza izany rehetra izany dia nitohy ny fifanandrenana tao amin’ ny faritra atsinanana vokatry ny disadisa ara-poko teo amin’ ireo andian’ olona mitam-piadiana.

Rehefa nody ny tafika ogandey dia nisy ny fifandriganam-poko vokatry ny fifanandrinan’ ny milisy Hema sy Lendu manodidina ny tanànan’ i Bunia ao Ituri. Nitombo ny herisetra ka tonga ny tafika iraisam-pirenena notarihin’ i Frantsa sy nomen’ ny Firenena Mikambana alalana mba hiaro ny mponina. Nosoloana miaramila avy ao amin’ ny Satro-manga ity tafika iraisam-pirenena ity taty aoriana. Izany tafiky ny Firenena Mikambana izany dia nomena ny anarana hoe Mission des Nations Unis au Congo (MONUC), izay nahitana miaramila miisa 17 000.

Fahalanian’ i Joseph Kabila hanova

Fahalanian’ i Joseph Kabila voalohany hanova

Nitohy ny fifanandrinana tao amin’ ny tapany atsinan’ i Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô nefa nitohy ihany koa ny tetezamita mankany amin’ ny demôkrasia, ka tamin’ ny volana Desambra 2005, dia nisy ny fitsapan-kevibahoaka momba ny lalàm-panorenana vaovao izay lany tamin’ny 83,8 %n’ ny vato.

Nifarana tamin’ ny volana Jolay 2006 izany fanamafisana ny demôkrasia izany tamin’ ny fanaovana fifidianana isan-karazany. Izany no fifidianana ara-demôkrasia voalohany hatramin’ ny nahazoan’ ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô ny fahaleovan-tenany. Nandray anjara tamin’ ireo fifidianana ireo ny Kôngôley miisa manodidina ny 25 000 000. Nanara-maso izany fifidianana izany fatratra ny fianakaviambe iraisam-pirenena.

Nandresy tamin’ ny fifidianana filoham-pirenena i Joseph Kabila tamin’ ny nahazoany 58,05 % tamin’ ny fihodinana faharoa. I Jean-Pierre Bemba no mpifanandrina farany taminy. Nisy ny herisetra nandritra ny fifidianana ary nisy ny fanoherana izany voka-pifidianana izany.

Fahalanian’ i Joseph Kabila fanindroany hanova

Nandray ny toerana maha filohan’ny Repoblika azy i Joseph Kabila tamin’ ny 6 Desambra 2006 ka nifarana ny governemanta tetezamita. Nitohy ihany anefa ny ady sy ny tsy fanajana ny zon’ olombelona, indrindra tao amin’ ny faritr’ i Kivu. Ny Forces démocratiques de libération du Rwanda (FDLR) dia nanohy nandrahona ny sisintany roandey sy ny Baniaroanda. Nanohana ny mpiokon’ ny Rassemblement congolais pour la démocratie (RCD-Goma) izay nanohitra ny fitondrana tao Kinshasa.

Tao amin’ ny Nord-Est dia nikisaka avy any amin’ ny misy ny foibeny tao Oganda na tao Siodàna Atsimo ka nankany amin’ ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô tamin’ ny taona 2005 sady nanorina ny filasiany tao amin’ ny valan-javaboarin’ i Gambara.

Tao amin’ ny tapany avaratr’ i Katanga dia tsy voafehin’ ny fitondrana tao Kinshasa ireo milisin’ i Laurent-Désiré Kabila, atao hoe Maï-Maï, izay nampiadin’ ity filoham-pirenena ity tamin’ ny milisy roandey, nefa tsy nampandraisina anjara tamin’ ilay fifanarahana tao Lusaka tamin’ ny taona 1999.

Hatramin’ ny volana Novambra 2010 dia nohatanjahina ka lasa ka lasa Mission de l'Organisation des Nations unies en République démocratique du Congo MONUSCO ny MONUC, izay natao hitandro ny fandriam-pahalemana nefa tsy nahavita izany.

Tamin’ io volana io ihany dia voatosiky ny tafika kôngôley notohanan’ ny Firenena Mikambana avy ao amin’ ny tendrombohitra ao Nord-Kivu nisy azy farany ny mpioko M23 izay tsy niady intsony sady nandrava ny fikambanany tamin’ ny 3 Desambra 2013 tamin’ ny alalan’ ny fifanaraham-pandriam-pahalemana nosoniavina tao Nairobi.

Tamin’ ny taona 2016 dia nisy ny diasadisa tamin’ ny hirosoana amin’ ny fifidianana amin’ ny taona 2016 noho ny mety hanampian’ i Joseph Kabila 16 volana ny fotoam-pitondrany noho ny lisi-pifidianana mbola tsy vita. Nisy ny fihetsiketseham-pikomiana tamin’ ny faritany maro: ny milisy Kamwina Napsu ao Kasaï afovoany, ny Bundu dia Kongo ao Kôngô afovoany, ny Pigmea nifanohitra amin’ ny Banto tao Tanganyika, ny fitsanganan’ ny M23 indray. Ny fandrenesana fa any amin’ ny taona 2019 vao hotanterahina ny fifidianana dia tsy nahafaly ny mpanohitra sady niteraka resabe teo amin’ ny fikambanana tsy miankina amin’ ny fanjakana.

Ny fitondran' i Félix Tshisekedi hanova

Fiakaran' i Félix Tshisekedi teo amin' ny fitondrana hanova

 
Félix Tshisekedi - 2019

Tanteraka tamin’ ny 30 Desambra 2018 ny fifidianana ary tamin’ ny 10 Janoary 2019 ny filohan’ ny CENI Corneille Nangaa dia nanambara ny maha filohan’ ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô an’ i Félix Tshisekedi. Nanao fianianana tao amin’ ny Palais de la Nation ny filoham-pirenena tamin’ ny 24 Jaoary 2019.

Niaraka tamin' ny antokon’ i Joseph Kabila, izay lasa loholona mandra-pahafatiny, i Félix Tshisekedi tamin’ ny fanaovana fampielezan-kevitra. I Martin Fayulu, mpifanohitra aminy matanjaka indrindra, izay nitarika vonjimaika tamin’ ny fifidianana filoham-pirenena, dia nanaiky ny voka-pifidianana. Tsy nandray ny fitoriana nataony ny Fitsarana momba ny Lalàm-panorenana (Cour constitutionnelle). Vokatr’ izany fiarahan’ i Félix Tshisekedi amin’ ny antokon’ ny Joseph Kabila izany dia marin-toerana ny fitondrany, noho ny nahazoan’ io antoko io toeran’ ny solombavam-bahoaka miisa 337 amin’ ny 500.

Jereo koa hanova