Ny Baniamolenge, amin' ny heviny hentitra, dia vondom-poko miteny kiniaroanda niorim-ponenana ao amin' ny lemak' i Ruzizi ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô tamin' ny tonjato faha-19. Ny ankamaroan' izy ireo dia monina ao amin' ny faritanin' i Sud-Kivu ao amin' ny faritra akaiky ny sisin-tany itambarana amin' i Roanda sy i Borondy. Noforonina io anarana hoe Baniamolenge io mba hanavahana ny vondron' olona mireny kiniaroanda nifindra monina tao Kôngô nandritra ny vanimpotoan' ny fanjanahan-tany na taorian' ny fahaleovan-tena. Ankehitriny anefa dia ampiasaina amin' ny heviny malalaka io teny io hanondroana ny olona miteny kiniaroanda rehetra miaina ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Ankehitriny, noho ny antony ara-pôlitika sy nandritra ny disadisa, izay nampisy vondrona mpioko sy vondrona mpitsoa-ponenana dia tsy ifanarahan' ny maro ny tokony hampiasana io anarana io: misy ny mampiasa azy hanambaràny ny maha Kôngôley azy, fa misy koa ny mampiasa azy io hiampangana ny mponina iray avy any ivelan' i Kôngô izay mikasa hangalatra tany.

Jereo koa hanova