Fivarotana andevo mainty hoditra

Ny fivarotana andevo mainty hoditra dia varotra andevo avy aty Afrika nandritra ny taonjato telo ambin' ny folo any ho any, nahazo ny vahoaka afrikana mainty hoditra, ka nahatratra ampolo-tapitrisany maro ny olona naondrana avy amin' io kôntinenta io mankany amin' ny kôntinenta hafa. Karazany telo ny fivarotana andevo mainty izay niteraka fanondranana olona an-tapitrisany maro, ka mahakasika vanimpotoana maro tsy mitovy halava izany. Ny fivarotana andevo mankany Atsinanana, izay varotra andevo nataon' ny Arabo, no lehibe indrindra(17 tapitrisa no naondrana tao anatin' ny taonjato 13) sy ny fivarotana andevo amin' ny samy Afrikana (14 tapitrisa no naondrana) ary ny fivarotana andevo namakivaky an' i Atlantika (12 tapitrisa no naondrana, ka ny 90 % notanterahina tao anatin' ny 110 taona, indrindra tamin' ny taonjato faha-18). Tonga tamin' ny fara tampon' ny tanjany ny fivarotana andevo mankany Atsinanana sy ny tao Afrika tamin' ny taonjato faha-19.

Olona nosamborina ka amidy eo amin' ny tsenan' i Zanzibar tamin' ny taonjato faha-19.

Jereo koa hanova