Katanga

tanàna ao amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo

I Katanga, hatramin' ny 2015, dia faritany any amin' ny tapany farany atsimo ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Mirefy 497 000 km2. Ny lembalemban' i Katanga dia ahitana tany fiompiana sy fambolena. Ny any atsinanana (Manono) sy ny any any atsimo (Lubumbashi, Kolwezi) ao amin' ny faritany dia ahitana betsaka tahirin-kôbalta, varahina, vy, radiôma, oraniôma ary diamondra. Tamin' ny taona 2015 dia nozaraina ho faritany maro i Katanga: Tanganyika sy Haut-Lomami sy Lualaba ary Haut-Katanga.

Ny faritanin' i Katanga