Ny Salamo faha-32 na Salamo 32 dia salamo ao amin' ny Baiboly, ao amin' ny Bokin' ny Salamo. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky voalohany" (Sal. 1 - 41) ity salamo ity.

Ny fifalian' i Davida taorian' ny famelan-keloka. Sary avy amin' ny Baiboly amerikana tamin' ny taona 1903.

Dikan-teny malagasy hanova

Dikan-teny katôlika hanova

  1. Nataon' i Davida. Fisaintsainana masina. Sambatra izay voaesotra ny helony, sy voavela ny fahotany.
  2. Sambatra ny olona tsy tànan' ny Tompo heloka, izay tsy misy fitaka ny fanahiny.
  3. Raha mbola nangina aho, nihalany ny taolako rehetra, tamin' ny fitolokoko isan' andro.
  4. Fa nanindry ahy, andro aman' alina, ny tànanao; nihamaina ny herin'ny aiko tamin' ny hainandro lohataona. - Selà.
  5. Nambarako taminao ny fahotako, tsy mba nafeniko ny heloko. Hoy aho: Hiaiky ny fahadisoako amin' ny Tompo aho, dia navelanao kosa ny heloky ny fahotako. - Selà.
  6. Ka aoka hivavaka aminao ny olona tia vavaka rehetra, amin' ny fotoana mety. Marina, fa amin' ny fahatondrahan' ny rano be, dia tsy hahatratra azy izany.
  7. Hianao no fialofako; hiaro ahy amin' ny fahoriana hianao, hodidininao hiram-pamonjena aho. - Selà.
  8. Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
  9. Aza manahaka ny soavaly ama-mole tsy manan-tsaina: tsy maintsy entina amin' ny vy sakam-bavany amam-damboridy ireny; fa tsy mety manaiky izy raha tsy izany.
  10. Fahoriana be no anjaran' ny ratsy fanahy; fa fahasoavana kosa no manodidina an' izay matoky an' ny Tompo.
  11. Mifalia sy miravoravoa amin' ny Tompo hianareo olo-marina, Manaova hobin-kafaliana hianareo mahitsy fo rehetra!

Jereo koa hanova